23 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 23 Avrily 2018

Anatin'ny Mason'ny Tafiodrivotra: Miteny Ireo Bilaogera Ao Bangladesh

Namoaka ny fihetseham-pony manoloana ilay rivodoza Sidr, izay nandravarava ireo morontsiraka atsimon'i Bangladesh, ireo bilaogeran'ny Nari Jibon. Vakio ny tantaran-dry zareo momba io loza io, ny faharetany ary ny ezaka fanarenana nataony. Vakio ihany koa ny fiofanana farany nataon'izy ireo momba ny Lahatsary sy ny kamerà dizitaly.

23 Avrily 2018

Kazakstàna: Tsangambato, Toekarena, Fananahana sy Haino Amanjery

Tsy dia mafana loatra amin’ny firesahana momba ny korontana misy ao amin’ny governemanta ofisialy ny tontolon’ny bilaogy ao Kazakstàna. Nanjary lasa lohahevitra malaza indrindra ho azy ilay fialantsasatra mahazatra amin’ny volana May, kanefa maro ihany koa ny olana hafa notaterin'ireo bilaogera.

23 Avrily 2018

Kazakstàna: Fihenjanana Ara-poko sy Fanamaivanana ny Maha Izy Azy

Firenena iray matetika mihambo ho mandefitra ny firaisam-poko sy ny fahasamihafan'ny finoana i Kazakstàna. Tsy ny rehetra anefa no mieritreritra fa endrik'i Kazakstàna maoderina io, satria miseho eny amin'ny fiainana andavanandro ny fihenjanana madinika eo amin'ny foko ary manjaka ao anatin'ny rafi-panjakana ny teratany Kazaka.

23 Avrily 2018

Lahatsary: Ny Popcorn Shinoa Mipoaka

Nivezivezy tao amin'ny aterineto ny lahatsarin'ny teknika shinoa fanamboarana popcorn. Na dia vokatry ny fipoahan'ny voa-katsaka (amin'ny feo ping sy pop) izay mandeha tsy ankijanona aza ho an'ny maro ny popcorn ; any Shina kosa, feo hafa (bang) mipoaka no hahenoana ny fikarakarana izany.

23 Avrily 2018