- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filipina: Nanao Fitokonana Ireo Mpamily Jeepney

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tsidika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2007)

Tsy nizotra tamin’ny làlany mahazatra ireo mpamily Jeepney tany amin'ny faritra maro tao Filipina androany ho fanoherana ny fiakaran'ny vidin-tsolika izay nolazain-dry zareo fa “tsy voamarina” sy “tsy voafehy” ary “mampahory”.

Manila Jeepney
Jeepney iray any Manille (avy amin'ny Wikipedia [1])

Nilaza ny vondron’ny mpamily jeepney, PISTON, fa nahomby [2] ilay fitokonana, noho ny fanambaran’ny [3] governemanta fa tsy nisy fiantraikany tamin'ny fifamoivoizana izany.

Samy nanana ny fanamarihany manokana momba io fitokonana io ny bilaogera:

Nitaraina [4] momba ny fanafoanana ny fanazarantenanà ôrkesitra tao amin'ny Anjerimanontolon'i Filipina i Highway 53 ary nahamarika fa vitsivitsy ireo jeep nitondra mpianatra.

Manoratra am-pitiavana amin'ny teny Filipiana i as if in a dream mitantara [5] ny fomba nahatongavany tany amin'ny Anjerimanontolon'i Santo Tomas mba hahalala fotsiny fa nahaton'ny governemanta tamin'ny 3 ora tolakandro ny fampianarana. Nilaza ilay bilaogera fa nahazo toerana tao aminà “fiarabe maimaimpoana” izay fananan'ny anjerimanontolo ary nankafy ny fiarahana tamin'ny Thomasiana hafa.

Mitaraina [6] amin'ny Piston mikasika ireo mpamily jeepney izay nanapaka ny diany i Val Makasiar MD.

Bilaogera iray sady mpianatra ihany koa i some grape juice for new year’s day, nahazo dia maimaimpoana koa izy ary tara ihany koa vao nahatsikaritra fa tsy nisy fianarana. Manantena [7] ilay bilaogera fa:

Sana, kung anuman kahantungan ng strike na yan, makakabuti sa bayan, hindi lang sa malalaking kumpanya. Sayang naman ang paghihirap ng mga Pilipino kung iba rin ang makikinabang.

Na inona na inona vokatry ny fitokonana eo dia manantena aho fa ho an'ny tombontsoan’ny firenena izany fa tsy ho an'ny orinasa lehibe. Herim-po very maina ny ezaky ny Filipiana raha toa ka ny hafa indray no hisitraka ny tombontsoa.]

Tsy mifidy vava avoaka [8] i Aude Sapere amin’ilay antsoiny hoe “Piss-TON” (Piss: Amany):

Manohitra ny fiakaran’ny vidin-tsolika nifanesisesy ireo mpamily jeepney ireo, izay tsy nanao afa-tsy ny nandoto ny tontolo iainana, nandika ny lalàn'ny fifamoivoizana, niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana be loatra, ary nampiakatra ny saran-dàlana. Indrisy fa ny Filipiana salantsalany mpivoaka ny trano maraina ary mody ny hariva ihany no voakasik’izany, izay mpianatra sy mpiasa amin’ny ankapobeny.

Ho an'ireo mpianatra mazoto rehetra izay voatery tsy nianatra androany, ho an'ny mpiasa rehetra izay tsy nahazo ny vola tokony ho karamany androany, ho an'ny ankizy rehetra any amin'ny sekoly fanabeazana fototra izay voatery nandeha an-tongotra kilaometatra maromaro ho any an-tsekoly, ho an'ny tranga mampalahelo rehetra naterak’ity fitokonana ity, hozoniko ianareo ry PISTON.

Any an-kafa, miezaka manakatra [9] ny toejavatra iainan’ireo mpamily jeepney sy ireo mpanjifa i i.am.bliss :

Hindi mo masisisi ang mga tsuper. Ang ginawa nilang tigil-pasada ang natatanging paraan para maiparating nila sa pamahalaan ang kanilang hinaing

Tsy afaka manome tsiny ireo mpamily isika. Fomba ampahafantarany ny governemanta ny alahelon’izy ireo iny fitokonana iny.

Ang linggo-linggong pagtataas ng gasolina ay damang-dama ng mga tsuper. Sa pamilya namin, meron kaming anim na sasakyang pinatatakbo ng gasolina

Mijaly noho ny fiakaran'ny vidin-tsolika isan-kerinandro ny mpamily]

Nanampy ilay bilaogera hoe :

Bilang isang pasahero, hassle nga naman na ma-late sa pupuntahan… Trabaho, eskwela, gimik, atbp. Pero isipin mo, one-time hassle lang ‘to eh. Yung pinaglalaban ng mga tsuper, ng mga kasapi ng PISTON, yung kanilang isinisigaw, ang dahilan ng malawakang tigil-pasda… kaya nila yun ginagawa dahil merong mas malubhang problema, mas masama kesa sa ilang beses kang mahuhuli sa trabaho mo. Kung walang tigil-pasada, aakalain ng administrasyong Arroyo na okey lang tayo sa pagtaas ng presyo ng langis. Sa pamamagitan ng jeepney strike, naipahatid ang pag-resist, pagtuligsa…

Tena olana tokoa izany amin'ny maha-mpitaingina ny tena. Manahirana tokoa ny fahatarantsika vao tonga any amin'ny toerana tokony halehantsika… Asa, sekoly, fialantsasatra, sns. Fa saino izao: Olana kely indray mandeha fotsiny iny. Ny antony iadian'ireo mpamily mpikambana ao amin'ny PISTON ireo, ny antony itabataban’izy ireo no antony mahatonga an’io fitokonana lehibe io … misy antony lehibe kokoa nahatonga azy ireo nanao fitokonana, mbola ratsy lavitra nòho ny fahatongavanao tara any am-piasana. Hieritreritra ny governemanta fa tsy miraharaha ny fiakaran'ny vidin-tsolika isika raha tsy nisy ny fitokonana. Amin'ny alàlan'ny fitokonan'ny mpamily jeepney no nahafahantsika nandefa ilay hafatra fa manohitra isika ary manameloka …]

Izay mihitsy hoy aho!

Vakio ihany koa: Lesona avy amin'ny fitokonana mahomby nataon'ny PISTON teo amin’ny fitaterana [10]