- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Veloma Ry Lohateny Sorabaventy Global Voices, tongasoa ry lohateny soramadinika!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, efitrano famoahambaovao
[1]

Ny teny voalohany amin'ny lohateny sy ny anaran-tsamirery ihany sisa no ahitana ireo litera sorabaventy toy izao. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Hannah Bonanza. CC BY-NC 2.0

Toy Izao Hatrany No Nampiasaina Ny Lohatenin'ny Global Voices, Ahitana Ireo Sorabaventy.

Manomboka izao, toy izao no ho firafitry ny lohatenin'ny Global Voices. Ny teny voalohany sy ny anaran-tsamirery ihany no ho sorabaventy tahaka ny amin'ny fehezanteny tsotra.

Nandritra ny taona maromaro, dia nampiasa ilay atao hoe lohatenim-baovao mba handravahana ny lohateny ny GlobalVoices.org [2], toy ny ataon'ireo sehatra fampahalalam-baovao amin'ny teny Anglisy [3] toyThe New York Times [4], Huffington Post [5] ary BuzzFeed [6]. Raha toa ka tsara tarehy ny sorabaventy dia mila fotoana maro izany rehefa manao ny fanitsiana ka mitarika amin'ny tsy fitovian-kevitra sasantsasany: Moa ve isika tokony hanao sorabaventy ny teny rehetra sa ny fanombohan-teny ihany? Ahoana ny momba ireo sora-madinika toy ny “is” (amin'ny lohateny anglisy)? Tsy maintsy atao sorabaventy ve ny mpampiankinteny?

Misy ihany koa ny olana kely mety hitranga izay miteraka fisavorovoroana satria mamafa ny fiavahana manan-danja izany. Ohatra, ny lohateny hoe “Mampitandrina Amin'ny Firongatry Ny Tanora Miankin-doha Amin'ny Apple Ny Dokotera” dia mety hidika hoe  lasa atahorana hifikitra amin'ny voankazo ny tanora:

Sa ve mahita ny tanora fa tena miha-sarotra kokoa ny miato kely amin'ny fitaovan'ny Apple:

Maro amin'ireo fiteny hafa, anisan'izany ireo izay ao amin'ny Global Voices Lingua [7], no tsy mampiasa ity karazana sorabaventy ity amin'ny lohateniny. Ankoatra izany,  tsy mampiasa izany ihany koa ireo fikambanana miteny Anglisy maro manerana izao tontolo izao. Fa mampiasa ireo sorabaventy amin'ny lohateny tahaka ny amin'ny fomba ampiasanao izany amin'ny fehezanteny mahazatra ry zareo.

Noho izany, navadikay ho soramadinika daholo ny lohateny manomboka ny Alatsinainy 16 Aprily 2018 mba ho mora adika kokoa.

Veloma Ry Sorabaventy! Nahavita Tsara Ny Lohateninay Ianareo. Tongasoa ry soramadinika!