- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

FOKO: Manao zavatra betsaka ho an'ny fiarahamonina

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Na dia maro tamin'ireo mpikambana ao amin'ny FOKO aza no nanomboka nianatra (any amin'ny Oniversite), feno hetsika ny volana Aprily ho an'ny FOKO Blog Club. Joan Razafimaharo mamintina [1] ny sasany amin'ireo hetsiky ny vondrom-piarahamonina izay andraisan'ireo bilaogeran'ny FOKO anjara.

Niomana hiaraka eo anoloan'ny TLC ao an-tokontanin'ny oniversite Barikadimy ao Toamasina ireo mpikambana ao amin'ny “Foko Blog Club” sy ny ESSVA ary nanana fotoana nahafinaritra izy ireo. Nandefa lahatsary [2] (etsy ambony) i Patrick izay ahitantsika ireo mpandray anjara mankafy ny fotoana.

Saingy nisy loza nitranga nanaloka ny dian'izy ireo. Namoy ny ainy tampoka noho ny loza nitranga tao amoron-dranomasina Tahiti Kely nandritra ny fijanonany tany Toamasina i Frédéric Tsiatosika Rakotondrajao (21 taona), mpianatra ao amin'ny ESSVAcomm [3]. Randy manoratra hoe [4]:

fokofrederic [5]

It was at Tamatave, on the beach said Miou-Miou, while he was swimming with her classmates in a study trip [6]. The sea current is treacherous. Frederick has learned to its cost.

Tao Toamasina, teny amoron-dranomasina izany hoy i Miou-Miou, raha nilomano niaraka tamin'ireo mpiara-mianatra taminy nandritra ny dia fianarana [6] izy. Nivadika ny onjan-dranomasina. Ary namoy ny ainy tamin'izany i Frederick.

Nanohy nanoritsoritra ny tsy fisian'ny fitaovana sy ny sambo fanavotana izy, izay mety ho afaka nanavotra azy.

New Media Workshop For Malagasy Journalists At The APC - Photo by Tahina [7]

Atrikasa Media vaovao ho an'ny mpanao gazety Malagasy ao amin'ny APC – Sary avy amin'i Tahina

Tamin'ny 24 Aprily, notontosaina tao amin'ny Foiben'ny Gazety Amerikana ny atrikasa momba ny media vaovao. Heri Zo [8], niara-niasa tamin'ny FOKO teo aloha no nitarika ny atrikasa, ary nampian'ny ekipan'ny Telomiova sy ireo mpikambana ao amin'ny Foko. Tahina nanoratra hoe [9]:

We started with the micro-blogging on Twitter.

Ando [10] was among the journalists who were interested in the workshop. And here is a video of her telling what she thinks of it.

Natombokay tamin'ny bilaogy madinika ao amin'ny Twitter izany.

Anisan'ireo mpanao gazety liana tamin'ny atrikasa i Ando [10]. Ity ny lahatsary misy azy milaza ny heviny momba izany.

After explaining them the basis of Twitter and its basic use we told them that it is also possible to tweet from a mobile phone. A very useful feature for a reporter on site. We tried to activate their mobiles but the setup was costly. The international SMSs are 5 times more expensive than the local ones and this is still a big issue in developing countries like Madagascar.

Rehefa avy nilaza tamin'izy ireo ny fahalalàna fototry ny Twitter sy ny fampiasana azy izahay, dia nilaza tamin'izy ireo fa azo atao ihany koa ny misioka avy amin'ny finday. Fitaovana tena ilaina ho an'ny mpitati-baovao amin'ny tranonkala. Niezaka nampifanaraka ny findain'izy ireo amin'izany izahay saingy lafo be ny mametraka izany. In-dimy avo heny amin'ny vidin'ny eo an-toerana ny vidin'ny SMS iraisam-pirenena ary mbola olana lehibe ao amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana tahaka an'i Madagasikara izany

Nanoratra [11] momba ny Tanà miblaogy (Tanà blogging) – fivorian'ny bilaogera avy ao Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara i Ariniaina:

In fact, this “Tanà miblaogy” was the 5th edition but was the first one my friends and I attended. My first impression was good cuz we had a very nice talk.

Some faces were new for me: Tattum, Tony Rakoto and Elsifaka. Nice to meet you guys.

Raha ny marina, dia “Tanà miblaogy” faha-dimy ity saingy voalohany natrehin'ny namako sy ny tenako. Tsara ny fahitako izany voalohany satria nahafinaritra ny resaka tamin'izany.

Nisy ireo endrika vaovao sambany hitako: Tattum, Tony Rakoto sy Elsifaka. Faly mahafantatra anareo ry namana.

Tana Miblaogy 5, Photo by Ariniaina [12]

Tana Miblaogy 5, Photo by Ariniaina

Namariparitra [13] ireo bilaogera tamin'ny fihaonana i Tattum. Tamin'ity fihaonana ity, nanararaotra izany ny bilaogera mba hizara ny traikefan'izy ireo momba ny bilaogy. Tahina nanoratra hoe [14]:

The most interesting part for me is no doubt when they shared their experiences during the on going political crisis. The difficulties bloggers have to face when they are on site.

Ny ampahany tena nahaliana ahy indrindra dia tsy isalasalana fa ny fizaran'izy ireo ny traikefa nandritra ny krizy ara-politika mitohy. Ny zava-tsarotra tsy maintsy atrehin'ny bilaogera rehefa ao amin'ny tranonkala.

Lova Rakotomalala nanoratra ny antsipirihany [15] mikasika ny fisoloan-tenan'ny Foko Madagasikara tamin'ny Fihaonambe Soul of the New Machine Human Rights [16] tany New York. Hoy izy:

Foko primary mission is to document the everyday lives of Malagasy citizens and local agents of environmental change, not record potential human rights violations by their government. Yet, the ongoing crisis decided otherwise for the time being.

Ny asa voalohan'ny Foko dia mandrakitra ny fiainana andavan'andron'ny olom-pirenena Malagasy sy ny mpiasa misahana ny fiovana ara-tontolo iainana eo an-toerana, fa tsy mitanisa izay mety ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta. Na izany aza, tsy afa-miala amin'ny fitantarana ny krizy misy ankehitriny izy ireo.

Tahina, iray amin'ireo mpitantana ny sehatra Foko Ushahidi  [17]niresaka momba ny tontolon'ny tetikasa tamin'ny resadresaka [18] niarahana tamin'i Solana Larsen ao amin'ny Global Voices Online.

Graffiti on the wall. Photo by Tahina [19]

Graffiti eo amin'ny rindrina. Sary avy amin'i Tahina

Nandefa [20] ny sasany tamin'ireo graffiti ao Madagasikara i Tahina ary niresaka tamin'ny mpanakanto graffiti iray ihany koa izy. Ariniaina indray nandefa sary sasany [21] ao amin'ny valam-biby Tsimbazaza rehefa avy nitsidika izany.

Diana mamariparitra [22] momba ny fiara nipoaka teo anoloany izay anisan'ny herisetra ao anatin'ny fitokonana ao Madagasikara.

Raha te hahalala bebe kokoa, araho ny Bilaogy FOKO [23] sy ny Twitter FOKO [24].