- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#GirlsOnBikes: Mitaingina Bisikileta Ny Vehivavy Hitakiana Ny Toerana Ho An'ny Daholobe Any Pakistana

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fanatanjahantena, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
[1]

Ireo Zazavavy Mitaingina Bisikileta mitaky ny toerana ho an'ny daholobe [1]. Sary avy amin'i Hasan Haidar tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Girls At Dhabas. Nahazoana alalana.

Nikarakara fihetsiketsehana mitaingina bisikileta tany amin'ireo tanàndehibe ao Pakistana (Islamabad, Lahore, ary Karachi) ny fikambanan'ny feminista Pakistaney malaza Girls at Dhabas [2] tamin'ny 1 aprily 2018 teo. Ity hetsika antsoina hoe ‘Girls On Bikes’ (Zazavavy mitaingina Bisikileta) ity no fahatelo amin'ny hetsika izay fanaon'izy ireo isan-taona ho fampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy amin'ny lanonam-bahoaka, hiadiana amin'ny famerana atrehan'ny vehivavy any amin'ny toeram-bahoaka ary mba hanairana hatrany momba ny olana atrehin'ny vehivavy.

 

Vakio ihany koa:  Mitaky Sehatra Ho An'ny Daholobe Ny Vehivavy Pakistaney, Kaopin-Dite Isam-Potoana [3]

Tamin'ny volana May 2015, nanomboka nampiasa ny tenirohy #GirlsAtDhabas ny ankizivavy roa avy any Karachi, Sadia Khatri sy Natasha Ansari, ho toy ny sehatra hanangonana ny sarin'ireo vehivavy ao amin'ny Tumblr [4]. Lasa nalaza ilay tenirohy rehefa nisy vehivavy an-jatony manerana an'i Azia Atsimo nanomboka nizara ny sarin'izy ireo tao amin'ny dhabas [5] (fisotroana kafe teny an-kalamanjana) tao amin'ny Twitter sy Tumblr, ary nanomboka ny resaka momba ny toerana azo antoka ho an'ny vehivavy. Teraka ny fikambanana taorian'izany.

Ny afisy ho an'ny “Hetsika Vehivavy Mitaingina Bisikileta” avy amin'ny Girls at Dhabas. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny vondrona

Ao amin'ny pejin'ny hetsika [6] tamin'ny Hetsika Bisikileta tamin'ity taona ity, Girls At Dhabas nanamarika hoe:

Through this annual event, we aim to challenge the existing mindset that it is inappropriate for a female or a gender non-conforming person to be out and about on her own. We wish to encourage each other to participate in this collective movement to assert our right to navigate public spaces on our own terms.

Amin'ny alalan'ity hetsika fanao isan-taona ity, kendrenay ny hanoherana ny fomba fisaina amin'izao fotoana izao mampihevitra fa tsy mendrika ho an'ny vehivavy na ireo olona tsy manaraka ny fenitra mahazatra ny hivoaka samirery ivelan'ny tranony. Maniry izahay hifanentana handray anjara amin'ity hetsika iombonana ity ary mba hanamafisana ny zonay hivezivezy amin'ny sehatra ho an'ny daholobe araka izay tianay.

Vehivavy maro no hita teny an-dalamben'i Karachi, Lahore ary Islamabad niaraka tamin'ny teny filamatra manohitra ny fanjakazakan-dehilahy sy ny tsy fitoviana. Nisioka ny Girls at Dhabas [7] hoe:

Andro tena nahafinaritra ny omaly. Nanana mpitaingina bisikileta miisa 70 izahay tao Islamabad, 70 hafa tao Lahore ary 30 tao Karachi.

Tsikaritra ihany koa ny afisy lehibe niaraka tamin'ny teny filamatra toy ny “Kodiarana Roa ho an'ny Patriarka” sy ny hoe “Fivoizana hiadiana amin'ny fanjakan-dehilahy”. Nisioka i Showbiz & News hoe:

Jereo ny #GirlsOnBikes [8] midina eny an-dalambe rehefa nitaky ny sehatra ho an'ny daholobe indray izy ireo ary nitaingina bisikileta mba ho fomba mahazatra ny zazavavy. Mankasitraka ireo vehivavy rehetra nivoaka mba hanohana ny hetsika.

