- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona: Ny Fanjakazakan'ny Dinozaoro

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Fahalalahàna miteny, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Fotoana fohy taorian'ny tranga fanorisorenana [1] nitranga vao haingana tany Libanona, nanomboka nampiasa ny teny hoe” Fanjakazakan'ny  Dinozaoro” ireo mpikatroka an'aterineto tamin'ny fanentanan'izy ireo anoherana ity fanafihana ny sehatry ny aterineton'izy ireo ity. Bilaogera Libaney Tony manazava ny dikan'izany tao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe “ahoana no hanitsiana ny Dinozaoro [2]“:

مشاكل البلاد وتفرّغوا لقمع الحريات وكمّ الأفواه واقتحام المسرحيات ومنع الكتب والأفلام السينمائية واعتقال الناشطين وممارسة العنصرية ضد الأجانب. اللقب هو على سبيل المزاح طبعاً، لكن إصرارنا على إسقاطهم لا يدخل أبداً ضمن إطار المزاح، بل هو ضمن إطار التراجيديا التي لا مفرّ لهم منها. “الديناصورات على أشكالها تقع” هو عنوان معركتنا
“Ny Dinozaoro” no anarana nomen'ireo mpikatroka an'aterineto Libaney sasany an'ireo mpanao politika any Liban tato ho ato. Taorian'ny nandaozan-dry zareo ny fanatrehana ny tena olan'ny firenena mba hifantohana amin'ny fanafoanana ny fahalalahana no nahatonga izany, sy ny fampanginana ny olona, ​​fandraràna boky, tantara sy sarimihetsika, fisamborana mpikatroka ary fanavakavahana vahiny. Mazava ho azy fa vazivazy ny anarana, saingy ny fahavononantsika hampidina azy ireo dia tena tsy sangisangy velively, tsy azo ihodivirana izany. “Miaraka ny dinozaoro mitovy loko” no lohatenin'ny ady.