Bahrain: ‘Tahaka ny manakana masoandro ny fanivanana fahalalaham-pitenenana’

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tsy afaka manakana ny teny soratana tsy hiely ny sisintany sy ny sivana, hoy ny bilaogera Bahrainita iray. Tsy manao afa-tsy ny miezaka manakana masoandro ireo izay miezaka manakana ny fivezivezem-baovao an-kalalahana, hoy izy tamin'ny lahatsoratra amin'ny teny Arabo.

Manoratra momba ny sivana, hoy i Khalid:

إن حجب المواقع الالكترونية في الدول العربية والإسلامية.. ليس بجديد وليس مستبعد .. فمن يعيش في الظلام .. يخشى ضوء الشمس ..!!!ولكن الغريب إن تكون عقلية الحكومات العربية و الإسلامية مازالت تعيش في الماضي … أو تحديدا في القرن الفائت …!!!وهى بذلك تنسى أو تتناسى إن العالم اليوم أصبح قرية صغيرة وان المعلومة و الحدث .. لا مجال لها أن تمر صوب الرقيب أو المراقب.. وهى بالتالي بعيدة كل البعد على المقص .. بعيدة كل البعد عن الحواجز الترابية و الحواجز الحديدية و الأسلاك الشائكة ..!!اليوم .. قد وجد الكاتب أو صاحب قلم مساحة واسعة .. سعة الكون .. في أن يطلق فكره ..في ما وراء الحدود .. وان يحلق بدون قيود .. وان يخاطب كل جلمود ..!!!
Tsy zava-baovao na tsy azo atao ny fanakanana tranonkala elektronika any amin'ny firenena Arabo sy Islamika. Matahotra ny taratry ny masoandro ireo izay miaina ao anaty haizina!!! Saingy ny hafahafa dia ny fisainan'ny governemanta Arabo sy Islamika izay mbola miaina amin'ny lasa, indrindra indrindra fa tamin'ny taonjato teo aloha !! Amin'izany, manadino na minia manadino izy ireo fa lasa tanàna manerantany izao tontolo izao tontolo izao ary tsy azo sivanina na atokatokana ny fampahalalam-baovao sy ny zava-mitranga. Ankehitriny, hitako fa afaka manaparitaka ny teniny manerana izao tontolo izao ny mpanoratra ary mamoaka ny heviny ivelan'ny sisintany, sy afaka manidina tsy misy rojo. Afaka miresaka amin'ny olona tiany resahana ihany koa izy.

Notohizany hoe:

الكتابة كالهواء لا يمكن الاستغناء عنها .. هناك حواجز و قوانين وسلطات ولكنها و بالرغم من قوتها و سطوتها فهي لا تستطيع إن تحجب الشمس .. في البحرين و في عهد ما قبل الإصلاح كانت هناك كتابات و أفكار البعض منها ينشر (بالمنشار ) و البعض الأخر يغفل عنه فيظهر على صفحات الجرائد في صفحة القراء أو بريد القراء أو ما شابه .. غالبا ما يذيل المقال أو الموضوع باسم مستعار..!! أو باسم وهمي ..!! خوفا من السلطة أو التسلط ..و اليوم و في عهد الإصلاح سمح بحرية أبداء الرأي لكونها احد ثوابت عهد الإصلاح .. و لكن في الآونة الأخيرة بداء التحفظ و من ثم بداء المنع ..!!! من حق الجريدة إن تنشر أو لا تنشر آي موضوع أو مقالة ينافى سياستها أو مبادئها … !!! و غالبا ما تكون هذه السياسة أو المبادئ متقلبة حسب علاقتها بالسلطة أو الحكومة …!!!

