- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etazonia: “Voices without Votes” mijery ny adihevitra

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

(Tsara ny manamarika fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2008 nandritra ny fifidianana tany Etazonia ny lahatsoratra teny Anglisy)
Voices without Votes, Americans vote, the world speaks [1]

Mety tsy afaka mahita an'i Rosia any amin'ny misy anao ianao [2], saingy rehefa miditra ao amin'ny tranonkalan'ny fifidianana Amerikana, Voices without Votes  [3]an'ny Global Voices ianao, dia azonao antoka fa afa-mamantatra zavatra betsaka momba izay lazain'izao tontolo izao mikasika ny adihevitra androany alina eo amin'ny kandidà filoha lefitra Amerikana, Sarah Palin sy Joe Biden ianao.

Nampitombo ny sehatra fitiavana te halalala amin'ny ankapobeny ny zavatra tsy nampoizina nataon'ny kandidà Repoblikana, Sarah Palin avy any Alaska.

Mampiseho ny fomba fijerin'ireo bilaogera tsy Amerikana sy mpitady ravinahitra andro iray mialoha ny adihevitra ny lahatsoratra roa ao amin'ny Voices without Votes. Ao amin'ny “Debate Watch: What is Sarah Palin Getting Into? (Jery Adihevitra: Inona no idiran'i Sarah Palin? [4] Hoa Quach manonona ireo bilagera manohana sy manohitra ny kandidà Repoblikana.

Bilaogera Israeliana, Sultan Knish nilaza hoe [5]:

“Palin has suffered from hysterical overreactions on both sides. Hysterical hatred from liberals and hysterical adoration from conservatives and now a hysterical backlash from some conservatives. She has an interesting story, but she isn't superhuman, she can't fly or change the nation in 5 minutes. Like every Governor who wends his or her way to the White House, she'll need time to learn and adjust, but she has proven that she's capable of taking on big jobs, which frankly is more than Obama has proven.”

Niaritra ny fanehoan-kevitra tafahoatra avy amin'ny andaniny sy ankilany i Palin. Fankahalana mamaivay avy amin'ny liberaly ary fideràna mamaivay avy amin'ny mpandala ny nentim-paharazana ary ankehitriny famaliana mivaivay avy amin'ireo mpandala ny nentim-paharazana sasany. Manana tantara mahaliana izy, saingy tsy olona mahery, tsy afaka manidina na manova ny firenena ao anatin'ny dimy minitra. Tahaka ny governora tsirairay izay manohy ny diany mankany amin'ny Trano Fotsy, mila fotoana hianarana sy hanitsiana izy, saingy efa nanaporofo fa afaka mandray andraikitra goavana izy, izay betsaka kokoa noho ny nasehon'i Obama. “

Mandritra izany ao amin'ny Voices without Votes ihany, mizara rohy amin'ireo bilaogera miresaka momba ny kandidà Demokraty Joe Biden ao amin'ny “Jery Adihevitra: Inona no toherin'i Joe Biden?” [6] i Jillian York.

Bilaogera Espaniola-Amerikana, Claudia, manoratra ao amin'ny PoliGazette, hoe:

At this point, the VP debate is creating the expectations of a monster truck rally. It will be watched purely for the spectacle, to see big cars errupt in flames. The narrative is basically set in stone that this VP debate exists to see if Biden can actually achieve putting his whole leg in his mouth and to see if Palin can actually achieve speaking for upwards of an hour without saying anything coherent.

Amin'izany, miteraka fanantenana ho an'ny fihaonan'ny kamiao goavana ny adihevitry ny Filoha Lefitra. Hojerena fotsiny ho fampisehoana izany, mba hijerena fiara goavana mamoaka afo. Napetraka ho tantara ny fitantaràna satria misy ity adihevitry ny Filoha Lefitra ity hijerena raha mahavita  mampiditra ny tongony manontolo ho ao ambavany i Biden sy hijerena raha mahavita miteny zavatra mety mandritra ny adiny iray mahery ao anatin'ny firindrana tsara i Palin.

Tamin'ny volana lasa, nanangona lahatsoratra maherin'ny 800 avy amin'ireo bilaogera manerantany manoratra momba ny fifidianana ny Voices without Votes.

Androany, nanoratra momba an'i Palin sy ny “fiarovana ny lokomena” [7] ny bilaogera iray any Nouvelle Zélande. Margot the Marrakesh Mystic kosa nanamarina ny karatra astrôlôjia Shinoa [8] an'ireo kandidà roa ho filoham-pirenena lefitra, ary ny bilaogy England for Obama indray nilaza fa tokony hijery paikadim-panafihana [9]amin'ny adihevitra androany alina ny kandidà Demokraty Biden.

Herinandro vitsy monja alohan'ny fifidianana amin'ny volana Novambra, miara-mivondrona mba hanaparitaka ny teny momba ny tranonkala  amin'ny anaran'ny fifanakalozan-kevitra manerantany ireo bilaogera Voices without Votes.

Manasa ny mpamaky mba hividy t-shirt sy sticker  [10]ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices ao Maraoka, Jillian York [11]. Mpanoratra Libaney, Nash Suleiman [12] kosa nanao ity horonantsary ity (sy ity iray ity [13]) mba hanao dokambarotra ho an'ny tranonkala:

Miaraha aminay ao amin'ny Facebook [14] syTwitter [15] (indrindra raha hisioka momba ny adihevitra ianao!), ary tsidiho ny tranonkalan'ny mpiara-miombon'antoka aminay [16] izay mitantara ny fifidianana amin'ny fomba fijery samihafa araka izay azo atao.