- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#KnowYourDictator: Maneloelo ny Filoha ao Azerbaijan Voafidy Indray Ireo Mpifindramonina Ara-Politika sy ny Tenirohiny

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Fanampenam-bava, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Ny Tetezana - The Bridge

Fivorian'ireo mpikatroka anti-Aliev tao Berlin. Nalefan'i [1] Pervin Ismayilov tao amin'ny Facebook. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Satria nitafatafa tamin'i Ordukhan Teymurkhan tamin'ny finday aho, tsapa tamin'ny alalan'ny feony ny rari-tsaina goavana. “tsy mahavita mifehy ny fihetseham-poko aho. . . Rava ny fianakaviako, “hoy izy, raha nanontany azy hoe manao ahoana izay izao.

Indrisy fa mahazatra ho an'ny mpitsoa-poenanana Azerbaijiana izay manohitra ampahibemaso ny fitondrana didy jadona manaranaka ao amin'ny firenena ny tantaran'i Ordukhan.

Tamin'ny volana Febroary tamin'ity taona ity, voaheloka higadra 30 andro tao amin'ny fonjan'ny fitondrana ny roa tamin'ireo zaodahiny noho ny fiampangana azy ireo ho nanohitra ny polisy. Tamin'ny taona lasa, nantsoina atao famotorana ny 12 tamin'ireo fianakaviany.

Maro amin'ireo mpitsoa-ponenana mavitrika ara-politika ao Azerbaijan no mahita ny fianakavian'izy ireo mijaly reheefa niverina an-tanindrazana noho ny fikatrohana ataon-dry zareo. Mbola kely hatrany ny sehatra azo anoherana ny filoha, Ilham Aliyev, 56 taona ao amin'ny firenena, saingy noho ny fitomboan'ny famoretana tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, dia saika tsy nisy na inona na inona intsony izany.

Aliyev (ankavia) mihaona amin'ny filoha Rosiana Vladimir Putin tao an-drenivohitra Iraniana, Tehran (Sary avy amin'ny governemanta Rosiana. Nahazoana alalana [2]).

Ao anatin'ny hetsika vaovao, tsy misy anarana sy tsy ofisialy natsangan'ireo mpanohitra ara-politika Azerbaijiana monina ao Eoropa i Ordukhan. Natsangana tamin'ny voalohandohan'ny volana Martsa izany taorian'ny hetsi-panoherana nokarakaraina tao Berlin

Araka ny filazan'ireo mpikambana ao amin'ny hetsika, tsy manana rafitra ny hetsika, tsy misy fahefana ary raisina avokoa izay Azerbaijiana rehetra monina ao anatiny sy ivelan'ny firenena te hiditra ao anatin'izany.

Tsotra fotsiny ny tanjon'izy ireo: hanala ny didy jadon'i Aliyev izay efa nisy hatramin'ny taona niandohan'ny vanim-potoanan'ny fahaleovantena post-Sovietika ao amin'ny firenena.

Afisy misy sarinà tovolahy manohana didy jadona

Ny zavatra tena nahatezitra ny manampahefana tao Azerbaijan dia toa ny fandraisana anjaran'ny hetsika tamin'ny fanentanana famoronana afisy mitondra ny lohateny hoe diktatoru tanıyaq, na #KnowYourDictator (Fantaro ny Mpanao Didy Jadonao).

Nivezivezy manerana ireo renivohitra Eoropeana sy tany Kanadà, tao amin'ny mpifanolo-bodirindrina amin'i Azerbaijan, Georgia ary hatrany Azerbaijan tenany mihitsy aza ny afisy avy tamin'ny #KnowYourDictator [3], kanefa niomana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 11 Aprily ny firenena.

Nivadika ho tenirohy tao amin'ny media sosialy ny fanentanana tatỳ aoriana.

Afisy misy ny sarin'i Ilham Aliyev (ankavanana) sy ny rainy efa nody mandry Heydar. Niparitaka be tamin'ny aterineto.

“Raha misy teny iray tsy ilaozan'i Ilham Aliyev, dia antsoina hoe mpanao didy jadona izy”, hoy i Ordukhan. Izany, hoy izy, no mahatonga ny manampahefana hanenjika ny fianakavian'ireo mpikatroka.

Ao anatin'i Azerbaijan, mbola sarotra kokoa ny manohitra an'i Aliyev.

Nogadraina [4] tamin'ny 26 martsa ny mpikatroka iray monina ao Baku, Fatima Movlanli, saingy navotsotra ora maromaro taty aoriana teo ambany fanaraha-mason'ny polisy, izay niezaka nandresy lahatra azy ny amin'ny maha-zava-dehibe ny fanohanana an'i Aliyev.

