- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nepal: Miomana Hiresaka Am-pilaminana ny Demôkraty sy ny Maoista

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Mey 2006)

Taorian'ilay fahombiazana makotrokotroky ny Rivopanovàn'ny Aprily, tsy nihetsika loatra ny fifanarahan'ny antoko fito ho an'ny sasany, saingy azo antoka fa nivoatra tsy tapaka izany. Nanaisotra ny maro tamin'ireo didin'ny mpanjakalahy, namaly ny fampitsaharana ady nataon'ny Maoista izy, ary vonona hikarakara resaka anaty fifanajana sy filaminana miaraka amin'ireto farany.

Manana lahatsoratra mitandahatra mahaliana ny United We Blog [1] momba ireo Maoista mipoitra amin'izao fotoana izao: Tonga ny Andron'ireo Namana Maoista I [2]II [3]III [4]IV [5], Mandritra izay fotoana izay dia tohizan'ireo Namana Maoista ny Fakam-bola an-keriny sy ny Fangalarana ary ny Fidarohana [6], Resaka teo aminà Maoista Mpiady anaty Akata sy ny Miaramila Iray [7], Ireo Maoista Araka Ny Fahafantarako Azy – Tapany Voalohany [8], Fiaretan-torin'ny Maoista sy Hetsipanoherana ny Fitondran'ny Mpanjaka [9].

Manana rakipeo mitandahatra mirakitra ny sasany amin'ireo lahateny natao tany Kathmandu i Samudaya [10]: Gagan Thapa [11], Hari Roka [12], Ram Kumari Jhankri [13], Rajendra Rai [14]Krishna Pahadi [15]. Amin'ny teny Nepaley izy ireo.

Manana iray avy amin'ilay Maoista Fara Tampony, Prachanda, i Mero Sansar [16]. Amin'ny teny Nepaley ihany koa izy io.

Mampitandrina amin'ny Repoblika Tetezamitan'i Prachanda [17] i Democracy For Nepal [18].