- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpitarika mpiaro ny zon'olombelona notazomin'ny manampahefana Tiorka nandritra ny atrikasa fiofanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

(Tamin'ny 6 Jolay 2017 nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Enina tamin'ireo mpiaro ny zon'olombelona izay notànana tamin'ny 5 Jolay 2017. Sary nozaraina betsaka tao amin'ny Twitter teo ambanin'ny tenirohy  #İnsanHaklarıSavunucularınaDokunma.

Valo tamin'ireo mpiaro ny zon'olombelona fanta-daza Tiorka no nosamborina [1] nandritra ny atrikasa momba ny fiarovana nomerika sy ny fitantanam-baovao tany amin'ny nosy iray tany Istanbul, Buyukada, ny 5 Jolay 2017.

Mpampiofana miisa roa ihany koa no voasambotra [2] niaraka tamin'ireo mpiaro ny zon'olombelona. Nosamborin'ny mpitandro filaminana vonjimaika ihany koa ny tompon'ilay trano fandraisam-bahiny izay nanaovana ny hetsika. Anisan'ireo nosamborina ny talen'ny Amnesty International Torkia, Idil Eser.

Nitatitra ny sehatra fampitam-baovao tsy miankina Bianet [3] fa niditra an-keriny tao amin'ny atrikasa ny mpitandro filaminana nanao fanamian'olontsotra, nisambotra ireo mpandray anjara, ary naka ny fitaovana elektronika anisan'izany ny solosaina sy ny finday. Notazomina nandritra ny fito andro mialoha ny fitsarana ireo teratany Tiorka miisa valo .

Iray volana latsaka talohan'izay ihany koa no notanana am-ponja vonjimaika ny lehiben'ny Amnesty International tao Tiorkia, Taner Kilic . Namoaka fanambarana [4] ny Amnesty International ny 6 Jolay 2017:

(Idil Eser's) incommunicado detention and that of the other human rights defenders attending a routine training event, is a grotesque abuse of power and highlights the precarious situation facing human rights activists in the country. Idil Eser and those detained with her, must be immediately and unconditionally released.

Fanararaotam-pahefana mahery vaika ary manasongadina ny toe-javatra mampiahiahy izay atrehan'ny mpikatroka mpiaro zon'olombelona ao amin'ny firenena ny fanagadrana an'i (Idil Eser) tsy nahazo nifandray tamin'olona sy ny fihazonana ireo mpiaro ny zon'olombelona hafa nanatrika ny lanonana fampiofanana tamin'ny fotoana mahazatra. Tokony havotsotra tsy misy hatak'andro ary tsy misy fepetra i Idil Eser sy ireo izay notazomina niaraka taminy.

Haingana ny fanehoan-kevitra tao an-toerana sy tany ivelany, niaraka tamin'ireo mpanohana ny Twitter nitaky ny famotsorana ireo mpisolovava miisa valo, izay manam-pahaizana avokoa amin'ny sehatra misy azy, nampiasa ny tenirohy # İnsanHaklarıSavunucularınaDokunma sy #freehumanrightsdefenders.

Mpiaro ny zon'olombelona Tiorka miisa 8 no nogadraina nandritra ny fitsidihan'i @JHahnEU tao Ankara. Avotsory izy ireo ankehitriny , atsaharo ny famotorana.

Fantatra amin'izao fotoana izao ny toerana misy ireo voatazona miisa 10 – any amin'ny toerana 5 samihafa izy ireo. Avotsory izy rehetra ankehitriny.

Tsy misy ny fampahafantaram-baovao nomena ireo mpisolovava, mpanao gazety, ary ny mpampanoa lalàna. Toy ny hoe manao famoretana amin'ny fikambanana iray tena goavana sady mampidi-doza izy ireo.

Haingana tamin'ny fanamelohana [14] ireo mpiaro ny zon'olombelona ho “mpitsikilo” ny masoivohom-baovao mpanohana ny governemanta Ahaber , ary nampahatsiahy ny tranga iray nitovy tamin'izany izay niseho talohan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 15 Jolay 2016 tany Torkia:

15 TEMMUZ TOPLANTISINI AKILLARA GETİRDİ ​Büyükada'da bir otelde, 15 Temmuz darbe girişiminin yapıldığı gün giriş yapan, çoğunluğu yabancı 17 kişilik grup, 2 gün boyunca toplantı yapmıştı. Toplantıda CIA'ya çalışan ABD'li profesör Henri Barkey'in de bulunması dikkat çekmişti.

FIHAZANA MPITSIKILO

Vondron'olona miisa 17, izay nahitana vahiny maro, no tonga tao amin'ny hotely iray tao Buyukada ny 15 Jolay. Nanao fivoriana nandritra ny roa andro izy ireo. Ny iray tamin'ireo mpandray anjara izay nahasarika ny sain'ny maro dia ny mpiasan'ny CIA iray, ilay mpampianatra Amerikana Henry Barkey.

Nilaza ny hetsika fampiofanana ho “mampahatsiahy ny fivoriana talohan'ny 15 Jolay,” ny Ahaber saingy tsy nanome ny antsipirihany momba ireo nanatrika ny fivoriana izay nambara ny taona 2016.

Nomelohina tahaka ny mahazatra ho nikasa hanonganam-panjakana tamin'ny taona 2016 ny mpitarika ny AKP (Antokon'ny Fampandrosoana sy ho an'ny Rariny) tao Torkia mba hanamarinana ny fanalana ny governemanta tsy mpandala ny mahazatra sy hanafoanana ny sisa tavela amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fampitam-baovao tsy miankina ao amin'ny firenena.

Mbola ao anatin'ny fepetra ho an'ny “fepetran'ny hamehana” izay manome ny fahefana malalaka ho an'ny sampan-draharaha fiarovana ny firenena  .

Namaly ny tantara tao amin'ny Abaher, nisioka ny iray tamin'ireo mpisolovava malaza indrindra tao Torkia, hoe:

Ato amin'ity firenena ity, azo lazaina ho mpampihorohoro amin'ny fotoana rehetra avokoa ny olona rehetra. Eny fa na dia ireo izay miaro fotsiny ihany ny zo hiaina sy honina aza.

Ireo olona nanolotra ny ainy ho fiarovana ny zon'olombelona ireo olona voalaza ato amin'ity tantara ity. Ho avy ny andro hijoroan'izy ireo ho an'ny zon'ireo izay ao ambadik'ireo tantara ratsy ireo.

Nandoto ireo mpiaro ny zon'olombelona ho “mpitsikilo” ny fampahalalam-baovao Tiorka mpomba ny governemanta – lainga izay efa hitantsika imbetsaka teo aloha

Ny alina mialoha ny fitsidihana nataon'ny Solontena Manokan'ny Vondrona Eoropeana Johannes Hahn ny 6 Jolay tany Ankara mba hiresaka momba ny fangatahan'i Torkia hiditra ho mpikambana, taorian'ny antson'ny parlemanta Eoropeana hanaovana ny fampiatoana ny fifampiraharahana no nitranga ny fisamborana .