Ny fitondran'i Ilham Aliyev dia fitohizan'ny fanamafisana ny rafitra mpanao didy jadona napetraky ny rainy efa nodimandry Heydar besolovolo tamin'ny vanim-potoana komonista izay lasa filoham-pirenena tamin'ny taona 1993.

Nahazo laza noho ny fanampenam-bava [5] ny media, fanakanana ny fidirana amin'ny tranokalam-baovao tsy miankina sy an'ny mpanohitra, fisamborana mpikatroka, mpanao gazety, mpiaro ny zon'olombelona sy bilaogera, ary tamin'ny famotehana ny rafi-pitsarana izy.

Manana orinasa mpandoto rindrina an-tserasera (troll) mihitsy ny governemanta. Tafaporitsaka nivoaka aterineto tamin'ny herinandro lasa teo ny heverina ho dosie avy amin'ny iray amin'ireny “tafika” (mpandoto rindrina) ireny.

Avy amin'ny miaramila mpandoto rindrina ao #Azerbaijan. Ity lisitra hitanareo ity dia natao ho an'ireo mpandoto rindrina miasa mafy. Ahitana ny anaran'ireo antoko ara-politikan'ny mpanohitra, media tsy miankina sy mpitarika ny mpanohitra izany.

Nandritra ny herinandro maromaro izao, namazivazy [9] noho ny fanorisorenana ataon'ny “troll” ireo mpitsikera mafy ny fitondrana. Ny fiampangana mahazatra mahazo ireo mpitsikera an'i Aliyev dia hoe naharay vola amin'ny Tandrefana, na nitsikilo ho an'i Armenia. Nirongatra ny fiverimberenana sy ny feo momba ireo fiampangana diso ireo satria efa akaiky ny fifidianana.

Matetika aho no niaina izany manokana. Andro vitsy lasa izay, nahita lahatsoratra  [10]tao amin'ny pejy Facebook-n'ny sampana tanora ao amin'ny antokon'ny fitondrana aho, izay niampanga ahy ho karamain'ny Armeniana sy miara-miasa amin'ny Hagop Berberian, lehilahy mbola tsy nihaona tamiko akory.

Tsy namaky ireo fanehoan-kevitra miisa 946 aho, saingy ampy ny zavatra hitako mba hanamafisana fa ao anaty fiarahamonina fehezina mafy, tsy dia misy ny fanaraha-maso ny fahefan'ny fandisoam-baovao sy ny angano ataon'ny governemanta.

Fivorian'ireo mpikatroka manohitra an'i Aliyev ao Berlin. Nalefan'i Pervin Ismayilov tao amin'ny Facebook. Natao ho ampiasain'ny rehetra.

Tsy fantsika ity fifidianana ity.

Araka ny fantatra, nahazo fandresena tamin'ny vato voamarina  amin'ny 86% maro an'isa i Aliyev, araka ny fanamafisan'ny Filohan'ny Foiben'ny Vaomieram-Pifidianana tamin'ny 12 Aprily.

Amin'ny mampiavaka ny didy jadona Sovietika taloha, misy aza kandidà hafa voasoratra anarana nidera ny filoha ankehitriny amin'ny fotoana mialoha ny fifidianana.

Kandidà fito hafa no tsy vitan'ny nisoroka hitsikera ny governmenata ihany fa koa nanao fanentanana ampahibemaso sy am-pahavitrihana ho an'i Aliyev nandritra ny adihevitra tao amin'ny Fahitalavi-panjakana.

Tsy manana safidy hafa eo amin'ireo kandidà ny mpifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena natao mialoha tamin'ny 11 Aprily ao Azerbaijiana araka ny fahitan'ny @SMDT_EMDS [18] ny fampielezan-kevitra alohan'ny fifidianana.

Marobe [28]ireo tatira momba ny fanitsakitsahan-dalàna tamin'ny androm-pifidianana. Na dia niantso ny vahoaka mba tsy handray anjara amin'ny fifidianana aza ny mpanohitra sy ny hetsiky ny tanora, mbola tsy fantatra izay mety ho fiantraikan'izany amin'ny voka-pifidianana. Ny tahan'ny fandraisana anjara,izay nolazain'ny CEC fa nahatratra 75% dia nabontsina araka ny mahazatra amin'ny vatom-pifidianana Azerbaijainita.

Noho ny fanovana lalàmpanorenana izay nanitatra ny fe-potoam-piasan'ny filoha tamin'ny taona 2016, afaka mitondra ny firenena mandritra ny fito taona fanampiny farafahakeliny i IIham Aliyev. Raha sendra misy zavatra mahazo azy, marobe ireo ao amin'ny fianakaviany tsara toerana afaka manitatra ny fitohizan-taranak'i Aliyev.