- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Tao Amin'ny Twitter, Nasaina Nangina Ireo Mpikatroka Ho An'ny Zon'Olombelona

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2011)

Nasaina nangina ireo mpikatrokan'ny zon'olombelona ao Arabia Saodita, izay nanohana ny heviny teo amin'ny Twitter, tranonkala fandefasana bilaogy madinika .

Noho ny fisamborana an’ [1]i Dr Mohammed Alabdulkareem, lasa lohalaharana tamn'ny fironana ilay tenifototra #Avoahy i Dr Alabdulkareem miaraka amin'ny antso avo ho an'ny famotsorana ity mpampianatra eny amin'ny oniversite ity, notazomina taorinan'ny namoahany lahatsoratra momba ny fampiharana ny lalàna pôlitika ao anatin'ny fianakavian'ny mpanjaka. Teraka avy amin'izany ny fifanakalozana mafàna teo amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona, solontenan'ny governemanta sy ireo mpampiasa ny aterineto amin'ny ankapobeany.

Teo amin'i Abdulrahman Alenad [2] [amin'ny arabo sy anglisy], mpikambana ao amin'ny Antenimiera Fakankevitra Saodianina (Shura) [3] [amin'ny anglisy] sy ny mpisolovavan'i Dr Alabdulkareem, Waleed Abulkhair [amin'ny arabo] [4]no nitranga ny fifanakalozana tena nahery vaika indrindra.

I A.Alenad no nanomboka ilay fifanakalozana tamin'ny fiantsoana an'i Dr Alabdulkareem hoe tsy matotra noho ny famoahany lahatsoratra tahàka iny. Nitaky fialantsiny avy amin'ilay mpikambana ao amin'ny filankevitra noho ny tsy fahaizany manaja i Me Abualkhair. Tsy nanaiky ity farany ary niteny tamin'i Me Abulkhair mba hikombom-bava tao anaty fiteny mahery setra. Ara-bakiteny no nandefasany azy “hiraoka ahitra” (Kol Tebin, ‘mihinana mololo!) ary veivety foana dia fantatry ny tontolon'ny Twitter Saodiana ilay tranga, izay niteraka lahatsoratra maro ahitana hatezerana sy esoeso ary tenifototra manokana #koltebin [5]

Tantara:

Fanta-daza amin'ny fisoloany vava ho an'ny zon'olombelona i Waleed Abulkhair. Niaro raharaha betsaka tao amin'io sehatra io izy, tahaka ny an'i Samar Badawi [6]. Ny an'i Abdulrahman Alenad indray, raha ny rakipiainany navoaka teo amin'ny Twitter [2] [amin'ny teny arabo] no jerena, mpampianatra fifandraisana amin'ny daholobe izy, mpikambana ao amin'ny Antenimiera Fakankevitra Saodiana sy ny Fikambanana Ho An'ny Zon'Olombelona ao Arabia Saodita.

Izany tokoa ve?!

Teo amin'ny Twitter, miampitampita avy amin'ny esoeso sy hatezerana ny fihetsehampo.

Miezaka mananatra an'i A. Alenad ny hain'ny fitsikerana mahomby i Abdulrahman Alswaid [7] [amin'ny arabo]:

@aalenad النقد الهادف للاصلاح يا دكتور لا يعيش مع التعالي وسحق الاراء المخالفة وعدم العدل و الهبوط بلغة الحديث و امتطاء ظهرالوطنية #Koltebin

Tsy mivelona amin'ny fanamboniantena na ny tsy rariny ny fitsikerana mahomby ; tsy mivelona ihany koa amin'ny fanakànana ny fanehoankevitry ny hafa, amin'ny fampiasana fiteny tsy manaja na koa amin'ny fitenenana hoe tia tanindrazana ny tena.

Manoro hevitra an'i A. Alenad tsy hiroso intsony i Abdulaziz Alnuaim [8] [amin'ny arabo]:

@aalenad يارجل اعتذر عما بدر منك تجاه الجميع فالاعتذار من شيم الكبار اما الصغار هم فقط من يعجزون عن الاعتذار #Koltebin #FreeDrAlabdulkarim

Atolory ny fialantsininao noho ny teninao. Hatsaram-pitondrantena ny fahaizana miala tsiny ! Ireo olona ambany loatra ihany no tsy afaka mandray fanapahankevitra haneho ny fialantsininy.

Mandritra izany, nisaoran'i Alathoub Abdulaziz [9] [amin'ny arabo] i A. Alenad noho ny nisafidianany voambolana avo lenta:

#Koltebin @aalenad المواطن السعودي متعود على أكل التبن .. بس لما تكون من عضو بمجلس الشورى لها طعم خاص .. شكراً لمعاليكم

Zatra voaesoeso ny olompirenena saodiana, fa rehefa mivoaka avy amin'ny mpikambana iray ao amin'ny antenimiera ny teny ratsy, manana tsiro manokana ilay izy. Misaotra Ny Andriana !

