- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh ve no ‘firenena tsy mihinan-kena indrindra’ eto amin'izao tontolo izao? Tsy dia izany loatra

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sakafo
[1]

Trondro hita ao amin'ny tsenan'ny trondro ao Sylhet. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i David Stanley. CC By 2.0

Nilaza an'i Bangladesh ho ilay “firenena tena tsy mihinan-kena indrindra eto an-tany” [2] ny lahatsoratra iray vao haingana navoakan'ny gazety Britanika Telegraph. Notaterina tao amin'izany ny fanadihadiana iray nataon'ny Fikambanan'ny Fambolena sy ny Sakafo avy ao amin'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2009 izay nanaporofo fa hena milanja efatra kilao monja no lanin'ny Bangladeshi tsirairay isan-taona, izay mifanohitra tanteraka amin'ny hena lanin'ny olona iray any Etazonia izay milanja 120 kilao .

Na izany aza, haingana ny fanamarihana avy amin'ireo mpaneho hevitra tao amin'ny media sosialy izay nilaza fa tsy marina ny fitenenana hoe “tsy mpihinan-kena”: mihinan-kena kely ireo Bangladeshis satria foto-tsakafo nentim-paharazana ny trondro ary satria lafo ihany koa ny ankamaroan'ny hena.

Nilaza i Sumit Kumar Banshal [3] avy any New Delhi, India, fa tsy tokony hametraka ny fitsarany momba ilay lahatsoratra tao amin'ny Telegraph amin'ny lohateny “tsy mpihinan-kena” izay mitarika fahadisoana ihany ny mpamaky fa mba hamaky izany iray manontolo :

This is stating the lowest consumption of meat per capita as the vegetarian country!! First of all low meat consumption does not make one vegetarian even metaphorically!!

Secondly, Bangladesh is a fish eater country at first place so there should be less consumption of meat!!

Very ill-use of statistical inference in this article!!

Manambara ny salanisa ambany indrindra amin'ny fihinanan-kena isan'olona amin'ny maha-firenena tsy mpihinan-kena azy izany!! Voalohany indrindra, tsy midika ho an'ny olona tsirairay ara-bakinteny ho tsy mpihinan-kena mihitsy ny fihinanan-kena kely!!

Faharoa, firenena mpihina-trondro laharana voalohany i Bangladesh ka mihena noho izany ny fihinanan-kena !!

Tena tsy mety mihitsy ny fandikana ny statistika ato amin'ity lahatsoratra ity !!

Iray amin'ireo firenena be mponina indrindra eran'izao tontolo izao i Bangladesh [4] ahitana mponina notombanana ho miisa 163 tapitrisa eo ho eo tamin'ny taona 2016 tao anatin'ny faritra mirefy 147.570 kilaometatra toradroa. Manana toekarena ara-pambolena lehibe izy ary vary, trondro, sy tsiasisa no foto-tsakafon'ny Bangladeshis, ahitana karazana hanitra maro hafa. Malaza noho ny fiompiana trondron-dranomamy ihany koa i Bangladesh ary laharana fahefatra eto amin'izao tontolo izao [5] izy amin'ny resaka famokarana trondro.

Noho ny maha firenena be mponina Miozolomana azy, hita matetika kokoa amin'ny sakafo izay misy hena ny proteina toy ny henan'omby sy ny akoho amam-borona. Na izany aza, ny sakafo tsy misy hena no tena mahazatra ao an-tokantrano, satria tsy mahavidy hena ho fangaron'ny sakafony ny Bangladeshis amin'ny ankapobeny, indrindra fa ireo monina any ambanivohitra.

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook [6] momba ny sakafo mampiavaka manokana ny tanàndehibe ao Bangladesh i Bickey Russell [6], ilay manam-pahaizana amin'ny teknolojia Bangladeshi mpitady ravinahitra:

I'm not an expert by any means, but to my knowledge, Bengali culinary heritage is mostly all about fish and vegetables. While growing up in Dhaka in the late 90's, beef/chicken were not everyday items served at home. Sure, Bangladeshi food has some amazing meat dishes (e.g. kacchi, tehari, kababs etc etc.), but these are still fairly “modern” introductions to the cuisine. Also, meat is still super expensive for the average person/family in the country.

Tsy manam-pahaizana amin'ny fomba rehetra aho akory, fa raha araka ny fahalalako azy dia trondro sy legioma no ankamaroan'ny sakafo nentim-paharazana Bengali. Raha lehibe tao Dhaka aho tamin'ny faramparan'ny taompolo 90 dia tsy fahita firy tamin'ny sakafo hohanina isan'andro ny hen'omby/henan'akoho. Azo antoka fa manana karazan-tsakafo misy hena mahavariana ny sakafo Bangladeshi (ohatra kacchi, tehari, kababs sns ..), saingy mbola somary “maoderina” amin'ny fanampin-tsakafo ihany ireo.  Mbola lafo be ihany koa ny hena ho an'ny isan'olona/fianakaviana ao amin'ny firenena.

