Ireo Ankizy Anaty Krizy Sy Ny Andraikitr'Ireo Mpanao gazety – Ambarao Ny Media Izay Eritreretinao

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2006)

Aiza no toerana mampidi-doza indrindra ny maha-ankizy? Io no fanontaniana nipetraka tamin'ny fanadihadiana nataon'i AlertNet, tambajotra fampitandremana iray ho an'ireo fikambanana misahana ny maha olona, mba hanasongadinana ireo krizy sasantsasany adino eto amin'izao tontolo izao.

Hasongadina ny valiny mandritra ny adihevitra mikasika ny  andraikitr'ireo media mba hitatitra ireo “krizy adino” sy ny fomba tsara indrindra hanaovana izany. Nahoana ireo trangan-javatra maika sasantsasany no mahazo fandrakofana kokoa raha mihoatra amin'ireo hafa? Ary mahazo fisoloana tena sahaza azy ao anatin'ireo media mahazatra ve ireo ankizy anaty toe-javatra mety mampidi-doza?

Ny andraikitr'ireo blaogera

Asaina handray anjara ihany koa ireo mpamaky sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices, amin'ny maha-mpikambana eo amin'ny tontolo mediatika vaovao an'ny sehatry ny asa fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena sy amin'ny maha mpanjifa manandanja azy an'ireo media mahazatra.

Tany Londona no nisy ireo mpandahateny  saingy afaka nandray anjara koa ireo olona rehetra manana fidirana amin'ny aterineto. Nalefa nivantana tamin'ny feo teto ny adihevitra, ary ireo rehetra izay liana dia afaka nandray anjara avokoa tamin'ny adihevitra avy amin'ny IRC (internet relay chat) tamin'ny alalan'ny fampiasana ireo toromarika teo amin'ny pejy aterineto nandefa nivantana ny zava-nitranga .

Izaho sy ny mpanoratray avy ao Azia Atsimo Neha Viswanathan miaraka, dia samy ho ao amin'ny adihevitra mba hametraka ireo fanontaniana sy ireo fandraisana anjaran'ny vondrom-piarahamonina Global Voices amin'ireo mpandray fitenenana. Nalahatra hanomboka amin'ny 2ora UCT/GMT ny adihevitra.

Io no hetsika voalohany ao anatin'ny fandraisana andraikitra vaovao ataon'ny AlertNet, ny Media Bridge-ny, izay mikendry ny hanatsaràna ny fandrakofana media an'ireo krizy mikasika ny maha olombelona.

Noho izany, ahoana no mety havalina ny fanontaniana hoe “Aiza no toerana mampidi-doza indrindra amin'ny maha-ankizy?”

Ireto avy ireo antony izay nangatahan'ny AlertNet tamin'ireo mpanao gazety sy ireo mpiasa matianina mikasika ny maha-olona ny handraisan'izy ireo ny fanadihadiany mikasika izay heveriny ho toerana mampidi-doza, na loza mananontanona ho an'ireo ankizy:

fifandonana mitàm-piadiana (ao anatin'izany mety handraisana ireo ankizy hanao raharaha miaramila)
karazana herisetra ara-batana rehetra (ivelany na ao anaty fianakaviana)
herisetra ara-tsaina
famindrana toerana
fanararaotana ara-nofo sy fanondranana antsokosoko
fampanambadiana aloha loatra
zaza miasa
tsy fisian'ny taratasy ara-dalàna, anisan'izany ny firaketana fahaterahana
tsy fisian'ny fiahian'ny ray amandreny
famonjana tsy misy antony mazava
tsy fisian'ny fahalalahana maneho hevitra
fanavakavahana noho ny maha-lahy sy maha-vavy, ny foko na ny fahasembanana
fahantrana
VIH/SIDA sy ireo aretina hafa
tsy fisian'ireo tolotra tena ilaina (ao anatin'izany ny fanabeazana sy ny fitsaboana)
hanohanana

Firenena maherin'ny 40, ao anatin'izany Etazonia, no hita tao anatin'ireo naroso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.