Teo amin'ny bilaoginy, tafintohina i Ahmed Al Omran atao hoe Saudi Jeans [10] [amin'ny anglisy] :

Nisy fotoana aho natahotra an'ireo teny nosafidian'i A. Alenad ary nihevitra aho fa disodiso ny lelany.

Nandeha tamin'ny fanehoankeviny momba ny toe-javatra izay nanadinoan'ny Saodiana ny hevitra voalohany tao ambadikin'ilay tenifototra i Rin [11] [amin'ny anglisy], eo amin'ny Twitter:

Mampihomehy fa be mpitady noho ny #freedralabdulkarim ny #koltebin .. Vitan'ny olona foana ny manisy manatavy zavatra tsy ilaina ary adinony ny tigetra.

Manazava ny dikan'ilay fehezanteny manevateva i Mishaal Alkhulaiwi [12] [amin'ny anglisy]:

Miraoka ahitra = kol tebin 😛 Tsy manan-katao ny olona toa anao 😀 #koltebin

Nanazava ny maha-tena miavaka an'io fanevatevàna io i Omar Al Hajjaj [13] [amin'ny arabo]:

#koltebin عندما يكون التبن مقدم من شخصية اعتبارية فلا شك انه تبنا معتبر!!!

Rehefa avy any ambony any ny teny ratsy, teny ratsy ambony toerana izany ilay izy !

Maneho ny heviny koa i Faayed Alelaiwee [14] [amin'ny arabo] ao amin'ny bilaoginy:

الأدهى والأمر أن العناد عضو جمعية حقوق الإنسان!!
أردناه يحمي حقوقنا فأكلنا تبنا

لكن لاتلوموه فهو ليس منتخب فليقل مايشاء!

Ny maha-mpikambana an'i A. Alenad ao amin'ny Fikambanana Mpiaro Zon'Olombelona no tena ratsy noho ilay teny ratsy !
Hiaro ny zonay no angatahanay aminy fa tsy ny hanevateva anay !

Tsy hadisoany anefa izany, tsy nofidiana izy, avelao izy hiteny izay tiany !

Nanoratra lahatsoratra feno hatezerana ary mitondra ny lohateny hoe: “Ry olompirenena Saodiana, mangina ianao!” {amin'ny arabo] [15] i Hadi Fugaihi ao amin'ny Someone blog.

Ary izao?

Nanoratra lahatsoratra [16] [amin'ny arabo] i W. Abualkhair nataony ho an'i Abdulaziz Kassim [17] [amin'ny arabo] ary navoakany teo amin'ny toerampiresahana eo amin'ny Google [18] [amin'ny arabo] : maneho ny hadisoampanantenany ho an'ny fireneny izy

كم هو مجتمعنا قاسي .. كم هو مؤلم يا أبا أسامة ..

وإلى ذلك الحين سأتحمل من الدكتور العناد أمره لي بأن ( آكل تبن ) ومن التميمي
وصفه إياي بأني غوغائي ومن القاضي الرفيع تهديده بالانتقام .. ومن المسؤول
تحذيره إياي من دخولي السجن..

ومن والدتي الرؤوم الوجلة إلحاحها علي مراراً بأن لا أفجعها يوماً بخبر مسيء عني ..

ومن المجتمع الذي لا يرحم ينتظر متى ينهش عرض المدافع عن المظلومين فيه ..

Tena sarotra ve ny atao hoe Saodiana, ry namako malala?!
Raha mbola tsy mivoaka ny marina, raidko ho andraikira ny fanevatevàn'i Alenad ary koa ireo fampintandremana sy fandrahonana ofisialy rehetra.
Azoko koa ny fisisihana tsy tapitra ary feno fitiavana avy any amin'ny reniko mba tsy hanafintohina azy amin'ny vaovao ratsy momba ny tenako aho indray andro any.
Farany, raisiko ho andraikitra ny rehetra ao amin'ny fiarahamonina iray tsy manana fangorahampo ho an'ireo miaro ny voaporitra.

Etsy ankilany kosa, mitazona ny teniny ilany mpikambana ao aminn'ny filankevitra [19] [amin'ny arabo]:

كل من يتطاول على الدولة والأسرة المالكة ويسيء للوطن يستحق ان يأكل تبن… هذا رأيي وأنا حر في التعبير عنه #Libérez le Dr Alabdulkarim #Koltebin

Na inona na inona resaka momba ny fitsipika sy ny lalànan'ny firenena na koa momba ny fianakavian'ny mpanjaka dia mendrika ny hompaina, io ny hevitro ary malalaka ny hampahafantatra azy aho !