- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misafidy ny Eso ireo Bilaogy Maraokana amin'ny teny Arabo, ary Sahy Miaro Olona Iray Nivadi-pinoana ho Kristiana ny CAIR

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fahalalahàna miteny, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2006)

Miatrika onjan-tsikera [1] (Arabo) vaovao hafa indray ireo bilaogera Maraokana nisafidy ny hanoratra bilaogy amin'ny teny hafa ankoatra ny Arabo. Fanontaniana tsy maintsy novalian-dry zareo tamin'ny herinandro lasa teo ny hoe “Nahoana no tsy manoratra bilaogy amin'ny teny Arabo ianao?” [2](rohy maty), ary araka ny voalazako taminareo tanatin'ny angona nataoko farany, maro tamin'izy ireo no nanamarina [3] (Frantsay) ny safidiny amin'ny teny [4] (Frantsay) fampiasany. Noho izany, androany isika dia hitsidika ireo bilaogy Maraokana amin'ny teny Arabo, ary hiezaka hahafantatra bebe kokoa ny momba azy ireo. Hijery ny fomba fihetsiky ny tontolo Maraokana (Blogoma) manoloana ireo lohatenin-gazety ihany koa isika ary mazava ho azy fa hanana ny “Tora-po” fanaontsika mahazara.

Casablanca [5]…Anjely sa Devoly?

Tsy nanana olana mihitsy aho nitady ireo amin'ny teny Arabo noho ilay lisitry ny bilaogy Maraokana [6] (rohy maty) avaozina isanandro natolotr'i Larbi.
Ny tsikaritro voalohany dia vitsy ry zareo ao amin'ny Blogoma no misafidy ny teny Frantsay, satria na ny amin'ny teny Anglisy aza dia vitsy kely!

Maneso i Issam. Ary tsikera maneso [7] (rohy maty) ny fomba fanararaotan'ireo mpitandro filaminana Maraokana sasany ny toerany mba handrahonana ny olompirenena “salantsalany” ny lahatsorany farany.

Maheno bebe kokoa momba ny vahaolana ara-pôlitika nifanarahana ho an'ny fifandirana ao Saharà isika, ary maneho ny heviny [1] (Arabo) manoloana ity fizotran-javatra vaovao ity i hjiouj ao anatin'ny bilaoginy antsoina hoe M.S Hjiouj [8] (Arabo).

Zatra nitory izay rehetra miresaka momba ny fahaleovantenan'i Saharà i Maraoka…Rahampitso, izay rehetra mandà ny hevitra mety hahaleo tena an'i Saharà no hotoriana…!

Leo an'ity tsy fandriampahalemana sy “fahalotoan'ny fitondran-tena” [9](Arabo) ao Casablanca [5] ity i Legnaoui, ary manoratra momba izany amin'ny teny Arabo miaraka amin'ireo ohapitenenana sasany amin'ny tenimparitra Maraokana.

I Casablanca no fotodresaka goavana anatin'ny World of Ihsan Baghdadi [10] (Arabo), bilaogy iray hafa. Ary mbola sady tiana no hala ihany ity tanàna ity. Antsoina hoe tanànan'ny fifanoherana [11] mihitsy aza izy io.

Bilaogy mahafinaritra saingy karakaina ny Lalla Nisrine the lion's heart [12] (Arabo). Ary tena mahavariana izany satria nahazo loka iraisam-pirenena [13] (Arabo) ho “safidin'ny mpamaky” izy io.

Inona no atao hoe helo?

Manoratra momba ny Zaikaben'ny Sivily Arabo Andiany Faharoa izay naneho ny fahadisoam-panantenany manoloana ny tsy nahavitan'ny ankamaroan'ireo firenena Arabo [14] “nanaja ny toky nomeny momba ireo fanavaozana ara-pôlitika” i Samir.

Na izany aza anefa, antsoina anatin'ilay fanambaràna farany navoaka tao Bahrain omaly ireo governemanta Arabo rehetra hanala ireo famerana rehetra momba ny lalàna sy ny fitantanana napetraka teo amin'ny fananganana sy fandrindràna ny fikambanana tsy miankina amin'ny fitondràna, ny fiombonana eo amin'ny varotra sy ny sendikan'ny mpiasa ary ny antoko pôlitika.

Mitehaka ilay fahapahankevitry [15] ny CAIR hangataka ny famoahana [16]an'i Abdul Rahman [17], Afghana nivadika ho Kristiana, i Jallal.

Iray amin'ireo olana goavana mbola mila vahan'ny tontolo Silamo ny fivadiham-pinoana. Maro ireo Silamo mankahery ny fivadihan'ny olona vaovao ho Silamo ary, etsy ankilany ihany, manohana ny hevitra fa tokony homelohina ho faty ireo Silamo mandà ny finoany! Misy olana ny tsy firindran'ny toejavatra eto.

Te-hahalala bebe kokoa momba ny paradisa sy ny helo, momba ny finoany, i soumiaz. Na izay ataony fa azony antsoina hoe, finoany [18].

Silamo ny tenako nefa tsy manana ny valinteny amin'ny fanontaniana sasany apetrak'izy ireo. Ankehitriny, apetrako eo amin'ny iray amin'ireo antony ao ambadiky ny olana sy ny fifanoherana mankarary anay ao anatin'ny tontolo Arabo ny fanondroko. Tsy ny Islam no ampiharinay, tsia –fantatro izany, farafaharatsiny–tsy nandalina tsara ny finoana tahaka ny ataon'ilay namako amin'izao fotoana izao aho. Nandova io finoana io aho saingy tsy naka fotoana mihitsy mba hananganako ny fahatakarako ny fitsipiny.

Tora-po

Bilaogy iray hitako ny herinandro lasa teo ny M.S Hjiouj [8] (Arabo) ary tena tiako izy io. Voalohany, heveriko fa manana ity endrika “asa soratra” ity izy izay mahatonga azy ho toerana feno hafanana. Faharoa, mahaliana ireo fotodresaka sy lahatsoratra misy ao ary ilay mpanoratra, izay mpanao gazety, dia manana fomba iray miavaka hanaovany ny lohatenim-baovao.

Manana bilaogy [19] (Arabo) ny The Moroccan Association for Human Rights (Fikambanana Maraokana Ho an'ny Zon'olombelona) ao Tetouan, ary tiako ilay hevitra -izay vaovao ihany ho anà fikambanana toy itony ao Maraoka- satria hanampy hanaparitaka izay vaovao na fizotran-javatra vaovao momba ny tontolom-piarahamonina sy pôlitika ao amin'ny faritra izany.