- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Laos: Fetiben'ny Hazakazaka Sambo

Sokajy: Azia Atsinanana, Laos, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2007)

Manamarika ny faran'ny fifadian-kanin'ny Bodista any Laos sy any amin'ireo firenena mifanila aminy ny fetiben'ny hazakazaka sambo. Namoaka lahatsarin'ilay Fetiben'ny Hazakazaka Sambo nifarana vao haingana [1] tao Pakse i Darly ao amin'ny vohikala Lao Voices. Tanàna iray ao amin'ny reniranon'i Mekong ao Laos Atsimo i Pakse, ary toeram-pivarotam-paritra goavana. Ity ny iray amin'ireo fizaràna.

Pakseboatracing -07
Nampiakarin'i Darly [2]

Manoratra fohy momba ny fahazazany ihany koa i Darly (ao anatin'ny faritra fametrahana fanehoankevitra), momba ny fomba nandaozany an'i Lao ho any Thailandy ambonina sambo tahaka ilay ray aseho ao anatin'ny Lahatsary.

Mamoaka sary i DJ ao amin'ny SaoLao ary manoratra momba ny fampiharan'ny reniben'ilay bilaogera ny Boun Ok Phansa – ilay faran'ny fifadian-kanin'ny Bodista [3](rohy tsy mandeha)

Tsy nanao zavatra goavana i Mamabe ho an'ny Boun Ok Phansa [4] ary nandany 50 dolara fotsiny nataony fanomezana kely miendrika fanoloran-tsakafo tany amin'ny tempoly nisy azy ny andro taorian'ilay Fetiben'ny Hazakazaka Sambo tao Pakse. Sahirana nanamboatra khao thom [5] ho an'ny Fanomezana Fanampiana hatao ny Maraina ireo nenitoako roa.  Koa satria tsy afa-mipetraka maharitra i mamabe rehefa miforitra ny lohaliny, tsy afaka nanatrika ny asa tany amin'ny wat (tempoly-monastera Bodista) izy saingy nomen'ireo nenitoako sy ireo zanany toky izy fa ho tonga any amin'ny tempoly ny lovia jobo misy ny fanolorany.

Tsakitsaky vita amin'ny vary madity sy tsaramaso mainty ary saronana ravin'akondro ilay khao thom tua dam voalaza etsy ambony. Manana toromarika an-tsary amin'ny fomba fikarakaràna ny Khao Thom [6] ny Laocuisine.la.