(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2007)
Tsy nizotra tamin’ny làlany mahazatra ireo mpamily Jeepney tany amin'ny faritra maro tao Filipina androany ho fanoherana ny fiakaran'ny vidin-tsolika izay nolazain-dry zareo fa “tsy voamarina” sy “tsy voafehy” ary “mampahory”.
Jeepney iray any Manille (avy amin'ny Wikipedia)
Nilaza ny vondron’ny mpamily jeepney, PISTON, fa nahomby ilay fitokonana, noho ny fanambaran’ny governemanta fa tsy nisy fiantraikany tamin'ny fifamoivoizana izany.
Samy nanana ny fanamarihany manokana momba io fitokonana io ny bilaogera:
Nitaraina momba ny fanafoanana ny fanazarantenanà ôrkesitra tao amin'ny Anjerimanontolon'i Filipina i Highway 53 ary nahamarika fa vitsivitsy ireo jeep nitondra mpianatra.
Manoratra am-pitiavana amin'ny teny Filipiana i as if in a dream mitantara ny fomba nahatongavany tany amin'ny Anjerimanontolon'i Santo Tomas mba hahalala fotsiny fa nahaton'ny governemanta tamin'ny 3 ora tolakandro ny fampianarana. Nilaza ilay bilaogera fa nahazo toerana tao aminà “fiarabe maimaimpoana” izay fananan'ny anjerimanontolo ary nankafy ny fiarahana tamin'ny Thomasiana hafa.
Mitaraina amin'ny Piston mikasika ireo mpamily jeepney izay nanapaka ny diany i Val Makasiar MD.
Bilaogera iray sady mpianatra ihany koa i some grape juice for new year’s day, nahazo dia maimaimpoana koa izy ary tara ihany koa vao nahatsikaritra fa tsy nisy fianarana. Manantena ilay bilaogera fa:
Sana, kung anuman kahantungan ng strike na yan, makakabuti sa bayan, hindi lang sa malalaking kumpanya. Sayang naman ang paghihirap ng mga Pilipino kung iba rin ang makikinabang.
Tsy mifidy vava avoaka i Aude Sapere amin’ilay antsoiny hoe “Piss-TON” (Piss: Amany):
Manohitra ny fiakaran’ny vidin-tsolika nifanesisesy ireo mpamily jeepney ireo, izay tsy nanao afa-tsy ny nandoto ny tontolo iainana, nandika ny lalàn'ny fifamoivoizana, niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana be loatra, ary nampiakatra ny saran-dàlana. Indrisy fa ny Filipiana salantsalany mpivoaka ny trano maraina ary mody ny hariva ihany no voakasik’izany, izay mpianatra sy mpiasa amin’ny ankapobeny.
Ho an'ireo mpianatra mazoto rehetra izay voatery tsy nianatra androany, ho an'ny mpiasa rehetra izay tsy nahazo ny vola tokony ho karamany androany, ho an'ny ankizy rehetra any amin'ny sekoly fanabeazana fototra izay voatery nandeha an-tongotra kilaometatra maromaro ho any an-tsekoly, ho an'ny tranga mampalahelo rehetra naterak’ity fitokonana ity, hozoniko ianareo ry PISTON.
Any an-kafa, miezaka manakatra ny toejavatra iainan’ireo mpamily jeepney sy ireo mpanjifa i i.am.bliss :
Hindi mo masisisi ang mga tsuper. Ang ginawa nilang tigil-pasada ang natatanging paraan para maiparating nila sa pamahalaan ang kanilang hinaing
Ang linggo-linggong pagtataas ng gasolina ay damang-dama ng mga tsuper. Sa pamilya namin, meron kaming anim na sasakyang pinatatakbo ng gasolina
Nanampy ilay bilaogera hoe :
Bilang isang pasahero, hassle nga naman na ma-late sa pupuntahan… Trabaho, eskwela, gimik, atbp. Pero isipin mo, one-time hassle lang ‘to eh. Yung pinaglalaban ng mga tsuper, ng mga kasapi ng PISTON, yung kanilang isinisigaw, ang dahilan ng malawakang tigil-pasda… kaya nila yun ginagawa dahil merong mas malubhang problema, mas masama kesa sa ilang beses kang mahuhuli sa trabaho mo. Kung walang tigil-pasada, aakalain ng administrasyong Arroyo na okey lang tayo sa pagtaas ng presyo ng langis. Sa pamamagitan ng jeepney strike, naipahatid ang pag-resist, pagtuligsa…
Izay mihitsy hoy aho!
Vakio ihany koa: Lesona avy amin'ny fitokonana mahomby nataon'ny PISTON teo amin’ny fitaterana