- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Anatin'ny Famoretana Ny Mpanohitra, Vietnamiana 6 Mpikatroky Ny Zon'Olombelona No Miady Amin'ny Sazy An-tranomazina Maharitra

Sokajy: Azia Atsinanana, Vietnam, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Cấn Thị Thêu, mpikatroka mavitrika amin'ny zo hanan-tany, mitarika diabe miaraka amin'ny zananilahy, Trịnh Bá Tư. Hoy ny vakin'ny sora-baventy: “Ny Rariny ho an'ny Mpirahalahy miandany amin'ny Demaokrasia.” Sary: pikantsary tao amin'ny/Trịnh Bá Tư [1]

Ity lahatsoratra [2] nosoratan'i Kathy Triệu ity dia avy amin'i Loa, tranokalam-baovao sy podcast (fandraketam-peo) an'i Viet Tan izay mandefa tantara momba an'i Vietnam. Navoaka tato amin'ny Global Voices indray izany noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mpikatroka enina no voaheloka higadra eo anelanelan'ny fito ka hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina noho ny fiampangana “fanakorontanana” taorian'ny fitsarana nandritra ny tontolo andro tao Hanoi. Ireo no sazy henjana indrindra navoakan'ny fanjakan'antoko tokana ao Vietnam.

Nahazo ny sazy lava indrindra mandritra ny 15 taona sy dimy taona mihidy an-trano ambenana ilay mpisolovavan'ny zon'olombelona Nguyễn Văn Đài, 48 taona.

Araka ny voalazan'ny mpisolovava, Luân Lê, izay miaro ny sasany amin'ireo voampanga, nilaza i Nguyễn Văn Đài raha mbola tao anatin'ny efi-pitsarana narovana mafy  fa “ny famindrampo ho an'ireo mpanohitra ara-politika amin'izao fotoana izao dia tena fihetsika famindrampo ho an'ny tenanao amin'ny ho avy.”

Trương Minh Đức nizara fihetseham-po mitovy amin'izany, milaza hoe: “Tsy manenina aho. Mitondra ahy any amin'ny fitsarana ianao androany, fa rahampitso dia mety hiatrika fitsarana ianao. “

Lê Thu Hà, mpisolovava manampy an'i Nguyễn Văn Đài, izay nosamborina niaraka taminy tamin'ny Desambra 2015 kosa nahazo sivy taona an-tranomaizina. Pastora Loterana Nguyễn Trung Tôn sy Trương Minh Đức samy nahazo sazy 12 taona an-tranomaizina. Nguyễn Bắc Truyển sy Phạm Văn Trội nahazo sazy 11 sy fito taona an-tranomaizina. Ankoatra an'i Lê Thu Hà, efa nogadraina mialoha ireo bilaogera sy olon-tsotra mpanao gazety.

Mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy ho amin'ny Demokrasia (BFD) izy enina, fikambanana izay mampiroborobo ny fandraisana andraikitra sivika ary manome fiofanana momba ny zon'olombelona. Nijoro tamin'ny taona 2013 ny vondrona, miaraka amin'i Nguyễn Văn Đài izay iray amin'ireo mpikambana mpanorina.

Tapitra ny fitsarana ireo mpikatroka Vietnamiana 6.
Nguyen Van Dai 15 taona an-tranomazina
Nguyen Van Troi 7 taona an-tranomazina
Nguyen Trung Ton 12 taona an-tranomazina
Nguyen Bac Truyen 11 taona an-tranomazina
Truong Minh Duc 12 taona an-tranomazina
Le Thu Ha 9 taona an-tranomazina pic.twitter.com/S5bUmjofvi [3]

Tsindry mafy dia mafy amin'izay manivaka fiteny

Maneho hevitra momba ny fitsarana, nilaza i Lê Thị Thu Hằng [5], mpitondratenin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny fa, “tsy misy zavatra tahaka izany hoe “gadra noho ny fanehoan-kevitra” izany ao Vietnam, ary tsy misy izany hoe olona samborina noho ny “fanehoana hevitra an-kahalalana”  

Faingana ireo olona namaly tao amin'ny Twitter.

Mba vazivazy koa re izany. Misaotra an'ireo izay sahy nanontany voalohany. Tsy tokony hamela ny manampahefana hiala mora amin'ny adidin'izy ireo iraisampirenena mikasika ny zon'olombelona ny delegasioina vahiny ao Vietnam

Andro mampalahelo ho an'ny #PressFreedom (Fahalalahan-gazety): Andro iray monja nitsarana hanomezana ny anjaran'ireo mpikatroka sy bilaogera #Vietnam miisa 6, anisan'izany ilay bilaogera Nguyen Van Dai, voaheloka higadra 15 taona, sy ilay mpanao gazety menavazana Truong Minh Duc, voaheloka higadra 12 taona an-tranomaizina.

