Mametraka ny heriny amin'ny #Yerevanprotests ahitana mpanao fihetsiketsehana 100.000 ny fiarahamonim-pirenena Armeniana

Serzh Sargsyan nalaina sary nandritra ny fivoriana niarahana tamin'ny filoha Rosiana Vladimir Putin tamin'ny taona 2016. Sary Kremlin. Nahazoana alalana.

Tsy ampy ny 10 taona teo amin'ny fitondrana hoy ny praiminisitra Armeniana Serzh Sargsyan, na dia maro amin'ireo mpiray tanindrazana aminy aza no nilaza fa efa nanenina taminy izy ireo.

Amin'izao fotoana izao, mety hihaona ihany amin'ny fahavalony ity fetsy-fetsy ao amin'ny firenena ity satria mitombo ny fihetsiketsehana manohitra ny fikasany hiditra amin'ny sezan'ny praiminisitra taorian'ny fehim-potoam-piasana roa feno kolikoly tamin'izy filoham-pirenena.

Sarotra ny manombatombana ny haben'ny hetsi-panoherana. Firenena ahitana mponina 3 tapitrisa mahery i Armenia. Na dia mihoatra ny 100.000 aza ny tombatomban'isa ambony ao amin'ny Kianjan'ny Repoblika ao amin'ny firenena. Tsotra ny fangatahan'izy ireo: tian'izy ireo hiala eo amin'ny sehatra ara-politika nasionaly i Sargsyan, izay lasa praiminisitra ao amin'ny firenena tamin'ny 17 aprily rehefa namita ny fehim-potoam-piasana roa fara-fahabetsany amin'ny maha-filoham-pirenena.

Nanomboka talohan'ny nandraisan'i Sargsyan ny asany ho praiminisitra ny hetsi-panoherana. Ny alin'ny 22 Aprily, mbola teo amin'ny fara-tampony izy ireo. Tsy nisy ny mpanohitra voalaza fa maty nandritra ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana saingy nisy kosa ny naratra.

Nialohavan'ny fanovana lalàmpanorenana nolaniana tamin'ny referaondama tamin'ny taona 2015 ny fidiran'i Sargsyan ho praiminisitra rehefa avy nanao filoham-pirenena, fanovàna izay nanome fahefana bebe kokoa ny praiminisitra. Nilaza i Sargsyan tamin'izany fa tsy hitady ny seza mafana tsara nampiana hery ny lehiben'ny governemanta izy.

Saiky tsy misy matoky azy intsony.

Mety hiatrika alina mahatsiravina i Armenia, arakaraka ny fihetsik'ireo tafi-panjakana manoloana ny famoriam-bahoaka izay nitombo be hatrany na dia taorian'ny nisamborana solombavambahoaka sy mpikatroka fantatra fa mpitarika ny hetsi-panoherana tamin'ny 22 Aprily aza.

Na izany aza, toy ny fihetsiketsehana taorian'ny tolo-kevitra hampiakatra ny saran'ny herinaratra telo taona lasa izay, nanaporofo ny hery lehibe eo amin'ny fiarahamonim-pirenena ao amin'ny firenena ny tenirohy malaza  #RejectSerzh sy #YerevanProtests amin'ny fihetsiketsehana manohitra an'i Sargsyan .

Ireto ambany ireto ny sasantsasany amin'ireo sioka nofantenan'ny Global Voices avy amin'ny hetsi-panoherana.

Fiara notoherina

Noforonin'i Nikolay Torosyan 〰️

Mijoro manoloana ny fahoriana

Sary hafa avy ao #Yerevan.#Armenia

Iray ho an'ny ho avy

Ity no taranaka hanarina ny firenentsika

Manakatona fivarotana

Mikatona ny fivarotana. Nandeha nanao fihetsiketsehana izahay.

‘Hamaroana tsy mbola nisy toy izany’

Isa tsy mbola nisy toy izany, angamba olona teo amin'ny 70-100.000 tao amin'ny Kianjan'ny Repoblika, zavatra tsy mbola natrehin'i Armenia – fihetsiketsehana tsy misy mpitarika, herim-bahoaka tampotampoka. Sary avy amin'i Roubina Margossian

Tsy hody hisotro dité aho…

Mankany amin'ity lehilahy niresaka ny vadiny tamin'ny vaovao mivantana ity ny loka Oscar. “Ira, amin'ny 1 aho mody”

Raha hijery bebe kokoa momba ny fihetsiketsehana, jereo ny tatitra avy amin'ny EurasiaNet, mpiara-miasa amin'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.