Fampahafantarana ny lahatsarin'ny Global Voices ao amin'ny Facebook – Ampio izahay hanaparitaka ny tontolon'ny GV amin'ny alàlan'ny fizaranao izany !

(Marihina fa tamin'ny 5 May 2016 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Screen Shot 2016-05-05 at 11.12.49 AM

Angamba efa mety nahamarika izany tao amin'ny famahanam-baovaon'ny Facebook ny sasany taminareo… nanomboka namokatra horonantsary fohy avy amin'ny tantaran'ny Global Voices izahay tamin'ny volana May 2016 !

Ny hampahafantatra ny tantaran'ny GV amin'ny mpihaino maro kokoa no tanjon'ireny lahatsary ireny. Ary afaka manampy anay amin'izany ianao amin'ny alàlan'ny fizaràna ireo lahatsary ireo ao amin'ny faribolana misy anao.

Tsy mampiseho ireo lahatsoratra rehetra avoakan'ny Global Voices ao amin'ny pejinay ny Facebook ; mpankafy miisa 1.500 eo ho eo fotsiny no azon'ny ankamaroan'ny lahatsoratra GV. Saingy ny vaovao tsara dia ny fitomboan'izany isaky ny manao ‘ekeko’ na ‘zara’ ny tantara GV iray ianao. Ary matetika ary izany no efa nahatratra mpamaky miisa 100.000 mihitsy.

Miangavy anao mba hanampy amin'ny fanelezana ny tantaran'ny GV amin'ny alalan'ny ‘ekeko’ sy ny ‘zara'!

Namokatra horonantsary miisa efatra izay navoaka tao amin'ny Facebook izahay tamin'ny volana May 2016. Nahazo jery pejy mihoatra ny 41.000 izy ireo tao anatin'ny 10 andro.

1. Navotsotra i Atena 
Nosoratan'i Tori Egherman

2. Izaho no Chut Wutty
Nosoratan'i Mong Palatino

3. #NyHerisetraNahazoAhyVoalohany
Nosoratan'i Elizabeth Rivera ary nadikan'i Lindsey Mulholland

4. Filipina, aza adinoina ny didy jadon'i Marcos: nosoratan'i Mong Palatino .

Any an-trano no miasa sady vitsy ny ekipa mpamokatra ato aminay. Amin'izao fotoana izao, lahatsary 1 na 2 isan-kerinandro ihany no azonay vokarina. Fidinay ireo tantara mifototra amin'ny votoatim-pampitam-baovao marolafy sy ireo tantara izay azo avadika ho teny miisa 100.

Raha manam-pahaizana matihanina amin'ny famoahana lahatsary ianao sy manam-potoana 4 ka hatramin'ny 6 ora isan-kerinandro, ary te hanampy amin'ny famokarana ny horonantsarin'ny GV, dia miangavy anao mba hifandray aminay.

Zarao amin-kafaliana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.