- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Nampiahiahy ny Fialan'ny IRI

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Etazonia, Fampandrosoana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)
IRI

Taorian'ny fanapahana ny fandaharana amin'ny radio [1] tao amin'ireo onjam-peo vahiny tahaka ny BBC, Voice of America sy ny Radio Free Europe /Radio Liberty ao Azerbaijan, ary koa ny didy fanasaziana ireo tanora mpikatroka lahatsary bilaogy tamin'ny herinandro lasa [2], no nilatsaka ny vaovao izay hitan'ny sasany fa fandrahonana hafa indray amin'ny dingana mihisatra mankany amin'ny demokrasia ao amin'ny repoblika sovietika taloha.

Nambara tamin'ny 3 Novambra fa tsy hanitatra ny asan'ny sampana eo an-toerana an'ny IRI intsony ny USAID. Ny antony ofisialy nomena dia satria tsy nanao fangatahana ny IRI, saingy naneho fisalasalana mikasika ity fanazavana ity ny maro tahaka ny fanazavan’ [3] ity fanehoan-kevitra tao amin'ny In Mutatione Fortitudo ity.

After an initial covering up by the Embassy (claiming IRI didn’t even submit a proposal to stay) more information came out in the press. It seems the US (more specifically USAID, a branch of the State Department that oversees development projects) is not cutting its budget for democracy programs, rather they are devoting all of them to the National Democratic Institute. It seems it is not a change in US foreign policy, but it has major foreign policy consequences, it seems they are not unhappy with IRI’s work, but they are destroying the very projects they have spent millions on to build.

Taorian'ny fitantarana voalohany nataon'ny Ambasady (milaza fa tsy nandefa tolo-kevitra mba hijanona ny IRI), fanampim-baovao maro no nivoaka tamin'ny gazety. Toa tsy nanapaka ny tetibolany ho an'ny fandaharan'asan'ny demaokrasia i Etazonia (na USAID raha ny marina kokoa, sampana ao amin'ny Departemantam-panjakana izay manaramaso tetikasam-pandrosoana), fa kosa nanokana izany rehetra izany ho an'ny Ivo-toeram-pirenena Demaokratika. Toa tsy fanovana amin'ny politikan'ny raharahambahiny Amerikana izany, saingy misy voka-dratsy lehibe amin'ny politikan'ny raharaham-bahiny, toa tsy faly tamin'ny asan'ny IRI izy ireo, saingy manimba ny tena tetikasa izay nandanian'izy ireo an-tapitrisany tamin'ny fananganana izany.

Miresaka mafy momba ny Talem-pirenen'ny IRI, Jake Jones ny lahatsoratra bilaogy tenany:

[…] Jake was for Azerbaijani blogosphere what Columbus was for Americas – something like he was the first discoverer of it. And this discovery happened at those times, when I was almost the sole English-language blogger out there on the ground and was writing under a pseudonym of “a political scientist from Azerbaijan.” I now hear that a lot of foreign organizations in Azerbaijan are thinking of pumping support into blogging, bloggers, et cetera, but it was Jake and IRI who first noticed the potential of new media field in Azerbaijan, and are still careful enough not to overestimate it as other organizations and individuals do.

[…] Tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Azerbaijani i Jake, bilaogy “inona i Colomb ho an'i Amerika” – zavatra toa tahaka ny hoe izy no nahita izany voalohany. Ary nitranga tamin'ireo fotoana ireo izany fahitana zava-baovao izany, fony aho mbola bilaogera tokana amin'ny teny Anglisy ary nanoratra tamin'ny alalan'ny solon'anarana “mpahay siansa ara-politika avy ao Azerbaijan.” Nahare aho ankehitriny fa mihevitra hanome fanohanana ho an'ny bilaogy, bilaogera sy ny sisa ireo fikambanana vahiny marobe ao Azerbaijan, saingy i Jake sy ny IRI no nanamarika voalohany ny tombontsoa entin'ny sehatra fampahalalaam-baovao ao Azerbaijan, ary mbola mitandrina tsara mba tsy hanao tsinotsinona izany tahaka ny ataon'ireo fikambanana hafa sy olon-kafa.

Flying Carpets sy Broken Pipelines, nametraka niaraka tamin'ny fankaherezan'i Jones, naneho hevitra mikasika ny hery lehibe [4] ambadiky ny asan'ny fikambanana ao Azerbaijan.

About a little over a year ago, I was skyping a friend living and working in Baku. The topic of our discussion that day was finding a name for my blog you are currently reading. It took us a while but at the end, “flying carpets and broken pipelines” was created.

[…]

I have never met a person so interested in the region. He learned the language, traveled the country and gets on well with everyone. When Emin and Adnan were arrested, he was there to support and help in any way he could. […] All of this is only a small portion of what Jake and IRI has done in Azerbaijan, which also involves endless trainings and seminars held all over the country.

[…] IRI presented itself as an institution investing in the country and hoping to have made an impact (among other international institutions working in the country). It would be a loss for Azerbaijan to see IRI leave so please USAID (if anyone there is reading this blog) let them stay and do their job because they are worth it!

There seems to be a general misunderstanding that IRI didn't make any proposals for its next year activities in the country. It is NOT true, IRI DID propose. In fact there are local partners who can SUPPORT and JUSTIFY for this.

Teo amin'ny herintaona mahery kely teo, ni-skype tamin'ny namana monina sy miasa any Baku aho. Mitady anarana ho an'ny bilaogiko izay vakianao amin'izao fotoana izao no lohahevitry ny resakay tamin'izany. Naharitraritra izany saingy nony farany, natsangana ny “flying carpets and broken pipelines (karipetra manidina sy fantsona vaky)”.

[…]

Tsy mbola nahita olona tena liana tao amin'ny faritra aho. Nianatra ny fiteny izy, nitsidika firenena ary nifandray tamin'ny olon-drehetra. Rehefa voasambotra i Emin sy Adnan, teo izy mba hanohana sy hanampy araka izay azony atao. […] Fandraisana anjara kely nataon'i Jake sy IRI tao Azerbaijan ihany izany, izay ahitana fampiofanana sy seminera tsy tapaka natao manerana ny firenena.

[…] Naneho ny tenany tahaka ny ivontoerana mampiasa vola ao amin'ny firenena ny IRI ary manantena fa nampisy fiantraikany (teo amin'ireo ivontoerana iraisampirenena miasa ao amin'ny firenena). Ho fatiantoka ho an'i Azerbaijan ny fialàn'ny IRI, koa miangavy ny USAID (raha misy olona avy ao mamaky ity bilaogy ity) mba hamela azy hijanona sy hanao ny asany satria mendrika izany izy!

Toa misy ny tsy fifankahazoana amin'ny ankapobeny fa tsy nanao tolo-kevitra ho an'ny asany amin'ny taona manaraka ao amin'ny firenena ny IRI. TSY marina izany, nanome tolo-kevitra ny IRI. Raha ny marina, misy ireo mpiara-miasa eo an-toerana afaka MANOHANA sy MANAMARINA izany.

Nitatitra ihany koa ireo lahatsoratra bilaogy roa ireo fa natsangana [5] ny vondrona Facebook, “Tazomy ao Azerbaijan ny IRI”. Tamin'ny fotoana nanoratana, manana mpikambana 830 izany.