Tahaka ny rivotra ny asa soratra, tsy afaka miaina isika raha tsy misy azy. Misy ny sakana, ny lalàna ary ny manampahefana, saingy na  dia eo aza fahefan'izy ireo, tsy afaka manakana ny masoandro izy ireo. Tany Bahrain, nandritra ny vanim-potoana mialoha ny fanavaozana, nanoratra ny heviny, izay navoaka (taorian'ny sivana) ny olona sasany. Nisy ireo hevitra hafa nipoitra tamin'ny pejin'ny gazety, tamin'ny taratasy ho an'ny tonian-dahatsoratra, matetika amin'ny anaran'ny penina, satria natahotra ireo manampahefana ny mpanoratra azy ireo. Androany, amin'ny vanim-potoanan'ny fanavaozana, avela ny fahalalahana maneho hevitra satria iray amin'ireo andrin'ny fanavaozana. Na dia izany aza, nisy ny famerana vitsivitsy sy fandrarana lahatsoratra !!! Ny gazety tsirairay dia manana zo hamoaka na tsy hamoaka lahatsoratra. Indraindray, hanohitra ny politikany ny lahatsoratra ary matetika mikorontana io politika io sy fehezin'ny fifandraisan'ny gazety amin'ny manampahefana na ny governemanta.

Tsy voatery hoe olo-malaza amin'ny mpanohitra ireo izay mitsikera ny governemanta, hoy i Khalid, fa olona tsotra izay mitady fanavaozana. Manazava izy:

من الغريب إن ينظر إلى كل من ينتقد تصرفات السلطة أو الحكومة ..بوجه عام على انه معارض وبالمفهوم العصري الأمريكي بأنه إرهابي ..!!! لماذا لا ينظر إلي من ينتقد السلطة أو الحكومة بأنه يطمح إلى الإصلاح و إن النقد ليس إلا أمر بالمعروف و نهي عن المنكر ..بحسب المفهوم الإسلامي !!! فهذا المدونة مثلا ليست إلا نافذة صغير و صغيره جدا في هذا العالم الممتلئ بمساحات رحبة لا حدود لها …. كان هناك أمل في إطلاق حرية التعبير ..أمل في نسمة هواء نقية و شعاع يضيء درب التائه .. اليوم قد تحقق وبشكل كبير .. فمن كان يعيش في حجرة مظلمة رطبة .. أصبح اليوم يعيش في قلب الشمس ..!!!

Mahagaga fa ireo izay mitsikera ny fihetsiky ny governemanta dia heverina ho mpanohitra, na ao amin'ny tontolon'ny Amerikana ankehitriny – mpampihorohoro !!! Nahoana no tsy azo raisina ho toy ny olona mitady fanavaozana ireo mitsikera ny manampahefana? Ity bilaogy ity, ohatra, dia varavarankely bitika fotsiny ao amin'ny tontolo feno sehatra tsy voafetra. Nisy ny fanantenana hisian'ny tsio-drivotra, sy tara-pahazavana mba hampisehoana ireo very lalana. Ankehitriny, azo atao izany ary amin'ny ankapobeny. Ireo izay miaina ao anaty efitra maizina sy mando dia miaina ao afovoan'ny masoandro ankehitriny.

Ary na misy na tsy misy fitsipi-pitondran-tena ho an'ny mpanoratra sy ny bilaogera, hanohy hanosika ny sisintany ny olona ary hanoratra izay tiany – ary tsy hisy na inona na inona hahajanona azy ireo:

أصبحت الكتابة .. بلا حدود .. وخارج الحدود ..وأيضا خارج المعهود ..!! هناك من يقبل بها و هناك من ينكرها وهناك محتار بين هذا وذاك ..!!! حتى الكتابة أصبحت اليوم في حاجة إلى ميثاق شرف ..!!! ما هو هذا الميثاق ..؟؟!!! ومن سيقوم بإعداده .. ؟؟!! ومن سيقوم بالموافقة عليه ..؟؟!! الحكومة … الشعب .. الكتاب و المفكرين .. العلماء .. الفقهاء .. ستكون هناك كتابة .. وستكون من وراء الحدود …!!!
Nanjary tsy misy fetra ny asa soratra, na ivelan'ny sehatry ny voafetra, ary tsy mahazatra izany !! Misy ny sasany manaiky io zava-misy io raha mandà kosa izany kosa ny hafa, ary sahiran-tsaina ny olona sasany, na eto, na ary!!! Na dia mila fitsipi-pitondran-tena aza ny asa soratra ankehitriny, inona izany fitsipika izany? Iza no hanoratra izany? Iza no hankatoa izany? Ny governemanta, sa ny vahoaka, sa ny mpanoratra, sa ny manam-pahaizana, sa ny mpitondra fivavahana? Mbola hanohy ny asa sorany izy ireo, ary ireo soratra ireo dia hijanona ivelan'ny faneriterena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.