- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etazonia: Guantanamo An-Tanindrazana

Sokajy: Amerika Avaratra, Karaiba, Etazonia, Saint Lucia, Fifindràmonina, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volona Oktobra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nivadika ho nofiratsy ho an'ireo mpifindramonina an'arivony manana taratasy sy tsy manan-taratasy ara-dalàna ao Etazonia ny nofinofy Amerikana, satria nampidirina am-ponja mandritra ny volana sy taona maromaro ao amin'ny tranom-pihazonana mpifindra-monina  [1]manerana ny firenena izy ireo, miandry ny fitsarana sy ny fandroahana azy ireo, kanefa tsy nanao heloka bevava mihoatra noho ny fanitsakitsahana ny lalàm-pifamoivoizana na heloka tsotra.

Mampiasa lahatsary mba hampisehoana ny tsy rariny atrehin'ireo mpifindramonina marobe nogadraina sy ny fianakavian'izy ireo ny lalao vaovao antserasera ifarimbonana avy amin'ny Breakthrough [2] fikambanana iray misahana ny zon'olombelona. Ao amin'ny lalao Homeland Guantanamo [3], mandray ny  anjara toerana mpanao gazety iray miezaka mahazo vaovao misimisy kokoa momba ny tena fiainan'ireo gadra maty tany am-pihazonana ireo mpilalao.

Amin'ny alalan'ny fiseraserana ao amin'ny tranom-pihazonana iray amin'ny endrika 3-D [telorefy], sy ny fijerena lahatsary ahitana antsafa ifanaovana amin'ireo gadra tena izy, misafidy valinteny ireo mpilalao no sady mamantatra ny zava-misy mila fantarina momba ny tsy rariny atrehin'ny mpifindra-monina tafiditra ao anatin'ny rafi-pitsarana toa natao handroahana olona betsaka araka izay tratra .

Manasongadina vehivavy avy ao Saint Lucia [4] izay manan-janaka vavy 17 taona migadra mandritra ny 3 taona rehefa voasambotra sy nampandoavina onitra noho ny fifohana rongony raviny ny iray amin'ireo horonan-tsary ao amin'ny lalao.

https://youtube.com/watch?v=YmqC5QpWOCQ

Loharanon'aingam-panahy nahatonga ny lalao Homeland Guantanamo  ny lahatsoratra an-gazety iray tao amin'ny New York Time miresaka mpanjaitra iray 54 taona avy ao Ginea izay maty tao an-trano fihazonana tao New Jersey [5].

Raha vantany vao voavaha ny mistery any amin'ny faran'ny lalao, dia asaina mijery ny “zaridaina fahatsiarovana” natokana ho an'ireo rehetra namoy ny ainy ireo mpilalao ary afaka mandefa fanehoan-kevitra, manoratra ny fijoroany vavolombelona manokana na mampiditra sary.

Feo antserasera ho an'ny tsy afaka miloa-bava

Nanombatombana [6] ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona fa maherin'ny 300.000 ny olona voaraoka avy ao Etazonia noho ny heloka madinidinika tsy misy herisetra (raha ampitahaina amin'ny 140.000 noho ny heloka feno herisetra) hatramin'ny taona 1996.

Tsy dia misy ny fanentanana ny vahoaka momba ity olana ity any Etazonia, na eo aza ny zava-misy fa lehilahy sy vehivavy miisa 87 [6] no maty tany amin'ny toeram-pihazonana teto nanomboka tamin'ny taona 2003.

Tamin'ny herintaona, afa-niantsafa tamin'ireo mponina maharitra ara-pitsarana ao amin'ny toeram-pihazonana iray hanaovana lalao an-tsolosaina hafa mitovy tanjona, antsoina hoe I.C.E.D. (“I Can End Deportation”)  [7](Afaka mamarana ny fandroahana aho”) ny Breakthrough.

Mpikatroka maro hafa manao fanentanana ho an'ny mpifindra monina any Etazonia no nitodika tamin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra an-tserasera ihany koa mba hampiely ny fampahafantarana.

Tao LaGrange, Georgia mpikatroka kristiana Anabaptista [8] namorona ity horonantsary ahitana ny hetsi-panoherana manoloana ny toeram-pitazonana mpifindra monina ahitana voatazona maherin'ny 1000 (avy amin'ny Young Anabaptist Radicals [9]) ity.

Ao amin'ny bilaogy ho an'ny fikambanana, One America with Justice for All (Amerika iray miaraka amin'ny rariny ho an'ny rehetra), manasa ny olona hamaky ny tatitra [10]momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao amin'ny tobim-pigadrana iray ao Tacoma, Washington i Pramila Jayapal, hoy izy:

I believe America is so much better than this. And I believe that most Americans, if they knew what was happening in their name at our detention centers across the country, the would stop this injustice. Most Americans want people to be treated fairly and humanely.

Mino aho fa tsara lavitra noho izao i Amerika. Ary mino aho fa hampitsahatra ity tsy rariny ity ny ankamaroan'ny Amerikanina, raha fantatr'izy ireo ny zava-nitranga natao tamin'ny anaran'izy ireo ao amin'ny toeram-pamonjàna manerana ny firenena. Maniry ny handraisana ny olona amin'ny fomba rariny sy maha-olona ny ankamaroan'ny Amerikanina.