Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Antso Ho An'ny Mpandika Teny: Unrest!

Ry Mpandika Teny!

Taona maromaro lasa izay no naha mpanoratra mpilatsaka an-tsitrapo ahy sady toniandahatsoratra Frankôfonia tato amin'ny GV taty aoriana. Tena traikefa nahafinaritra dia nahafinaritra tokoa izany. Nandeha tany amin'ny sekoly fianarana ambony aho taorian'izay, ary narary mafy ka nanomboka nanao lahatsary fanadihadiana mikasika ny zavatra niainako, Unrest (Korontana).

Mba hanaparitahana ny Unrest ho an'ny olona maro araka izay tratra, dia hamoaka DVD sy Blu-rays iraisam-pirenena izahay miaraka amin'ny dikanteny vahiny maro samihafa . Manan-danja ho an'ny olona izay tsy manana fahafahana miditra amin'ny Netflix na sehatra nomerika hafa ny DVD , ary ho an'ny vondrom-piarahamonina izay handefa izany sy ho an'ny fandaharam-pampianarana. Ho feno fankasitrahana aho raha toa ka afaka manolotra ny fotoananareo amin'ity ezaka ity ianareo – na raha mahafantatra ny olona hafa mety ho liana amin'izany.

Ny hamoaka ireo DVD iraisampirenena amin'ity lohataona ity no tanjonay, izay ahitana ny fe-potoana farany ho an'ny fandikanteny ny 31 Martsa ary ny fanaraha-maso ny kalitao [QC]. Mampiasa ny sehatra Amara izahay mba hanamorana ny fandikanteny.

Manana mpilatsaka an-tsitrapo izahay amin'ny fiteny hafa [lisitra feno eto ambany] , kanefa mbola mitady mpilatsaka an-tsitrapo izahay amin'ny fiteny maro. Mikasa ny hampiditra ireo fiteny rehetra ireo ao amin'ny DVD iraisam-pirenena ataonay izahay, saingy tsy afaka manao izany raha tsy misy ny dingana fanaraha-maso ny kalitao. Miangavy anao mba hanampy anay hamita ireto fiteny manaraka ireto:

  • Portiogey Breziliana  [QC ihany]
  • Shinoa – Notsorina [Mila dikanteny, QC + avadika ho teny Shinoa Nentim-paharazana]
  • Tsheky [QC ihany]
  • Portiogey Eoropeana [QC ihany]
  • Hebreo [QC ihany]
  • Espaniôla Latino-Amerikana [QC ihany]
  • Norveziana [QC ihany]
  • Poloney [QC ihany]
  • Romaniana [QC ihany]
  • Rosiana [QC ihany ]
  • Tiorka [QC ihany]

Teny efa nataon'ny mpilatsaka an-tsitrapo:

  •  Espaniola Kastiliana
  • Kroaty
  • Danoà
  • Holandey
  • Finoà
  • Frantsay
  • Alemà
  • Grika
  • Italiana
  • Japoney
  • Soedoa

Misaotra anareo mialoha!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.