- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Tantara Tianay Hotantaraina Ao Amin'ny Global Voices: Andrana Iray.

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, efitrano famoahambaovao, gv-summit, vovonana, GV Vovonana 2017

Jessica Anderson, Belen Febres-Cordero, sy Arash Aziz manavao ny pejy fandraisan'ny Global Voices tamin'ny fihaonan'ny mpanoratra ao amin'ny efitrano famoahambaovao tao amin'ny Hotely Mount Lavinia, Colombo, Sri Lanka. Sary nalain'i Sahar Habib Ghazi. CC-BY-NC.

This post is part of series of reports on newsroom activities at the Global Voices Community Meeting in Colombo, Sri Lanka on Nov 28-Dec 1, 2017…. Ampahany amin'ireo andiana fanadihadiana momba ireo hetsikin'ny efitrano famoahambaovao amin'ny Fihaonan'ny Vondrompiarahamonina Global Voices tany Colombo, Sri Lanka ity lahatsoratra ity.

Iray andro tsy anombohan'ireo fihaonana tao Colombo niarahana tamin'ireo mpikambana 130 ao amin'ny vondrompiarahamonina, nifamory iray andro handinika sy hisaina momba ny hoavintsika ireo toniandahatsoratra ao amin'ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices sy ireo mpikambana ao amin'ny fitantanana.

Tao amin'ny lahatsoratra mialoha ity, nomaney ny topimaso momba ny fomba nanamboaranay ny fandaharam-potoana [1] ho an'ny fihaonan'ny efitra famoahambaovao, ny resakay momba ny iraka efaina [2], momba ny vondrom-piarahamonina [3] ary ireo tantara tianay ho tantaraina [4]. Fanarahana maso ireo lahatsoratra farany tamin'ny tantara [4] ity lahatsoratra ity.

Tamin'ny ampaham-potoana faharoan'ilay fihaonan'ny mpitantana, nizara ho vondrona misy olona dimy ireo toniandahatsoratra ao amin'ny efitrano famoahambaovao sy ireo mpitarika tetikasa mba hieritreritra ny pejy fandraisana heverina ho mendrika amin'izy ireo, izay ahitana ohatra dimy amin'ireo tantara tian'izy ireo ho tantaraina ary mifanaraka amin'ny iraka efain'ny GV. Afaka foronina tanteraka na miainga amin'ny zavatra tena misy amin'ny fiainana ireo tantara ary heverina fa maneho ny fahasamihafan'ny faritra sy lohahevitra.

Manavao ny pejy fandraisana amin'ny Global Voices.

Niafara taminà tantara momba ny fahalalahana miteny sy hafa momba ny zon'olombelona ilay fikaonandoha, hatramin'ireo tantaram-pifandraisana miampita sisintany sy ireo ezaka hanova ny toejavatra efa tsy niova hatrizay.

Ireto ireo pejy fandraisana navaozina noeritreretinay:

Pejy fandraisana 1:

Pejy fandraisana 2:

Niantso ny tenan'izy ireo ho “Tsy Afa-po” ny vondrona faharoa ary te-hahita bebe kokoa : tafatafa (manana loharanon-kevitra hitantarana tantaran'olona, mitantara tantara amin'ny fomba fiteniny)
– tantara momba ny fanoherana.
– famakafakàna/adihevitra ( Tetezana misimisy kokoa; tokony hahavita hanitsy ireo tantara fanelanelanana – toy ny Tetezana mampifandray – ireo toniandahatsoratra any amin'ny faritra fa tsy hoe mivangogo eto fotsiny)
– mivoaka faritra / tantara ifandrimbonana
– tombotsoan'ny olona / tantara ara-kolontsaina / tantaran-tsaka / tantara mampiomehy.

Pejy fandraisana 3:


Pejy fandraisana 4:

Pejy fandraisana 5:

Ireto ireo lahatsoratra tany aloha tao amin'ity andiany ity: