Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

09 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 09 Avrily 2018

Vietnam: Nangataka Ireo Mpisera Aterineto Mba Hanampy Azy Hitady Ny Zanany Tsy Hita Ny Raim-pianakaviana Iray

Nitady ny zanany vavy tsy hita nandritra ny 15 taona ny raim-pianakaviana Vietnamiana iray. Nandeha tany amin'ny toerana maro samihafa izy mba hikaroka ny zanany vavy. Nanangana tranonkala iray izy mba hanangonana sori-baovao sy fangatahana fanohanana avy amin'ny mpisera.

Mihahenjana Ny Toe-draharaha Ao Kashmir Taorian'ny Nahafatesan'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana, Miaramila Ary Ireo Ahiana ho Mpitolona Mitam-Piadiana

"Namela zaza kamboty 17 volana ny iray tamin'ireo sivily maty tao Shopian. Niantso an'i Kashmir ny voina."

Kazakhstan: Miresaka Momba Ireo Sangany Ara-politika sy ny Toekarena Ny Bilaogera

Mbola mitoetra ho lohahevitra mafana eo amin'ny tontolom-bilaogy Kazakhstani ny ady anatiny ifanaovan'ny samy sangany sy ny ady amin'ny kolikoly, saingy mahatonga ny bilaogera hitatitra ao anatiny resadresany ny fanahiana krizin'ny sakafo manerana izao tontolo izao sy ny fiantraikany amin'i Azia Afovoany.

Arabia Saodita: Tao Amin'ny Twitter, Nasaina Nangina Ireo Mpikatroka Ho An'ny Zon'Olombelona

Nasaina nangina ireo mpikatroka mpiaro zon'olombelona ao Arabia Saodita, izay nanohana ny heviny teo amin'ny Twitter, tranonkala fanoratana bilaogy madinika. Noraisina tamin'ny fangorahana, hatezerana, hehy ary esoeso ilay fanafihana - izay avy amin'ny mpikambana iray ao amin'ny Antenimiera Fakamnkevitra Saodiana.

Voasivana, Kanefa Tsy Mihemotra : Milaza Ireo Mpiasan'ny Fampahalalam-baovao Ao Kiobà Fa Tsy Hanova Matoandahatsoratra

GV Mpisolovava

Voasivana tao Kiobà ny gazetiboky anaty aterneto "El Estornudo" ka nanoratra taratasy misokatra ireo tonian'ny famoaham-baovao tao aminy, izay azon'ny rehetra vakiana ihany koa any amin'ny filazam-baovao hafa ao amin'ny faritry ny nosy.