Ny fikarohana farany indrindra avy amin'ny Amnesty International [13] dia mampiseho fa efa manakaiky ny 100 ankehitriny ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra any Vietnam. Tamin'ny taona 2017 fotsiny, maherin'ny 40 ireo mpikatroka voasambotra, namoahana didy fampisamborana na nalefa an-tsesitany [14] tao anatin'ny famoretana tsy mitsahatra ny fahalalaham-pitenenana.

Niampanga [15] ny fanamelohana ihany koa ny Vondrona Eoropeana. Nilaza ny mpitondratenin'ny Vondrona Eoropeana avy amin'ny Sampan-draharaha misahana ny Hetsika Ivelany Eoropeana (EEAS) fa “manohy amin'ny fironana ratsy amin'ny fanenjehana sy fanamelohana ireo mpikatroky ny zon'olombelona sy bilaogera” ny any Vietnam.

Nilaza tamin'ny Loa i Nguyễn Trung Trọng Nghĩa, zanaky ny pastora Nguyễn Trung Tôn fa vaky fo noho ny sazy izy sy ny fianakaviany. Nitety izao tontolo izao  [16]i Nghĩa, fantatra koa amin'ny anarana hoe Effy mba hiaro ny rainy sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny BFD:

It’s really horrible because my grandmother is already 90 years old. I don't think she’s going to last the next 12 years,” he said. “I don't think my father will get the chance to see her again. [We are] a family who has a member dedicating their lives to society and this is what we get from the government.”

Tena mahatsiravina satria efa 90 taona ny renibeko. Tsy mihevitra fa mbola haharitra 12 taona manaraka izy,” hoy izy. “Tsy mihevitra aho fa ho afaka hahita azy indray ny raiko. [Fianakaviana] ahitana olona nanokana ny fiainan'izy ireo ho an'ny fiarahamonina ary dia izany no azonay avy amin'ny governemanta. “

Fanohanana ao an-toerana sy manerantany

Talohan'ny fotoam-pitsarana, nanao diabe roa kilaometatra niainga tao amin'ny Fiangonana Thái Hà hatrao amin'ny fitsarana ao Hanoi ireo mpanohana mba haneho firaisankina amin'ireo mpikatroka enina. Nisy horonantsary mivantana tamin'ny Facebook [1] izay nampiseho ny fanentanana ary novakian'ny mpitandro filaminana sy ny polisy manao fanamiana sivily nony farany. Araka ny filazan'ny masoivohom-baovao iraisam-pirenena AFP [17]mpandray anjara roa farafahakeliny no nampidirin'ny mpitandro filaminana tanaty fiara tsy misy marika manokana, ary maro hafa no nampidirina tanaty fiara fitateram-bahoaka.

Tamin'ny andro mialoha ny fitsarana, olona an-jatony manerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanany ho an'ireo mpikatroka tamin'ny alalan'ny fizarana sary miaraka amin'ny marika hoe “Tsy heloka ny demokrasia” sy miaraka amin'ny tenirohy hoe #HAEDC, izay midika hoe Firahalahiana hoan'ny Demaokrasia.

“Tsy heloka bevava ny demokrasia. #HAEDC” Mpikatroka Héctor Castañón sy ny fianakaviany ao Meksika. Sary: Facebook Việt Tân

Nanasongadina ny raharahan'ireo mpikatroka ireo efa naharitra ho roa taona ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny zon'olombelona sy ny fianakavian'izy ireo, ary nahasarika ny sain'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana [18] mihitsy. Nihaona tamin'ireo masoivoho miisa fito ny mpikambana ao amin'ny fianakavian'ireo mpikatroka talohan'ny fitsarana mba hitalaho fanohanana sy fidirana an-tsehatra.

Manampahefana ara-politika avy ao amin'ny masoivohon'i Etazonia, Fanjakana Mitambatra, Frantsa, Alemaina, Soeda, Norvezy sy Aostralia miaraka amin'ireo fianakavian'ireo mpikatroka. Facebook Huyen Trang [19].

Satria tapitra ny fitsarana, na dia miatrika sazy folo taona mahery an-tranomaizina aza, nilaza i Nguyễn Bắc Truyển hoe “hanohy hitolona aho ary raha tsy maintsy mijanona ao am-ponja aho, hitolona ho ahy ny hafa any ivelany ary tsy hitsahatra amin'izany velively ry zareo.”