- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amerikana Manao Fangatahana Ara-Pitsarana Ao Shina

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Atsinanana, Etazonia, Shina, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nivoaka vaovao [1] i Julie Harms, Amerikanina nahazo diplaoma tao Harvard satria iray na vitsy, na angamba vahiny voalohany mpanao fangatahana ara-pitsarana tany Shina izy. Ny tranga nisy azy dia fitarainana amin'ny governemanta satria nogadraina noho ny fiampangana izay nolazainy fa tsy marina ny fofombadiny, Liu Shiliang. Nihaona tamin'i Liu Shiliang izy folo taona lasa izay raha nandeha tany Shina. Natao fombafomba izy ireo tamin'ny taona 2007, saingy nahemotra ny fampakaram-bady noho ny fifanolanana teo amin'ny mpifanolo-bodirindrina tamin'izany taona izany, ary nosamborina i Liu tamin'ny volana jona tamin'ity taona ity noho ny fiampangana azy tamin'ny fitsofohana tsy nahazo alalana amin'ny tanin'ny hafa.

Nanapa-kevitra i Julie fa hiditra amin'ny rafitra fangatahana ara-pitsarana any Beijing tamin'ity taona 2009 ity satria tsapany fa tsy nahavita nandamina ny fifandirana tamim-pahamarinana ny rafi-pitsarana eo an-toerana. Rafitra ara-panjakana mba handrenesana ireo fitarainana sy alahelo avy amin'ireo olon-tsotra ao Shina ny rafitra fangatahana sy fitsidihana ara-pitsarana [2] (xinfang). Ny fanjakana foibe sy ny birao ao an-toerana misahana ny taratasy sy fitsidihana no tompon'andraikitra amin'ny fandraisana taratasy, fiantsoana ary fitsidihana avy amin'ny olona na vondrona.

Raha mbola tsy nivoaka ny didim-pitsarana, dia tsaran'i Julie tamin'ny fanaovana taratasy fangatahana ny fahasamihafan'ny rafi-pitsarana Shinoa sy Amerikana. Araka ny fanehoan-keviny (avy amin'ny tati-baovao etsy ambony):

Local authorities are essentially counting on the fact that the local people don't have that much knowledge of the law. I think it's a shame.

Miankina amin'ny zavamisy fahita fa tsy dia manana fahalalana betsaka momba ny lalàna ny mponina ao an-toerana. Hitako fa henatra izany.

.Miresaka ny elanelana eo amin'ny lalàna sy ara-kolontsaina misy eo amin'i Shina sy i Etazonia ny fanehoan-kevitra ao amin'ny sina forum [3]:

新浪网友 (2009-12-18 19:12:50): 外国人在中国上访,是因为他们还按照自己的国家的那种法律制度思维办事, 但是他们不知道这是中国,我们国人都已经习惯了,只是外国人还没有习惯中国的国情而已。 这么说,有些无奈,也有些可悲。但是这是事实!

Manao fangatahana ara-pitsarana any Shina ny Tandrefana satria misaina araka izay ao anatin'ny rafitra ara-dalàna ao amin'ny fireneny ry zareo. Tsy takatr'izy ireo fa any Shina izy ireo. Raha efa zatra izany isika Shinoa, dia mbola mila mizatra ny fomba Shinoa ny Tandrefana. Mampalahelo izany, saingy zava-misy!

手机用户 (2009-12-18 19:50:18): 看来老外还是不了解国情,为法律、人权根本不存在的东西白费劲

Toa mbola tsy zatra an'i Shina ny tandrefana; mangataka tany tan-dalàna sy zon'olombelona izy ireo- zavatra izay tsy misy ao Shina!

新浪网友 (2009-12-18 20:17:46): 信访不过是个摆设罢了,还这会有人把这当回事,与其去上访,还不如花心思想办法把事情在网上炒火了更有效果

Fisehosehoana fotsiny ny rafitra fangatahana ara-pitsarana. Ho an'ny olona izay mbola mihevitra fa ilaina izany, dia manoro hevitra azy ireo aho mba hampahafantatra ny raharaha ara-pitsaran-dry zareo amin'ny media hampisy fiantraikany..

