- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Tsy misy sokajin-taona ny zava-pisotron'ny lehilahy!

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ity lahatsoratra ity dia nadikan'i David Faure, mpianatra kilasy fanomanana ECT2 ao amin'ny Lisea Ozenne de Toulouse, eo ambany fanarahamason'ny profesorany Audrey Lambert, izay ao anatin'ny tetikasa momba ny fanabeazana “Fidirana amin'ny fandikan-teny ny vaovao malaza”.

Nanatontosa fanentanana henjana manohitra ny fanorisorenana ara-nofo i Ejypta taorian'ny zava-nitranga vao haingana mikasika ny ato [1], ato [2], ato [3], ato [4] sy ato. [5] Saingy toa tsy mahatakatra izany hafatra izany ireo olona miasa amin'ny indostrian'ny haino aman-jery.

Bilaogera Ejypsiana Ink Pen nanoratra [6] hoe:

« Est-ce qu'il est déontologique de flatter soit les autorités, soit les puissants, soit les intellectuels ou bien l'opinion publique, lorsque vous tentez de délivrer un message publicitaire à une audience ciblée ? Pourquoi me poserais-je cette curieuse question ? Parce qu'hier, j'ai vu une pub bizarre avec une bande de types, assis  sur quelque chose qui ressemblait à une table haute, dans un café. Ensuite, une fille passe à côté d'eux et salue un des hommes. Il répond par politesse et ajoute [en s'adressant à ses amis] qu'elle a un caractère épatant. Alors, la voix de la pub intervient et dit d'une voix enrouée : “Le caractère d'une fille est la dernière chose à remarquer … Sois un homme et boit Birell ! »

Fepetra fototra ve ny mandoka manampahefana, na ny matanjaka, na ireo manam-pahaizana na koa ny hevi-bahoaka, rehefa miezaka mandefa hafatra dokambarotra ho an'ny mpihaino kendrena ianao? Nahoana aho no mametraka izany fanontaniana hafahafa izany? Satria nahita dokambarotra hafahafa ahitana andian-dehilahy, mipetraka amin'ny zavatra mitovy amin'ny latabatra avo, ao amin'ny trano fisotroana kafe aho. Avy eo, nisy ankizivavy nandalo teo akaikin'izy ireo ary niarahaba ny iray tamin'ireo lehilahy. Namaly tamim-pahalalana fomba ilay lehilahy ary nanampy hoe [niresaka tamin'ireo namany] manana toetra mahafinaritra izy. Noho izany, niditra ny feon'ny dokambarotra ary nilaza tamin'ny feo farimparina hoe: “Ny toetran'ny ankizivavy no zavatra farany mila marihana … Mba lehilahy ary sotroy ny Birell ! »

Birell no marika labiera tsy misy alikaola voalohany ao Ejypta, nanohy ilay bilaogera Ink Pen hoe:

« Je veux que vous imaginiez comment la formidable boisson non alcoolisée a été associée à la virilité dans la pub, comme les cigarettes l'étaient dans les années 1960 … La virilité, comme elle montrée dans les trois dernières secondes de la pub, prouve clairement que le gars est transformé en un homme sexy après avoir bu dans la canette.
Quant à la fille, le concepteur (de la pub) n'a pas choisi une fille avec un physique ordinaire ou le stéréotype de l'intello qui est toujours choisie pour ses qualités intellectuelles plutôt que son physique. Le concepteur a choisi une bombe. La pub présente l'homme égyptien comme une créature gouvernée par ses désirs, ses instincts et l'encourage à adopter une fausse image de la virilité, sans tenir compte des conséquences. Les personnes qui travaillent dans la publicité en Egypte  ont oublié – si ce n'était pas le cas depuis longtemps – que l'authentique but de la communication est de s'oublier eux-mêmes pour promouvoir les avantages du produit, et non de soutenir des illusions, de faire des fausses promesses et de creuser la discrimination entre les sexes. »

” Tiako hieritreritra ianao hoe ahoana no fomba nanakambanana ny zava-pisotro mahafinaritra tsy misy alikaola amin'ny fijoroana ho lehilahy ao anaty dokambarotra, tahaka ny sigara tamin'ny taona 1960 … Ny fijoroana ho lehilahy, araka ny naseho tamin'ny segondra telo farany tamin'ny dokambarotra, dia manaporofo mazava fa niova ho lehilahy sexy ireo lehilahy rehefa avy nisotro ny boaty.
Ho an'ilay ankizivavy kosa, tsy nisafidy ankizivavy manana vatana mahazatra ny mpamorona (ny doka) na koa fitsarana an-tendron'ny manam-pahaizana izay safidiana hatrany noho ny toetrany mahay fa tsy fidiana amin'ny bikany. Nisafidy baomba ny mpamorona. Mampiseho lehilahy Ejypsiana tahaka ny zavaboahary tantanin'ny faniriany, ny filàny ilay dokambarotra ary mandrisika azy mba hampiasa sary diso amin'ny fijoroana ho lehilahy, tsy mijery ny voka-dratsiny. Nanadino ireo olona miasa amin'ny dokambarotra ao Ejypta fa – raha tsy izany no nisy hatry ny ela- fa ny tanjona marina amin'ny fifandraisana dia ny mifanadino mba hampiroborobo ireo tombontsoan'ny vokatra, fa tsy manohana ny alonalona, manao fampanantenana diso sy mampisy fanavakavahana lalina eo amin'ny lahy sy vavy. »