Singapaoro: TwestivalSG 2010

(Marihina fa tamin'ny 31 Martsa 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

TwestivalSG in fullswing at Brewerkz Riverside Point

TwestivalSG tao Brewerkz Riverside Point

Ny 25 martsa 2010, nihaona isan-taona, ivelan'ny aterineto ireo olona avy amin'ny tanàndehibe an-jatony manerana izao tontolo izao, mba hivory momba ny antony lehibe mikasika ny Concern Worldwide (Olana Manerantany) amin'ny alàlan'ny fampiantranoana ny hetsika ao an-toerana ka hikoranana sy hanairana ny saina. Noheverina tamin'ny alalan'izany fa ahafahana manome fanabeazana ho an'ireo ankizy miisa 72 tapitrisa manerana izao tontolo izao izay tsy mianatra any an-tsekoly ny vola azo.

Nampiasaina mba hanairana ny saina momba ilay hetsika ireo tranonkalan'ny media sosialy tahaka ny Twitter sy ny Facebook.

Tamin'io taona io, olona an-jatony no nameno ny Twestival tao Singapaoro, izay natao tao Brewerkz Riverside Point, tao amin'ny trano fisakafoanana lehibe iray izay nanome ny 10%-n'ny vola niditra taminy ny alin'iny. Ireo mpanohana ara-bola hafa, anisan'izany ny Tafi-piarovana Sivily ao Singapaoro dia nanome fitaovana fanampiana ho fanomezana teo am-pidirana ary ny Lenovo Singapore, nanome solosaina tao an-toerana ho an'ny vahiny izay nanolotra fanomezana.

Tena nahitana fahombiazana tanteraka ny hetsika  ary araka ny bilaogin'ny media sosialy ao Singapaoro, Penn Olson, iray amin'ireo mpandray anjara lohalaharana amin'ny fanomezana ara-bola miditra erantany i Singapaoro :

Singapore, top 10 nations in total funds raised and top 3 in amount raised per 1000 inhabitants

Singapaoro, ao anatin'ny firenena 10 voalohany indrindra amin'ny fanangonana ara-bola ary anisan'ny 3 voalohany amin'ny totalim-bola voahangona isaky ny mponina miisa 1000

….we are proud to say that TwestivalSG 2010 raised USD 6112.41, excluding all the other sponsorship figures for Concern Worldwide. With the help of cities all over the world, Twestival Global raised more than USD 300,000 this year!

…. Afa-mirehareha isika raha milaza fa nahangona 6112,41 dolara amerikana ny TwestivalSG 2010, ankoatra ireo vola azo avy amin'ny mpanohana fanta-daza hafa ho an'ny Olana Manerantany. Miaraka amin'ny fanampian'ireo tanàndehibe manerana izao tontolo izao, nahangona vola maherin'ny 300 000 dolara ny Twestival Global tamin'ity taona ity!

Gaga tamin'ny fandraisana anjara goavana ny Online Media Gazette, bilaogy iray miresaka momba ny vaovao farany ao amin'ny tambajotra sosialy sy ny vaovaon'ny teknolojia avy amin'ny fomba fijerin'ny Aziatika :

TwestivalSG's Twtvite page and Facebook event page had only 77 and 96 respectively, who RSVPed for the event but the turnout yesterday was a resounding success where more than 160 people showed up to have fun, network and donate towards this greater cause.

Nahitana mpandray anjara miisa 77 ny pejin'ny TwestivalSG Twtvite ary mpandray anjara miisa 96 ny pejy Facebook-n'ny hetsika , izay avy amin'ny fanasana ho an'ity hetsika ity kanefa nahitana fahombiazana miavaka ny fandraisana anjara omaly izay nahitana olona maherin'ny 160 tonga mba hifety, hifanerasera ary hanao fanomezana ho an'ity fotokevitra lehibe ity.

Notaterina tao amin'ny CNNGo ihany koa ny hetsika, bilaogy Aziatika ao amin'ny CNN izy io. Nilaza izany fa nanankery ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter tao Singapaoro tamin'io alina

It's funny if you stop to think about how a simple micro-blogging tool like Twitter has brought people from all walks of life together. And this past March 25, the gathering power of Twitter is nowhere more evident than at Brewerkz Riverside Point, where Twestival Singapore 2010 was in full swing.

With laptops and mobile phone out in force, a make-shift photo booth in the back and pints of foamy beers sloshing their way around the private room, the local Twitter community was doing their bit to raise funds for Concern Worldwide, an international humanitarian organization dedicated to reducing suffering and ending extreme poverty.

 

Mahafinaritra raha toa ka mitsahatra mieritreritra ny fomba nitarihan'ny Twitter, fitaovana famahanana bilaogy madinika, ny olona avy amin'ny saranga rehetra ianao. Ary tamin'ity 25 Martsa ity, tsy mbola hita niharihary kokoa hoe hatraiza ny tanjaky ny Twitter tamin'ny fanangonan'olona raha tsy tao Brewerkz Riverside Point, izay nahitana ny fahombiazan'ny Twestival Singapaoro 2010 tanteraka.

Niaraka tamin'ny solosaina sy ny finday marobe, ny tranokely fakana sary mandeha ho azy etsy aoriana ary ny veran-dabiera lehibe manodidina ny efitrano nisy azy ireo manokana, dia nanao izay afany ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter tao an-toerana mba hanangonam-bola ho an'ny Concern Worldwide, fikambanana iraisam-pirenena iray ho an'ny asa fanasoavana natokana ho an'ny fampihenana ny fijaliana sy hamaranana ny fahantrana faraidiny.

Azo jerenao ato ny sary maromaro tao amin'ny TwestivalSG.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.