Tsy ela dia naneho ny fomba fijeriny niaraka tamin'ny tenirohy #GirlsOnBikes ny olona ka nahatonga izany ho malaza tao amin'ny media sosialy. Raha niahiahy momba ny hoavin'ny vehivavy eny amin'ny toerana ho an'ny vahoaka, dia nisioka ny mpisera iray ho fanohanana:

Manantena aho fa hanampy amin'ny fizàrana mahita vehivavy mitaingina bisikileta any Pakistana ny hetsika #GirlsOnBikes. Nahatsiaro ho toy ny izay aho vao nahita ny faritra misy ny tanànako. Nofinofiko ny mba ho afaka mitaingina bisikileta eny an-dalàmbe izay handehanako fiara na posiposy isan'andro. Ary mihorakoraha ho amin'ny rahavavy rehetra mba hiara-mientana hatrany.

Nisioka hoe i Benje Williams [14], Tale Jeneralin'ny Amal Academy :

“Azontsika atao ny mitaingina bisikileta mandresy ny tondro-molotra sy ny maso mijery, ankoatra ireo mpampihena hafainganam-pandeha, na ireo lalana misy tsipika fandehanana antonony sy fandehanana mafy, ary mankany amin'ny tsy hita noanoa sy ny mihoatra izany”

Nisioka ilay mpihira Meesha Shafi [19] hoe:

Tena Alahady nampiala voly izany, niara-nitaingina bisikileta tamin'ireto mpiady ireto manerana ireo arabe izay nahazoako fanorisorenana, herisetra, antsoantso ary jerijery teo aloha! Ho hitanareo ry lehilahy fa vita hatreo izany !!! Mankasitraka ny @girlsondhabas tamin'ny hetsika fahatelo fanao isan-taona !

Betsaka ny sarin'ny mpandray anjara tao amin'ny pejy Facebook Girls At Dhabas [24] nifampahery tany amin'ny tanàndehibe Pakistaney samihafa, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, :

[25]

Mpitaingina bisikileta amin'ny sokajin-taona rehetra niray hina tamin'ny alalan'ny  pejy Facebook Girls at Dhabas [25]. Nahazoana alàlana.

[26]

Tao Islamabad, Pakistana [26] tamin'ny alalan'ny pejy Facebook Girls at Dhabas. Nahazoana alàlana.

[27]

Tao Lahore, Pakistana  [27]tamin'ny alalan'ny  pejy Facebook Girls at Dhabas. Nahazoana alàlana.

Nahazo fanakianana ilay fihetsiketsehana, ka avy amin'ny mpiseran'ny media sosialy izay voafaritra ny anjara andraikitry ny lahy sy vavy ary nambara ho fironana Tandrefana ny fihetsiketsehana. Nisioka i Momina Khan hoe:

Tsy tiako ity fironana vaovao “vehivavy mitaingina bisikileta” ity.  Lasa sahirana loatra miezaka manaporofo ny taranatsika fa afaka manao izay vitan'ny lehilahy iray ny Vehivavy ary very ny mampiavaka ny vehivavy. Tsy noforonina hanao ny zava-drehetra azon'ny lehilahy atao ny vehivavy. Noforonina mba hanao ny zava-drehetra tsy azon'ny lehilahy atao ny vehivavy.

Vakio ihany koa: Nanamarika Ny Fanoherana Ny Fankahalana Vehivavy Tany Pakistana Ny Diabe Aurat (Diaben'ny Vehivavy) [29]

Firenena patriarika i Pakistana izay ahitana ny toerana ho an'ny daholobe tsy natao ho an'ny vehivavy. Mbola finoana tazonina hatrany ao amin'ny firenena ny fiheveran-diso fa tsy mendrika ny vehivavy ny fipetrahana eny amin'ny toerana ho an'ny daholobe. Na izany aza, araka ny hitantsika ao amin'ny fihetsiketsehana ‘Vehivavy Mitaingina Bisikileta’, dia manomboka mahazo vahana ireo hetsika izay mitaky ny fahafahana mipetraka amin'ny toerana ho an'ny daholobe ary mba hanatanterahana ihany koa ny fitovian-jo ara-tsosialy, ara-politika, ara-toekarena ary ara-pananahana.