- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahavita Dingana Amin'ny Ady Amin'ny Fanavakavaham-Bolonkoditra i Costa Rica Raha Nifidy Vehivavy Mainty Hoditra Ho Filoha Lefitry ny Firenena

Sokajy: Amerika Latina, Costa Rica, Fifidianana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Epsy Campbell Barr nandritra ny fanentanana fifidianana 2018 amin'ny maha-kandidà filoha lefitry ny Repoblikan'i Costa Rica. Saripikan'i MadriCR, nozaraina mifanaraka amin'ny lisansa Creative Commons (Attribution-Share Alike 4.0 International).

Nampitaintaina ny maro ireo herinandro farany mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena Kostarikana. Hantsana lalina dia lalina no mampisaraka kandidà roa mifanipaka tafiditra fihodinana faharoa: Carlos Alvarado avy amin'ny Antoko Katroky ny Vahoaka (antoko efa eo amin'ny fahefana) sy i Fabricio Alvarado avy amin'ny Antokon'ny Fanarenam-Pirenena.

Amin'ireo kandidà anankiroa ireo, Fabricio Alvarado no niteraka loza fanairana ireo mpikatroky ny zon'olombelona [2] sy ny vondrom-piarahamonin'ny LGBTQI tamin'ny fitsipahany hiaro ny zon'ireo [3] vitsy an'isa ara-pananahana sy karazana (lahy/vavy/hafa) sy ny fampanantenana fa ny governemanta manohana ny “soatoavina fototr'i Costa Rica [4]” izay mahatafiditra ny vina nentim-paharazana ny fianakaviana sy ireo hevitra asongadin'ny kristianisma evanjelika.

Na izany aza i Carlos Alvarado no tonga teo amin'ny tampony. Niteraka fankalazana izay nihoatra ny sisintanin'i Costa Rica mihitsy aza ny fandreseny satria ny mpiray lisitra aminy ho filoha lefitra dia i Epsy Campbell Barr, mpahay toekarena amin'ny asany ary mpikatroka mandala ny zon'ny vahoaka taranaka Afrikana. 

Midika izany fa i Campbell Barr ankehitriny no vehivavy voalohany taranaka afrikana filoham-pirenena lefitra tsy ao Costa Rica ihany fa manerana an'i Amerika mihitsy.

Natevina dia natevina ny fanehoam-panohanana, indrindra fa ny avy amin'ireo hetsika latino-amerikana taranaka afrikana, izay mahita an'i Campbell Barr ho fandresena goavana amin'ny tolona ho any amin'ny seha-pahefana sy manangana politika fampidirana ny taranaka afrikana, izay mandrafitra ny eo ho eo amin'ny 30%-n'ny mponina [5] ao amin'ny kaontinanta, ho ao anaty fiaraha-monina.

Fanavakavahana “tsy hita maso”, tolona manerantany

Mieli-patrana any Amerika Latina ny fanavakavaham-bolonkoditra, saingy nivoatra araka ny taona ny fomba nirafetany ka tsy hivandravandra hatrany. Ao anatin'ny asan'ny maro amin'ireo vondrona mpikatroka sy fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ny famohazana ny olona hahafantatra ny fisian'ireny rafitra ireny sy ny fiantraikany.

Noho izany jery izany, nanasongadina ny maha-zavadehibe ny fananan'ny vondrom-piarahamonina taranaka afrikana fisoloantena eo amin'ny fitantanana ny governemanta ny fikambanam-pampitam-baovao Arzantina Emergentes [6] ary nifanakalo hevitra nampifandray ny fandresen'i Campbell Barr tamin'ny fahafatesan'i Winnie Mandela, Afrikana Tatsimo fanta-daza amin'ny maha-mpikatroka anti-apartheid azy [7].

Notaterin'ny Emergentes ireo fijoroana vavolombelona avy amin'ny olona maro fantatra endrika (ary tafiditra amin'izany ny iray amin'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity) sy ireo trangam-panavakavaham-bolonkoditra [8] izay namoahan'ny media vaovao momba azy io, hanoritana ny hasarotra sy ny hadadasiky ny olana :

…flagelos como la segregación, racismo y discriminación si bien no se muestran en las formas antiguamente conocidas, ahora mutaron y se diversificaron, adoptando posturas modernas que no distinguen entre sus practicantes a grandes o chicos.

… ny lozan'ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana, na dia tsy hita amin'ny endrika taloha aza, dia efa niofo sy maro isan-karazany amin'izao fotoana izao, maka fijoroana maoderina tsy manavaka azy ireo amin'ny mpanao azy, na lehibe na kely.

Ao amin'ny lahatsoratra, Jenniffer Mayren Urrutia Briñez, mpanao dokambarotra iraisampirenena sady mpanorina ny A-fro [9], tranonkalam-baovao sy fomba fiaina hoan'ireo taranaka afrikana, nanoritra ny fiantraika lehibe ateraky ny fifidianana an'i Campbell Barr ho filoham-pirenena lefitra:

Ha sido un camino difícil para la comunidad afrolatinoamericana para abrirse espacio en la política, así que el hecho de que una mujer afrodescendiente llegue a ocupar este cargo, se ha convertido hoy en día en un hecho inolvidable

Lalantsarotra no nodiavin'ny vondrom-piarahamonina taranaka afrikana hanokafana ny sehatry ny politika, hany ka toe-javatra tsy ho adinoina intsony ny fahitana vehivavy taranaka afrikana nahazo io toerana io.

Notohizany:

Este momento lo estamos esperando hace mucho, ya que es una forma de reivindicar no sólo a la comunidad negra costarricense, sino a toda la comunidad negra de América Latina. Es la forma de visibilizar nuestra existencia, las raíces afrodescendientes, la multietnicidad y multiculturalidad que existe en nuestros países, además de la importancia de la valoración a nuestra contribución en este continente.

Efa ela dia ela no niandrasanay io fotoana io, fa io no fomba iray hamerenan-kasina ny vondrom-piarahamonina mainty tsy ao Costa Rica ihany fa manerana an'i Amerika Latina mihitsy. Io fomba hampahitana ny fisianay, ny fototra taranaka afrikana, ny fahamaroam-poko ary ny fahamaroan-kolontsaina misy eo amin'ny firenenay, eo ankilan'ny fanomezan-danja ny fandraisanay anjara eto amin'ity kaontinanta ity.

Ao amin'ny Twitter, manaiky ny maha-zavadehibe ny fampifandraisana ny nahavoafidy an'i Campbell Barr amin'ny toeran-kafa ao amin'ny faritra nahitana famoizan'olona maro toy ny tany Brezila [10] sy Ekoadaoro [11] noho ny fikatrohana, asam-panjakana ary ny tolon'ny taranaka afrikana i Cristina Burneo mpampianatra sekoly ambony.

Ao Brezila, namono an'i Marielle Franco, mpikatroky ny zon'olombelona, izy ireo. Ao Ekoadaoro, namono an'i Gavis Moreno, vehivavy talen'ny fonja, ry zareo. Ao Costa Rica, nandresy i Epsy Campbell Barr. Anio manome voninahitra ireo vehivavy novonoina ny vehivavy taranaka afrikana.