
fisarihana mpizaha tany hafahafa ataon'ny japoney. Loharanon-tsary: mpisera Twitter@onoboy2011 [2]
Lasa fisarihana mpizaha tany eny amoron'arabe somary hafa kely sady mampihoron-koditra ny fanafihan'ny orsa ratsy indrindra niseho tao Japana.
Tamin'ny taona 1915, (Taisho 4 [3]), nanafika ny tanànakelin'i Rokusensawa tao Sankebetsu [4] ny orsa Japoney miloko volontany (higuma [5], na Ursus arctos lasiotus), tafiditra ao anatin'ny faritanin'i Tomamae [6] ankehitriny io tananakely io, any amin'ny 100 kilometatra avaratra andrefan'i Sapporo, ambonivohitra lehibe indrindra any amin'ny nosy Hokkaido.
Namono olona miisa fito ilay orsa izay fantatra tamin'ny hoe Sankebetsu Brown Bear Incident [7] (Ny raharaha orsa volontany tao Sankebetsu) taty aoriana. Nikasa ny hanohana ity faritra manan-tantara mahatsiravina ity tamin'ny alàlan'ny famoronana ny “lalan'ny orsa” sy ny famerenana indray amin'ny antsipiriany ilay fanafihan'ny orsa ny kaominin'i Tomamae.
Naneho matetika ny fisalasalany tao amin'ny media sosialy ny mpitsidika an'i Tomamae.
旅先の記録:北海道苫前町の「ベア・ロード」の案内。名称の由来はこの道路の末端にある三毛別集落で100年ほど前に起こったヒグマによる獣害事件にちなむ。なので、こんなほんわかした熊の絵は適切ではないように思うのだが。 pic.twitter.com/5OhZsivNJ1 [8]
— (んや) (@shidaeu) May 9, 2014 [9]
Ny famantarana ny “Lalan'ny orsa” any Tomamae, prefektioran'i Hokkaido. Tondroin'ny famantarana ny tanànakelin'i Sankebetsu nahitana ny fanafihan'ny orsa 100 taona lasa izay. Tsy fantatro aloha raha toa ka mifanandrify amin'izany tokoa ny sarin'ity orsa mafana fo sady sariaka eto.
今日は朝から海沿いへドライブに ((=(*゚▽゚)ノ 以前から見学したいと思ってた苫前の町にある『三毛別ヒグマ事件』大正4年 の資料館。吉村昭さんの歴史小説「羆嵐」で題材に、その後映画化もされてます。ベアロードって‥可愛い(苦笑) pic.twitter.com/NxSx0CgNo5 [10]
— La mere yumi粉 (@Lamereyumi) July 25, 2014 [11]
Nandeha fiara teny amoron-dranomasina aho tamin'ity maraina ity. ((= (* ゚ ▽ ゚) ノ Afaka nitsidika ny Mozea tao Sankebetsu nahitana ny trangan'ny orsa volontany, izay efa niriko hatao hatrizay. Natao ho fototry ny tantara fohin'i Akira Yoshimura [12] mitondra ny lohateny hoe “Fanafihan'ny orsa” (羆嵐 [13]), izay navadika ho sarimihetsika taty aoriana ny fanafihan'ny orsa teto.
Inoana fa ny Lalan'ny Orsa dia ……….mahafinaritra/maneso
Raha jerena toa mahafinaritra ilay Lalan'ny Orsa, nitatitra kosa ny mpitsidika fa toa maloka ny fanorenana indray ny fanafihan'ny orsa :
道北に行ったら必ず寄ると決めていた場所の一つ、三毛別ヒグマ事件復元現場。町の中心部から20kmかつ未舗装路も残っていて雰囲気はめっちゃある。というか、普通に怖い! pic.twitter.com/lT1yNUu5BF [14]
— りょたろ (@onoboy2011) September 12, 2014 [2]
Nisy toerana iray nokasaiko manokana tsy maintsy ho andalovana raha toa ka mandalo ao Hokkaido aho: ny mozean'ny fanafihan'ny orsa ao Tomamae. Any amin'ny 20 kilometatra miala ny tanàna ilay mozea, mandalo amin'ny lalana fambolena tranainy iray izay mbola mitahiry tanteraka ny rivo-piainana tamin'izany fotoana rehefa nanafika ny tanànakely ny orsa. Azo lazaina ihany koa fa mampatahotra ilay fitsidihana!
Tena mampihoron-koditra kokoa ny endrika anatin'ny fampiratiana:
『三毛別ヒグマ事件』とは。 クマに襲われた事件のことです。怖いです。 pic.twitter.com/tC1krMGEGU [15]
— しょうちゃん (@Sho0148) June 2, 2014 [16]
Niseho ny tranga tao Sankebetsu momba ny Orsa Volontany rehefa nisy Orsa Volontany goavana iray nanafika ny tanànakely. Tena mampatahotra izany.
Manasongadina ny zava-nisy amin'ny endriny tena izy ny fanafihana indray ny mozea, izay nitranga nandritra ny alina roa samihafa. Nosokafana tamin'ny taona 2001 izany, ary izany no fikasana nataon'ny governemanta tao an-toerana mba hitadiavana tombontsoa miaraka amin'ny boky sy ny sarimihetsika malaza sy mba hisarihana mpizaha tany ho any amin'ny vondrom-piarahamonina mitoka-monina any Japana.
Voasokajy ho anisan'ny karazam-biby marefo ankehitriny ny orsa volontany raha toa ka nalaza tany avaratra atsinanan'i Azia izany fahiny, hatrany Kamchatka ka hatrany Hokkaido.