- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Bilaogera very asa noho ny famoahany ny mahasandoka ny tantaran'ilay fitaovana maha-virjiny hosoka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Raha mbola porofo ho an'ny voninahitry ny ampakarina ao Ejypta sy ny firenena Afovoany Atsinanana ny mandeha rà ny alin'ny fampakaram-bady, nandefa fandikan-teny Arabo tamin'ny dokambarotra Shinoa momba ny fitaovana Hymen maha-virjiny artifisialy ny Radio Netherlands [1]. Nanambara ny gazety Youm7 [2] fa ho hita eny amin'ny tsena Ejiptiana amin'ny LE 83 ny entana. Raha niandry izany hymen mahagaga izany ny vehivavy Ejypsiana mba hiditra amin'ny firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana, te handràra ny vokatra sy handefa an-tsesitany na hanapa-doha izay mpanafatra izany [3] kosa ireo mpikambana mpandala ny nentin-drazana ao amin'ny parlemanta. Nanomboka nanontany tena ny Ejiptiana raha hanomboka hanafatra Hymen Shinoa i Ejypta [4] ary voaraoka kosa i Amira Al Tahawi, izay niara-niasa tamin'ny Radio Netherlands tamin'izany fotoana izany noho ny famoahana fa lainga ny tantara hymen Shinoa namboarina.

Tao amin'ny bilaoginy, Amira Al Tahawi nanoratra [5] hoe:

نعم! ففي ٢٦ يناير ٢٠١٠ تلقيت رسالة بفصلي من عملي كمراسلة لاذاعة هولندا بالقاهرة بسبب مقال نشرته نهاية فاضحة وخلوها من أي أدلة علي رواج المنتج بالفعل في الاسواق الديسمبر الماضي حول مادة ملفقة نشرت بموقع الاذاعة في ٢٢ أغسطس ٢٠٠٩ عن “رواج غشاء البكارة الصيني” في العالم العربي، وأنه “مخترع ومصنوع خصيصا للمسلمات والعربيات” ، وكنت قد طلبت من الاذاعة تصحيح هذا الخطأ في رسالة – لازلت احتفظ بها – بتاريخ ١٤ سبتمبر ٢٠٠٩ وذلك بعد أن نشرت مواقع مصرية هذه الكذبة باعتبارها حقيقة – نقلا عن موقع سوري احال للاذاعة كمصدر – دون أن يكلفوا أنفسهم عناء قراءة المادة الأصلية وما بها من تجاهل لتاريخ المنتج الذي ظهر في اليابان منذ ١٩٩٣ ولم يخترع اويصنع تحديدا للمسلمات على يد الصين التي انتبهت لـ “شيزوفرانيا المسلمات والعرب والرغبة في اخفاء عدم عذرية النساء” كما جاء في المادة الركيكة التي نشرتها الاذاعة ودون حتى ان يقرأها أحد لتصحيح اخطائها.
Eny! Voaraoka aho noho ny lahatsoratra bilaogy navoakako tamin'ny Desambra lasa teo! Tamin'ny 26 Janoary 2010, nahazo taratasy fandroahana mamarana ny asako amin'ny maha mpitati-baovao ao amin'ny Radio Netherlands aho. Tao amin'ny lahatsoratra navoakako, nanaporofo aho fa namoaka vaovao diso tsy voamarina tamin'ny 22 aogositra 2009 ny onjam-peo, vaovao mikasika ny fampidirana “Hymen Artifisialy” Shinoa ao amin'ny tontolo arabo. Ny fampahalalam-baovao nalefan'ny Radio dia nilaza fa namboarina manokana ho an'ireo vehivavy Arabo sy Silamo ilay hymen hosoka, tsy mahalala ny zava-misy fa efa nisy tany Japana nanomboka tamin'ny taona 1993 ny vokatra ary tsy noforonin'ny Shinoa manokana izay nahatsikaritra ny areti-tsaina miavaka mahazo ny vehivavy Arabo izay mila manana maha-virjiny hosoka izany. Nangataka tamin'ny onjam-peo aho mba hanitsy ny fahadisoana misy amin'izany vaovao noforonina izany, izay nalefako mailaka tamin'ny 14 Septambra. Tsy nohainoana akory ny fangatahako ary vavahadin-tserasera Ejiptiana maro no nanaparitaka bebe kokoa ny lainga tsy nisahirana akory hanadihady ny zava-misy na ireo loharanom-baovao voalaza.

Bilaogera maro no nahita fa mampihomehy sy tsy rariny ny fanapahan-kevitra handroaka azy; Nawara Negm nanontany tena hoe [6]:

وهي لم تسئ للاذاعة الهولندية في حاجة، باي حق بيفصلوها من عملها؟ عموما هي رافعة قضية دلوقت
عايزين نصيح لها بقى يا شباب
Nahoana izy ireo no nandroaka azy? Tsy nanoratra zavatra manafintohina momba ny Radio Netherlands akory izy. Na izany aza, nitory azy ireo izy……andeha hanampy azy!

