Japàna: Nafaitra ve ny Beaujolais Nouveau?

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2007)

Koa satria niova ny daty tamin'ny sasakalina ny andron'ny alakamisy fahatelon'ny volana Novambra, misokatra ireo maivanaty saron'ireo tavoahangy Beaujolais Nouveau ary manomboka ny fety fankalazana – ao Japana. Ity no hetsika fanao isan-taona hatramin'ny taona 1980, vanim-potoana nisitrahan'ny firenena ny  toekareny miboiboika. Mitohy ny fomban-drazana, toy ny fihaonan'ny rehetra any amin'ireo toeram-pisakafoanana sy fisotroana mba hankafy ny fiainana hanandramana ny zava-pisotro vaovaon'ny taona, mialohan'ny hanaovan'ny sasany eto an-tany izany. Ireo sasany tsy misotro ilay divay fotsiny, fa mandro amin'io.

Beaujolais NouveauTamin'ny herinandro lasa, lohahevitra nalaza teny anivon'ireo blaogera ny fivoahan'ny Beaujolais Nouveau, anisan'izany i masakoski:

私もボジョレーヌーボー2007をまだ試飲していなかったので、近くのセブンイレブンで買ってきてもらい飲みました!
[…]
今年のボジョレー、美味しかった!

Tsy mbola nanandrana ny beaujolais nouveau 2007 aho, noho izany nilazako [ny rahalahiko] mba hividy an'io tao amin'ny 7-Eleven teo akaiky teo ary dia nisotro! […]
Natsiro ny beaujolais [nouveau] tamin'ity taona ity!

Na tsy y lehibe indrindra amin'ny mpanafatra ny Beaujolais Nouveau aza i Japana, nihena ny varotra. Manipika ireo antony samihafa mikasika io fironana io ireo blaogera.

Araka ny soratan'ny blaogera  tokorin25, manomboka mametraka fanontaniana mikasika ny kalitaon'io divay omena lanja tafahoatra io ny olona:

以前ほど日本でのお祭りが盛り上がらなくなったのも良くわかります。皆さんワインの味を覚えて来たからです。

Azo sainina ny antony nahavery ilay fanahin'ny fety fankalazana nanànana taloha. Satria efa hain'ireo olona ankehitriny ny tsiron'ilay divay .

Manoratra ny blaogera iray hafa hoe:

飲み放題といわれてもボジョレーそんなに飲めない。
おいしいわけじゃないしなぁ。薄いしなぁ。
普通の赤ワインのほうが断然おいしいんだけど、
「解禁」って言われるとなんだか飲みたくなるし、
なによりお祭りだから。収穫祭みたいなもんか。

Na dia io ihany aza no azonao sotroina, izaho tsy afaka misotro betsaka amin'io. Tsy dia matsiro akory, hainaoo. Mandranoka be ilay izy.
Hitako ho tena matsiro ny divay mena mahazatra, saingy rehefa mandre ny teny hoe “kaikin” aho, sahala amin'ny mamporisika ahy hisotro an'io, ary ambonin'ny rehetra, fankalazana io. Eritreretiko ho toy ny fetim-pinjinjàna vokatra io.

“Nivoaka ny Beaujolais nouveau 2007!: 600yen ny vera. 3.200yen ny tavoahangy” izay no vakin'ny soratra eo amin'ny trano fisakafoanana iray ao Tokyo.

Mizara ny esoesony mikasika ilay fombandrazana ity blaogera ity:

昔、ワイン通か何かの仲間が単なる遊び心で、誰が一番早くボジョレーヌーヴォーを飲むかを競う遊びをした事が、広まって今のようにブームになったのだ。
訳も分からず「解禁日のボジョレーはやっぱり旨いなぁ!?」なんてウンチクたれてる日本人を、その遊びを始めたヨーロッパのワイン通達が「バッカじゃないの。遊びだよ、あ・そ・び(笑)」と笑っているような気がしてならない。
クリスマスやバレンタインデーみたいに、日本人らしくていいけどね。

Efa nanomboka hatramin'ny elabe tany aloha izany, rehefa nanao lalao iray ireo vitsivitsy mpisotro divay mba hahitàna hoe iza no hahazo beaujolais nouveau voalohany indrindra, dia niparitaka sy fantatra amin'ny maha-izy azy ankehitriny ilay izy.
Tsy vitako ny tsy hisaintsaina an'ireo mpahay divay ao Eoropa izay nanomboka ny lalao, mahita an'ireo Japoney izay – amin'ny hevitra kely fotsiny – dia milaza fa “ny beaujolais amin'ny fotoana famoahana azy no tena tsara” ary lasa hoe ” vendrana ianareo, tsy fantatrareo ve fa lalao fotsiny io. L・A・L・A・O”
Sahala amin'ny Krismasy sy ny Andron'ny Mpifankatia, miavaka ho an'ny Japoney izany, ary ao tsara.

Sovversivo creazione, mpianatra amin'ny lisea iray, mizara ireo fijeriny:

11月の第三木曜日が解禁日なんだそうで・・・。
最近よく聞くけど、あれ、日本がほとんど買い占めてるらしいね、輸出品。

本当は現地では日本より全然安い価格で買えるのにね。
まぁ、豊かな国って感じがするけど、実際石油の値上がりでいろんなものが値上がりしててもーうちの家計大丈夫か?って心配してる高校生です。
いやだってさ、ふつーにいろんなものの物価が高くて・・・・。
[…]
やっぱ、新しいエネルギーの模索も必要だけど、豊かになりすぎた日本は節約、効率的エネルギーの使用方法を見直すべきなんじゃないの?

Toa ny Alakamisy fahatelo amin'ny volana novambra no andro namoahana azy…
Vao haingana no reko ny resaka betsaka mikasika azy io, nefa i Japana mividy ny ankamaroan'ireo naondrana.

Ny zava-misy, azonao amin'ny vidiny mora kokoa io any [Frantsa].
Eny, lazaina fa anisan'ny firenena manankarena izahay, nefa misondrotra ny vidiny noho ny fiakatry ny vidin-tsolika, ka mampanahy ahy ny amin'ny toebolam-pianakaviana.

[Ny tiako lazaina, lasa lafobe daholo ny zavatra rehetra…
[…]
Eritreretiko fa zavadehibe ny fitadiavana angovo vaovao, saingy ankehitriny ami'ny isika efa lasa diso manankarena loatra, moa ve tsy tokony hamerina haminavina indray ny fomba fitehirizana angovo sy ny fampiasàntsika angovo mamokatra i Japana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.