Tantara tamin'ny 16 Avrily 2018
Kazakhstan: Mitolona amin'ny Fiainana sa Miadana?
Tsy fanitaran-dresaka ny flazàna fa firenen’ny fifanoherana i Kazakhstan: ny fahantrana fahadiranovana eo anilan’ny harena voajanahary tsy hita pesipesenina, ny fitomboana ara-toekarena miaraka amin'ny fitotongananan'ny sehatra ara-piarahamonina sy ny fihitaran'ny fahefam-panjakana, ary ny fandeferana mifanila amin’ny fanavakavahana.
Manoratra Bilaogy momba ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA
Nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA tamin'ny fitenenana ampahibemaso sy mafy mikasika ny VIH SIDA ireo bilaogera manerana izao tontolo izao ny voalohan’ny volana Desambra. Fanomezam-boninahitra ny ady amin'ilay valanaretina, izay mihamatanjaka noho ny fahanginana sy ny fampahalalàna diso, ny lahatsoratra rehetra navoaka tamin’izany.
Siria: Fisaonana Ireo Tantsambo Nafoiny
Tamin'ity herinandron'ny 16/11/07 ity, voasasan'ny loko maintin'ny fisaonana ny sisintany Siriana, taorian'ireo vaovao mampihetsi-po mikasika ny sambo Siriana "Haj Ismail" [mitondra saina Zeorziana, saingy an'ny ekipa Siriana sy nampiasainy manontolo] niharan'ny rivodoza mahery vaika izay nikapoka ny Ranomasina Mainty tamin'ny herinandro faharoa tamin'ny Novambra 2007, nahitana sambo sivy hafa ihany koa Mitondra ny monomonona farany ho antsika avy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy siriana i Yazan Badran
Hindi: Fandresena Tamin'ny ‘Cricket’ Sy Sakafo Matsiro Tany Delhi Taloha
Salanitra ny mpankafy 'cricket' indiana fa nandresy indroa misesy i India. Tafavoaka namiratra i Sri Lanka, resiny ny tompon'ny amboara erantany, Aostralia. Tantarain'i Dipanshu ny fikarohany sakafo matsiro sy mampilendalenda tany Delhi taloha....
Ozbekistana: Mikolokolo Ny Fahalalahana Miteny Ny Fanaovana Blaogy
Vao haingana, nokilasian'ny Departemantam-panjakana Amerikana ho anisan'ireo firenena "folo voalohany" amin'ireo firenena tena mpanao didy jadona erantany i Ozbekistana. Nandritra ny efa ho roapolo taona nanjakany, ny filoham-pirenena I. Karimov sy ny ankolafiny no nandray an-tanana ny fifehezana ireo lafim-piainana rehetra ao amin'ny firenena - ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy.
Bahrain: Kamo Ve Ny Arabon'ny Golfa?
Tamin'ny fiandohan'ny herinandro farany ho an'ny Janoary 2008, nitafatafa tamin'ny gazetin'ny firaisambe arabo mpiseho isanandro "Asharq Al-Awsat" ny minisitry ny asa Bahraini, Majid Al Alawi, ary nolazainy tao amin'ilay resadresaka fa miatrika 'tsunami aziatika' ny Golfa satria 'kamo' sy 'simba' ary miankina amin'nireo mpiasa afarana avy any ivelany ireo teratany ao Golfa amin'ny fanaovana na dia ny asa tsotra aza. Nambarany fa ireo mpiasa vahiny manodidina ny 17 tapitrisa ao Golfa, aziatika ny ankamaroany, dia ho 'loza ratsy kokoa noho ny baomba atomika na ny fanafihan'ny israeliana'. ahoana ny eritreritr'ireo mpitoraka bilaogy bahraini ?
Pakistàna: Nahoana No Bhutto, Ary Hanao Ahoana i Pakistan Ankehitriny?
Manamafy ireo blaogera sasantsany fa na tsy manaiky ny politikan'i Benazir Bhutto aza izy ireo, na manohana ny antokony - Pakistan Peoples Party, tena zava-doza ny karazana fanafihana sahala amin'io ary azo hitarafana ny safotofoto izay ampoizina hiantraika ao Pakistàna. Asa fampihorohoroana no hilazan'ny Muslim Matters azy, ary melohiny ny herisetra atao fitaovana famahàna olana
Bangladesh ve no ‘firenena tsy mihinan-kena indrindra’ eto amin'izao tontolo izao? Tsy dia izany loatra
"Tsy midika ho an'ny olona tsirairay ara-bakinteny ho tsy mpihinan-kena mihitsy ny fihinanana hena kely!!"
Veloma Ry Lohateny Sorabaventy Global Voices, tongasoa ry lohateny soramadinika!
Navadikay ho soramadinika daholo ny lohateny manomboka ny Alatsinainy 16 Aprily 2018 mba ho mora adika kokoa.
Bahrain: ‘Tahaka ny manakana masoandro ny fanivanana fahalalaham-pitenenana’
Tsy afaka manakana ny teny soratana tsy hiely ny sisintany sy ny sivana , hoy ny bilaogera Bahrainita iray. Tsy manao afa-tsy ny miezaka manakana masoandro ireo izay miezaka manakana ny fivezivezem-baovao an-kalalahana, hoy izy tamin'ny lahatsoratra amin'ny teny Arabo.