- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: Ny Popcorn Shinoa Mipoaka

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 1 Febroary 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

[1]

cc-by-sa Bunchofgrapes

Nivezivezy tao amin'ny aterineto ny lahatsarin'ny teknika shinoa fanamboarana popcorn. Na dia vokatry ny fipoahan'ny voa-katsaka (amin'ny feo ping sy pop) izay mandeha tsy ankijanona aza ho an'ny maro ny popcorn ; any Shina kosa, feo hafa (bang) mipoaka no hahenoana ny fikarakarana izany.

Chinese man using popcorn hammer to pop corn [2]
Ny Milina Puff [2]avy amin'i Augapfel [3] CCBY [4]

Mampiseho ny “maritoa”-n'ny popcorn eo am-piasana ity horonantsary ity [5] , ary raha vantany vao maheno ilay karazana fipoahana (boom) ny olona, dia mirohotra manakaiky izany miaraka amin'ny vilia baolina sy ny vilaniny mba hividy popcorn:

Niteraka fanehoan-kevitra fahatsiarovana [6] avy amin'i shanghaied  ny lahatsary [7] nozaraina tao amin'ny bilaogy BoingBoing [8]

Ah, it's all coming back to me now, my childhood in China during the 1980's. It was always the same old man on a trike, and the throng of children who was there as much for the popcorn as for the little explosions and clouds of escaping steam. Each little plastic bag sold for 10 cents, and for 50 cents he will pop a whole can with the corn or rice that you brought yourself. It always amazed me that a couple of litres of corn at the bottom of a sack would fill it to the brim after popping.

Ah, mampatsiahy ahy ny fahazazako tany Shina nandritra ny taompolo 1980 izany. Nisy tahaka io lahy antitra io foana mitaingina bisikileta telo kodiarana, ary manodidina azy ny forongon'ankizy tonga hijery ny popcorn sy ny fipoahana kely ary ny rahona avy amin'ny setroka mivoaka. 10 cents no vidin'ny harona plastika kely tsirairay, ary mahazo boaty iray feno katsaka na vary izay nentinao ny 50 cents. Gaga dia gaga hatrany aho fa ny voa-katsaka roa kilao monja eny amin'ny vodi-kitapo dia mahafeno izany hatreny amin'ny vavany rehefa vita ny popcorn.

Ary ato anatin'ity lahatsary ity ihany, nanazava ny siansa [9] ao ambadik'io teknika io ny mpaneho hevitra iray:

Popcorn pops because the pressure on the inside exceeds the pressure on the outside of the hull. Heating it inside a sealed container forces the pressures to be equal until the door is opened and the pressure on the outside of the hull drops dramatically, making all the kernels pop at the same time. Simple science/engineering.

Mibontsina sy mipoaka ny popcorn noho ny tsindry ao anatiny sy eo ivelan'ny akora. Rehefa hafanaina ny voa-katsaka ao anaty vata mihidy dia manosika ny fanerena hitovy mandra-panokatra ilay vata izany ary midina tampoka ny fanerena eo ivelan'ny akora, ka mahatonga ireo voa-katsaka hipoaka miaraka avokoa. Siansa tsotra/hevitra injeniera.

Angamba toy ny dokambarotra ilay fipoahana :  tonga avy hatrany ianao hividy popcorn vaovao sy vao mafana raha vao renao izany. Kanefa raha toa ka tsy nandre ilay fipoahana ianao, dia ho fantatrao ihany izany rehefa renao ny feon'ny fanairan'ny fiara :

Hita tany Japana ihany koa ilay teknika, fa tamin'ity indray mitoraka ity [10] kosa niaraka tamin'ny vary (riz soufflé) fa tsy ny fanaovana popcorn:.