Araka ny voalazan'i Mahmood Sadi tao amin'ny gazety tsy miankina Dhaka Tribune [7] , “Milanja 43,25 kilao ny hena tokony hohanin'ny olona tsirairay ao Bangladesh, kanefa hena milanja 9,12 kilao fotsiny no afaka hohanina amin'izany, izay manondro ny tsy fahampiana efa ho 79 isan-jato. Mihena efatra kilao araka izany ny fihinanan-kena noho ny tsy fahafaha-mividy. “

Manambara ny tsy fahampian'ny fahafaha-mividy fa miha-lafo kokoa ny hena ao Bangladesh noho ny antony samihafa. Nanamarika i Sadi fa efa ho ny antsasaky ny hena hohanina ao Bangladesh no hena mena izay avy amin'ny ombivavy ny ankamaroany. Mila ombivavy maherin'ny 3 tapitrisa i Bangladesh noho izany mba hanatontosana ny fangatahana; ombivavy manodidina ny 1 tapitrisa eo ho eo ihany anefa no avy ao amin'ny firenena, ary ny ambiny dia hanaovana fanafarana ara-dalàna na tsy ara-dalàna avy any amin'ny firenena ivelany any India .

Tamin'ny taona 2014, nanao dingana maromaro mba hiarovana ireo ombivavy ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi [8] sy ny antokony Bharatiya Janata Party [9] (BJP) raha tonga teo amin'ny fitondrana satria heverina ho masina [10] amin'ny fivavahana Haindò ny biby fiompy. Taona maro taorian'izay, biby fiompy vitsy kokoa no navelan'i India haondrana tany Bangladesh, ka nitarika fiakarana ho 50% tamin'ny vidin'ny henan'omby [11], izay mihoatra lavitra noho ny salanisa manerantany. Vokatr'izany, sakafo heverina ho an'ny mpanankarena ny henan'omby amin'izao fotoana izao ho an'ireo mahantra maro ao amin'ny firenena ary misy ny fitomboan'ny fihinanan-tsakafo [12] hafa be proteina .

[13]

Fivarotan-kena iray ao amin'ny tsenan'i Dhaka, Bangladesh. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'ny Ivontoeram-pikarohana ho an'ny Politikan'ny Sakafo Iraisam-pirenena. 2010. CC: BY-NC-ND 2.0

Ny olona sasany dia nanakiana mafy ny filazana nataon'ny Telegraph, izay nahazoana fandrakofana tany amin'ny sehatra fampahalalam-baovao tao an-toerana [14] tao Bangladesh. Nanakiana mafy i Shayan S. Khan [15], mpaneho hevitra tao amin'ny Facebook:

It's bad enough that some travel journalist at the Telegraph goofed up badly trying to be clever with some statistics, it's way more tragic though when it gets unquestioningly republished in our media, the level of daftness is unbearable.

Mahamenatra raha ny mpanao gazety mpanao dia lavitra ao amin'ny Telegraph no manao hadisoana goavana rehefa niezaka ny hanamarina ny antontan'isa sasany, tena mbola mampalahelo izany rehefa naverina navoaka tsy nisy fanadihadiana tao amin'ny fampahalalam-baovaontsika, vao mainka tsy azo ekena ny hadalana.

Nanontany momba ilay vaovao tsy voamarina i Rashed Rahgir mpiasan'ny fampandrosoana :

Fahombiazana ve izany?
Sa tsy feno ny antsasaky ny fanadihadiana .
Ny fihinana proteina ambany indrindra isan'olona!

Maro no nanamarika fa tsy manaraka ny fomban'ny olona tsy mpihinan-kena ny ankamaroan'ny Bangladeshis; nilaza  [18]ny filohan'ny Fikambanan'ny Fiarahamonina Tsy Mpihinan-kena ao Bangladesh fa olona vitsy ihany no mety ho tsy mpihinan-kena. Nanamarika [19] i Marie, ilay mpanoratra ny bilaogin'ny dian'ny tsy mpihinan-kena, fa matetika ahitana hena amin'ny sakafo Bangladeshi ary sarotra ny mahita sakafo tena tsy misy hena mihitsy.

Ary hoy i Nadia Khan raha naneho hevitra tao amin'ny Facebook [20] :

You can’t even find a decent vegetarian place in Bangladesh less talk about most people eating vegetables mostly!

Tsy mahita toerana tsara ho an'ny tsy mpihinan-kena mihitsy aza ianao ao Bangladesh, atsaharo ny firesahana fa mpihinana legioma amin'ny ankapobeny ny ankamaroan'ny olona!