- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona no Novakian'ny Mpamakin'ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 2-8 Avrily 2018?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Karaiba, Oseania, Mediam-bahoaka
[1]

Sary avy amin'ny mpisera Flickr Eric Rice. CC BY-NC-ND 2.0

Mikaroka, manoratra, manitsy, ary mandika tantara ao anatin'ny iraka hanohana ny zon'olombelona sy hananganana tetezam-pifankahazoana mihoatra firenena, kolontsaina ary fiteny ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices.

Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay hanangonana ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa miezaka kosa izahay hitsongo dia ijerenay ny fiantraikan'ny asa mafy ataonay manerana izao tontolo izao.

Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 2-8 avrily 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 209 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tamin'ny fitsidihana ny tranokalan'ny Global Voices :

1. Japan
2. Etazonia
3. Brezila
4. Frantsa
5. Però
6. Meksika
7. Espaina
8. Colombia
9. India
10. Arzantina
11. Taiwan
12. Fanjakana Mitambatra UK
13. Bangladesh
14. Italia
15. Alemaina
16. Rosia
17. Canada
18. Filipina
19. Indonezia
20. Shily

Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator [2] avy ao amin'ny Random.org ary hitopi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:

128. Brunei
60. El Salvador
182. São Tomé & Príncipe
168. Mayotte
53. Thailandy

Global Voices teny Anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

1. Look What Large-Scale Mining Did to These Four Beautiful Philippine Islands [3] (nivoaka voalohany tamin'ny taona 2015)
2. How English-Language Pronouns Are Taught Around the World [4]
3. Bangladesh Is the World’s ‘Most Vegetarian Country’? Not Quite. [5]
4. Marvia Malik, Pakistan’s First Transgender Newscaster, Wants to Change Societal Attitudes Toward Her Community [6]
5. A Children’s Costume Contest in Macedonia Sparks Outrage With ‘Portable Adolf’ Hitler Entry [7]

Global Voices Lingua

Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.

Arabo

Aymara

Bangla

Boligara

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nentim-paharazana)

Tseky

Holandey

Esperanto

Farsi

Frantsay

Alemà

Grika

Hindi

Hongroà

Italiana

Japoney

Koreana

Kiorda

Makedoniana

Malagasy

Nepali

Poloney

Portiogey

Punjabi

Romaniana

Rosiana

Serba

Espaniola

Tiorka

Urdu