Taorian'ny fahamaizana namoizana aina tao Rosia, niteraka fahatezerana ny tsy firaharahiana sy ny fandotoana rindrina an-tserasera

Vladimir Putin nitsidika ny toeram-pahatsiarovana vonjimaika fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny fahamaizan'ny tsenambarotra Kemerovo, rehefa nitaraina momba ny tsy firaharahiana tamin'ny fihetsika ofisialy nataon'ny fanjakana manoloana ny  tranga mahatsiravina ny Rosiana// Sary: kremlin.ru. CC BY 4.0

Tamin'ny 25 Martsa, kilan'ny afo ny tsenambarotra lehibe iray tao Kemerovo, tanàna Siberiana ary nahafaty olona maherin'ny 60 – izay ankizy ny ankamaroany. Andro sy ora maromaro taorian'izany, nitsikera mafy ny fiadidiam-paritra sy ny fiadidiana ny tanàna noho ny fitantanana tsy nahomby ny krizy ireo mponina ao an-tanàna sy ny fihetsika miadana loatra tamin'ny firotsahana an-tsehatra voalohany.

Satria nidina teny an-dalambe sy niditra aterineto ireo mponina ireo, nifantoka tamin'ny fanamaivanana ny fahatezeran'ny mponina sy nanala tsiny ny mpiasam-panjakana ny milina raboto rosiana, nampifantoka izany ho toy ny resadresaka an-tokantrano. Mampiseho ny fomba fandraisana maneso sy matetika mahery setra ataon'ireo manampahefam-panjakana amin'ny fianakavian'ireo maty ihany koa ity fanentanana ity.

Satria nihamafana ny hevitra, na eny an-dalambe na an-tserasera, maro no mihevitra fa nitarika tamin'ny tontolon'ny fandisoam-baovao sy tsy fitokisana ny fampiasana mpandoto rindrina antserasera.

Tsikera momba ny fihetsika manoloana ny fahamaizana

Toa teo akaikin'ny kianja filalaovan'ny ankizy no nanombohan'ny afo ary niely haingana, ka nampihitsoka olona maro, anisan'izany ireo zaza am-polony hafa tao amin'ny trano fijerena sineman'ny tsenambarotra. Araka ny notaterina tao Meduza, tranonkala Rosiana any Letônia, nijoro nitazana tamintsy finoana ny hitan'ny masony ny fianakavian'ireo mbola tafahitsoka ao anatin'ny afo satria toa mbola nandany fotoana nanamboatra ny fitaovany ireo mpamonjy voina voalohany no sady manakana ireo mpitazana tsy hiditra ao anatin'ny tsenambarotra mba hamonjy ny zanak'izy ireo. Mety ho fomba fanao mahazatra ny manakana ny olona tsy niofana ho fisorohana ny loza, saingy tsy nanakana ny fahatezeran'ny olona izany. Na izany aza, ireo mpitarika ara-paritra sy ny mpitarika ny tanàna no tena niantefan'ny hatezeran'ny maro.

Naneho hevitra tao amin'ny Vkontakte, tambajotra media sosialy Rosiana malaza i Igor Vostrikov, ray aman-dreny misaona namoy ny anabaviny, ny vadiny ary ny zanany telo tao anaty afo. Olona maherin'ny 700.000 tamin'ny fotoana nanoratana no namaky ny hafatra nalefany ary nozaraina in-8000 teo ho eo:

Моей семьи больше нет. Виноват правящий режим в моей стране.
Каждый чиновник мечтает воровать как Путин. Каждый гос служащий относится к людям как грязи(так же как и его выше стоящее руковотство к нему,и ко всем кто ниже)
Назначат козла отпущения и закроют тему,а угрозы(халатное отношение, тотальная коррупция, спаивание и деградация населения никуда не денется!)
Путин так и будет сам всех лично(точечно) наказывать-Указ проверить все Т.Ц. ,а ведь у нас ещё есть много других заведений, есть просто ветхие дома старые больници- трагедии могут случиться где угодно!
27.03 в Кемерово состоится митинг с 9.00 на площади советов. Приходите ко скольки сможете.
Максимальный репост.

Lasa ny fianakaviako. Ny fitondrana ao amin'ny fireneko no tompon'andraikitra. Manonofy momba ny fangalarana betsaka araka izay tratra tahaka ny an'i Putin ny mpiasa birao rehetra. Tahaka ny fako no andraisan'ny mpiasam-panjakana tsirairay ny vahoaka (tahaka ny ataon'ny mpampiasa azy ireo amin'izy ireo, sy ny tsirairay eo ambany fifehezan'izy ireo). Hitady fialan-tsiny izy ireo ary hikatona ny raharaha, saingy tsy ho lasa aiza ny loza (ny tsy fitandremana, ny kolikoly rehetra, ny tsy firaharahiana ary ny fietren'ny olona)! Hanasazy ny tsirairay i Putin, ​​tahaka ny baiko hisavana ireo tsenambarotra rehetra, saingy manana toerana hafa isika, toy ny trano efa simba, toeram-pitsaboana antitra: mety hisy loza amin'ny toerana rehetra!
Hisy fihetsiketsehana amin'ny 03/27 amin'ny 9.00 ao amin'ny kianjan'ny Sovietika, Keremovo. Tongava araka izay azonao atao.
Aelezo araka izay tratra ity hafatra ity

Tsy navoaka ara-potoana ny tena isan'ny maty, raha tsy efa niha-tezitra ny havan'ireo maty, dia (nihatezitra) toy izany koa ny mponina tao an-tanàna. An'arivony no nitangorona tao amin'ny toerana sy fotoana voatonona tao amin'ny lahatsoratr'i Vostrikov tao amin'ny Vkontakte, ary maro no nitaredretra nandritra ny adiny folo.

Raha nanomboka nivorivory ny olona, ​​niha-nitombo be tampoka ny fisian'ireo polisy, nahatonga endrika mahatsiravina teo amin'ireo polisy sasany misahana ny rotaka izay midina ny fiara miaraka amin'ny kibay. Nahazo tsiny ho manao dokambarotra ny tenany amin'ny alalan'ny voina ihany koa avy eo ireo nanondro ny manampahefam-panjakana ho tompon'antoka – ka iray tamin'izany i Igor Vostrikov izay nanana fianakaviana iray manontolo kilan'ny afo.

Hita taratra tamin'ny hetsika antserasera ity fihetsika tsy mampino feno fankahalana miharihary sy mivantana ity. Nitatitra ihany koa ny Meduza fa feno “halako” sy fanehoan-kevitra mandrisika ny olona mba tsy ho maika amin'ny fitsaratsarana sy hanome tsiny ny tompon'andraikitry ny tanàna ireo lahatsary nahitana ny loza.

Matetika hita miaraka amin'ny fanoherana miharihary ny fanaovana “halako” marobe. Misalasala mikasika ny tarehimarika ofisialy “64 no maty” ny Rosiana sasany, ary nanomboka nanorisory azy ireo, niampanga azy ireo ho mandainga sy miezaka manodina ny zava-misy ny kaonty Twitter sasany.

Niroso tamin'ny doxxing kosa ny sasany, izany hoe mamoaka ny adiresy sy ny laharan-telefonin'ireo ireo olona nitsikera ny valintenin'ny tanànan'i Keremovo an-tserasera. Amin'ny ankapobeny, azo fantarina amin'ny anaram-bositra ampiasainy ireo raboto na ireo “marionety-ba kiraro” ireo (misy olona ao ambadiky ny kaonty mandrisika, na ny tahaka izany):

Mitandrema amin'ny anarana sy ny endrik'ireo kaonty [manondro ny anarana miavaka ananan'ny kaonty, izay anarana lava ifangaroana tarehintsoratra sy tarehimarika maro sy ny sarintavan'i Sergey Lavrov, minisitry ny raharaham-bahiny Rosiana], izay miampanga ireo mpanao fihetsiketsehana ao Kemerov ho “manao dokambarotra ambony taolan’ [ny maty] “#Ozinina Mpandoto Rindrina

Mety ho sarotra ny manaporofo fa misy ny fanentanana an-tserasera voarindra hamelezana ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, saingy tsy azo ihodivirana ny fisian'ny fanentanana tahaka izany hatry ny taona maro. Iray amin'ireo fampahalalam-baovao Tandrefana voalohany mampiseho ny tena marina mikasika ny fihanaky ny mpandoto rindrina antserasera tohanan'ny fanjakana ao Rosia ny Global Voices. Misy fantsona tsy mitonona anarana ao amin'ny Telegram, tolotra fandefasan-kafatra malaza ao Rosia, izay lazaina fa tantanin'ny mpiasa ao amin'ny iray amin'ireo orinasa mpandoto rindrina (raha nanatona azy ireo ny mpanao gazety, nandà ny fangatahan'izy ireo ny tompon'ilay fantsona, milaza fa noho ny tahotry ny fiarovana azy manokana). Nantsoina hoe “Fiaiken'ny Kremlinbot iray”, voalaza fa namoaka lahatsoratra toy izao tamin'ny 26 Martsa ilay mpandoto rindrina voalaza:

Да, ребят, нас реально заставляют писать комменты в поддержку правительства по ситуации в Кемерово.