Ahitana fanehoan-kevitra amin'ny lafiny ratsy kosa ny forum  NetEase [4]

网易北京师范大学网友 (2009-12-16 00:27:19): 我很不想贬低我的祖国,但我不得不说,姑娘带着你的丈夫走吧,中国的三十六计里边走为上策,此时此地的中国确实不是你们美利坚长大的人能够混得下去的地方,而究竟什么时候中国才能成为普适性的人类居住的国家,也是个未知数,至少现在,法律在中国充其量只是摆设,是你这种哈佛毕业生无法了解的。

Tsy te hanambany ny fireneko aho, saingy tsy vitako ny tsy hilaza hoe: mialà ao amin'ity firenena ity ianao sy ny vadinao. Tsy toerana ahafahan'ireo Amerikanina hiavotan-tena i Shina. Tsy azo antoka ihany koa raha ho lasa toerana misy ny soatoavina hajaina manerantany mety amin'ny fiainan'ny olona i Shina. Farafaharatsiny, tsy mila manana tany tan-dalàna i Shina ankehitriny. Izany mihitsy aza no mbola tsy azon'ilay nahazo diplaoma tao Harvard.

网易河北衡水网友 (2009-12-13 09:21:01): 在中国这个“神秘”的国度,很多事情是很奇怪的。希望她能最后得到她想要的结果吧。把这事拍成电影吧,在这国度,事情搞大了可能有解决的办法。

Misy zavatra hafahafa marobe ao amin'io fanjakana mistery io. Manantena aho fa hahavita izay antenainy izy. Manaova sarimihetsika mikasika ilay raharaha – eto amin'ity firenena ity, mety hisy olana ho voavaha rehefa mahasarika ny saina ianao.

Ao amin'ny fanehoan-keviny, i Xu Jingsheng (徐经胜) milaza [5] izay tsy azon'i Julie Harms:

暂且不论这个“洋秋菊”的中国未婚夫刘士亮被以“非法侵入他人住宅”拘捕是不是合法,仅仅就她上访的情况看,几个月的奔波肯定让她感受到了文化与法律制度之间的差异与隔阂。就在前几天她去公安部信访处时,一位信访接待人员对她说,“公安部对你的事情很重视,部长几次就你反映的问题进行了批示”,她还是不明白这到底意味着什么

Amin'ny tsy fahazoana ny antsipirian'ny raharaha, ny volana maro nanaovana fangatahana no tokony hahatakarany fa tsy mitovy amin'ny any Etazonia ny kolontsaina sy ny rafi-pitsarana aty Shina. Andro vitsy talohan'ny nandehanany any amin'ny birao fangatahana ara-pitsarana, nilaza taminy ny manamboninahitra iray hoe “Efa mikarakara matotra ny raharahanao ny filaminam-bahoaka. Nanome torolàlana momba ireo olana nolazainao ny minisitra.” Mety mbola tsy azony ny hevitr'ity fehezanteny ity.

很多上访者都是有道理的,但这些有道理的问题在很多时候都难以依法得出解决。在不少地方特别是基层,不少上访者的问题本是可以依法解决的,但是,不少时候,相关法律法规却被有些人置之一边“闲置”不用,有时只有等到有领导重视了,相关法律法规才有用武之地,这时候,有关法律法规才能“履行”其自己的责任。可以说,在有些地方,有些时候,不同程度存在着只有领导重视了法律才管用的现象。

Na dia maro aza ireo mpanao fangatahana manana ny rariny amin'ny fangatahan'izy ireo, tsy voavaha araka ny lalàna ny olan'izy ireo. Matetika mety ho voavaha amin'ny ambaratonga ambany kokoa ireo olana. Na izany aza, tsy raharahiana sy ataon'ny mpiasa tsirambina ny fepetran-dalàna, raha tsy mijery izany ireo manampahefana ambony. Mahita trangan-javatra isika fa matetika rehefa manoma lanja azy ihany ny eo amin'ny fitondrana vao miasa ny rafi-pitsarana [ao Shina].

而目前很多上访者的目的,就是想引起相关领导的重视,而只有领导重视了,批示了,上访的问题好像就容易解决了。否则,即使上访几个月甚至几年,上访的问题都难以解决。对于这种现象,“洋秋菊”朱莉•哈尔姆斯在短时间内肯定是难以理解的。而在一定程度上,这个“洋秋菊”所不理解的地方,正是我们法制社会所欠缺并亟需得到弥补的。

Ny tanjon'ireo mpanao fangatahana maro dia ny hisarika ny sain'ny mpitondra. Rehefa mandinika ny olana sy manome toro-lalana ny manampahefana vao voavaha ny olana. Raha tsy izany, tsy misy fanantenana ny famahana ny olana, na dia manao fangatahana mandritra ny volana maro sy taona maro aza ianao. Mety hoe tsy mahatakatra an'izany i Julie Harms, ary amin'ny ankapobeny, izany tsy fahatakarana izany dia fandinihana fa mila hahitsy ny rafi-pitsarana eto amintsika.