- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana Amerikana. Maneho Hevitra Izao Tontolo Izao.

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Atsinanana, Eoropa Andrefana, Etazonia, Frantsa, Indonezia, Korea Atsimo, Venezoela, Fifidianana, gazety, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ry mpankafy vaovao politika, henoy! Bilaogy momba ny fifidianana Amerikana ao amin'ny Global Voices, Voices without Votes [1] miasa tsy an-kiato mba hanome anao tsy tapaka momba ireo fanehoan-kevitra manerana izao tontolo izao.

Androany (nov 2008), androm-pifidianana any Etazonia, nanome firaisankina ho an'i Obama [2]ireo bilaogera Afrikana, bilaogera Venezoeliana nanoratra tononkalo momba ny fahasarotana tanteraka hisian'ny fandresen'ny lehilahy Mainty hoditra iray [3] amin'ny fifidianana, ary manomana fety, fety etsy , fety eroa ireo bilaogera ao Paris [4].

Hoa Quach ao amin'ny Voices without Votes [5], nanatsonga ireo bilaogera Aziatika izay nizara ny ahiahiny momba ny vokatra ho avy, alohan'ny hatoriana ao amin'ny hasin'ora manana ora lasa aloha be:

In Indonesia, Mamanwrote [6] that an “anxious feeling” was coming over her. And, despite the polls agreeing with her, she is preparing for a GOP win:

“I am really having a strange feeling about the US Election, it's a strange feeling I can't describe. The poll survey surely go to my favor, OBAMA will win, but I do believe that race will play in the final result. I try to scare myself with the reality IF GOP win this election, it will be a big POUNCH on only to my stomach, but to almost most of the average American.”

Ao Indonezia, nanoratra [6] i Maman fa nisy “fahatsapana fanahiana” nahazo azy. Ary na dia eo aza ny fitsapan-kevitra mifanaraka aminy, miomana amin'ny fandresen'ny GOP izy:

“Tena manana fahatsapana hafahafa mikasika ny fifidianana Amerikana aho, fahatsapana hafahafa tsy haiko faritana. Azoko antoka fa handresy izay hofidiako, handresy i OBAMA, saingy ny vokatra farany no hamaritra izany. Miezaka mampitahotra ny tenako amin'ny zava-misy aho, raha mandresy amin'ity fifidianana ity ny GOP, dia ho VOKATRA lehibe tsy ho ahy ihany izany, fa ho an'ny ankamaroan'ny Amerikanina antonony. “

In South Korea, Expat Jane [7], writes [7] that she’s also feeling “nerves and anxiety” but is excited to find out the results:

“I've been so very cool during most of this campaign. At least, when it comes to the discussion of Obama winning because I believe he will. By this time tomorrow, we'll know.”

Ao Korea Atsimo, Expat Jane [7], manoratra [7] fa mahatsiaro ho “sorisorena sy feno tebiteby” ihany koa izy saingy mientanentana miandry ny vokatra:

“Tena nilamina be aho nandritra ny ankamaroan'ny fampielezan-kevitra. Farafaharatsiny, rehefa adihevitra momba ny fandresen'i Obama satria inoako fa handresy izy. Ho fantantsika izany rahampitso. “

Aza adinoina ny mitsidika ny  Voices without Votes rahampitso raha hijery ireo fanehoan-kevitra momba ny mpandresy amin'ny fifidianana mampientana indrindra eo amin'ny fahatsiarovana vao haingana …

Voices without Votes, Americans vote, the world speaks [8]