Смещаем вину на отдельных личностей: застройщиков, администрацию, охрану.
Перекрываем настроения против власти. “Причем тут Путин? Он же не может всё контролировать!”
Это главная цель. Параллельно хвалим МЧС, пожарных, очевидцев, кто помогал, выражаем соболезнования.

Я не знаю, зачем им это всё, но ничего более омерзительного ещё не было.

Eny, ry zalahy, manery anay hanoratra fanehoan-kevitra manohana ny governemanta momba ny toe-draharaha Kemerovo izy ireo.
Nalefanay tany amin'ny olona isan-karazany tsiny: mpiasan'ny fananganana, ny fitantanana, ny mpiambina.
Manao izay hampivily lalana ny fihetsika manohitra ny governemanta izahay: “Inona no hidiran'i Putin amin'izany? Tsy afaka mifehy ny zava-drehetra izy! “
Izany no tena tanjonay. Mandritra izany fotoana izany, midera ny Minisitera misahana ny vonjy taitra, ireo mpamono afo [mpamonjy voina], ireo vavolombelona nanome fanampiana izahay, ary manome fiaraha-miory.
Tsy fantatro hoe nahoana izy ireo no mila izany rehetra izany, fa ity no zavatra maharikoriko indrindra nataonay.

Nanohy nanasoketa ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana mahery fo indrindra ny manampahefam-panjakana sasantsasany, niantso azy ireo ho mpanohitra ary nanizingizina fa nandray anjara tamin'ny fanoherana ny sitrapon'ny mponina izy ireo. Ny 28 Martsa, andro fisaonam-pirenena ofisialy, nilaza tamin'ny sampam-baovaom-panjakana RIA Novosti i Vladimir Chernov, governora lefitry ny faritra fitrandrahana arintany Rosiana ao Kuzbass:

Мы делаем выводы, что это была четкая, спланированная акция, направленная на дискредитацию власти… Очень много было “подогретой молодежи”… Люди присутствовали, совсем не понимая, что они там делают.

Nanatsoaka hevitra izahay fa ity [famoriam-bahoaka tao Kemerovo tamin'ny alatsinainy 26 martsa] ity dia hetsika miavaka, nomanina hanaratsiana ny manampahefana … Maro ireo tanora “mafana loha” .. Nisy olona tonga tao tsy mahafantatra akory ny zavatra ataon'izy ireo any…

Nampivily lalana izany fihetseham-po izany ny mpandoto rindrina, manameloka ny afo sy ny hetsi-panoherana naterak'izany, tamin'ny mpitsikilon'i Okraina, Fanjakana Mitambatra sy ny sampandraharaham-piarovana Tandrefana, mba tsy hampahomby ny fitokanana an'i Vladimir Putin amin'ny volana Mey.

Mety ho misy fahamarinana ny zoro Okrainiana amin'ity: nilaza izy fa ny tsaho momba ny tranom-paty ao Kemerovo feno faty mihoatra noho ny tarehimarika ofisialy 64 dia niniana nataon'i Dmitry Volnov. Niantso ny hopitaly ao Kemerovo ilay Okraniaina malaza mpananihany, ary niseho ho voalohany nirotsaka teny an-tsehatra, nilaza tamin'izy ireo mba hanomana filanjana marary sy toerana handraisana ireo faty miisa 300 farafahakeliny.

Niely haingana tao amin'ny tambajotra sosialy Rosiana ny tsaho, amin'ireo mpiserasera marobe mamoaka pikantsary avy amin'ny Whatsapp sy ireo fandefasan-kafatra malaza hafa izay nanonona ny isa 300+ tamin'ny isan'ny maty avy amin'ny “loharanom-baovao azo itokisana ao Kemerovo.” Efa nisy nijery in-113.000 farafahakeliny ny lahatsoratra tahaka izany tao amin'ny Yandex Zen, sehatra famoahan-dahatsoratra.

Tsy ny tsi-firaharahian'ny manampahefana rosiana manoloana ny alahelom-bahoaka ihany eo amin'ny lafiny fitantanana ny krizy no asehon'ny voina tao Kemerovo, fa eo ihany koa ny faharefoan'ny fiarahamonina manoloana ny mpandoto rindrina, na ireo tohanan'ny fanjakana izany na hery hafa ivelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.