Eman Hashim kosa mitaraina momba ny fahamarinan'ny asa fanaovan-gazety, nanoratra izy hoe [7]:

ان الصحافة فى مصر بقى فيها كتير قاعدين فى بيوتهم بيعملوا من مواضيع و جروبات الفيس بوك اخبار ابقى مش ببالغ. اميرة دلوقتى مرفودة من مكان عملها و مانعين عنها حقوقها المادية و الأدبية
و كل ده عشان قالت لأة
اميرة نفسها كتبت كل التفاصيل بالروابط و التفاصيل و التواريخ هنا. يا ريت نعلى صوتها و نوصل قصتها للكل. اذا كنا بنلوم اللى بيسكت على سكاته , يا ريت نساعد اللى بيتكلم.
انشروا المواضيع فى كل حتة. عرفوا الناس حقيقة اذاعة هولندا القسم العربى و رد فعلها تجاه نشر خبر كاذب عندها. فين الامانة الصحفية؟ فين احترام القراء؟ فين احترامهم لنفسهم كاعلاميين؟ كان ممكن يطلعوا منها ببساطة و دون احراج نفسهم و يقولوا الموقع ضرب و الخبر اتنشر غلط. كان ممكن يعملوا اى حاجة … اى حاجة. لكن انهم يرفضوا التوضيح و التكذيب و يتكبروا يعترفوا بالغلط و كمان يرفدوا اللى قالت لأ … يبقى تهريج رسمى

Feno ireo lazaina ho mpanao gazety mamoaka vaovao sy mamorona “scoop” ao amin'ireo vondrona Facebook ny asa fanaovan-gazety ao Ejypta. Noroahina i Amira ary nolavina ny zony ara-bola sy ara-moraly satria nilaza izy hoe TSIA! Nanoratra ny antsipiriany tao amin'ny bilaoginy i Amira ka andeha hanome fanamafisana ny feony sy hamela ny tsirairay hahalala ny marina. Manome tsiny ny fahanginan'izy ireo izahay saingy tsy maintsy manome mikrô ho an'ireo manana feo. Izany ve no hitantanan'ny Radio Netherland ny vaovao diso? Aiza ny fahamarinan'izy ireo? Aiza ny fanajana ny mpamakiny sy ny mpihaino azy? Mety afaka namoaka fanitsiana mora foana na zavatra hafa izy ireo … na inona na inona. Mampalahelo ny tsy famoahany karazana fanazavana na fanamarinana saingy vazivazy ratsy kosa ny fandroahana mpanao gazety mahatoky noho ny famoahany raharaham-pitaka.

Dr. Mostafa El Nagaar nanoratra fiarovana an'i Amira, hoy izy [8]:

اميرة الان تتألم مما حدث لها وهي تدفع الثمن نظرا لوقفتها الشجاعة وانحيازها الي المعايير المهنية الاعلامية ، أميرة تدفع الأن ثمن موقفها النبيل للدفاع عن سمعة المصريات الذين تورط بعض أدعياء الصحافة وروجوا أن المصريات ينتظرن غشاء البكارة الصناعي وان الصين صنعته خصيصا للسوق المصري ، أستحي من هذا الموضوع وأكتب فيه بضيق لسخافته ولكن أدعوا كل امرأة مصرية أن تدافع عن انسانة تدفع الثمن دفاعا عن سمعة بنات بلدها ، ادعوا منظمات حقوق المرأة ان تتضامن مع اميرة بشكل عملي وفوري حتي تنال حقوقها المادية والمعنوية التي تم اهدارها بسبب موقفها الشجاع ، لا يصح ان تجد أميرة نفسها وحدها في مشكلتها التي هي صفعة علي وجوهنا جميعا ونحن نطلب مجرد الاعتذار ممن اساءوا لنساء مصر، ادعوا كل الشرفاء أن يقفوا مع فتاة مصرية انحازت للقيم والمباديء والوطن فدفعت الثمن

Mijaly noho ny voka-dratsin'ny fahaiza-miasa sy ny voninahiny i Amira. Mizaka ny voka-dratsin'ny fanajana ny etika amin'ny asa fanaovan-gazety izy. Mila olona hiaro azy amin'ny fomba niarovany ireo tovovavy Ejyptiana izy manoloana ireo mpisandoka fa miandry ny hymen hosoka hanafenana ny fahalotoam-pitondran-tenany ireo vehivavy ireo. Mandrisika ny vehivavy Ejyptiana aho mba hamaly ny fankasitrahana ary hiaro an'i Amira izay very asa. Mangataka ny fikambanana rehetra miaro ny zon'ny vehivavy aho mba haneho firaisankina amin'i Amira. Mangataka fialantsiny mazava amin'ny fomba ofisialy avy amin'ireo izay nandoto ny lazanay izahay ary mangataka ireo rehetra izay miteny amin'ny anaran'ny voninahitra aho mba hampiseho ny firaisankinan'izy ireo.

Nandefa fanamarihana tao amin'ny Facebook [9]ihany koa i Mostafa Fathi ary namoaka lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy [10] ho firaisankina amin'i Amira i Karim El Beheiry .

Tamin'ny volana Oktobra 2009, nanafatra fitaovana hymen i Mohamed Al Rahal ary nandefa sary tao amin'ny bilaoginy, araka ny voamarika tamin'ny tatitra tao amin'ny Global Voices teo aloha [11].