Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Koety: Tsy Tonga Soa ny Vahiny Haingan-Doatra

Misy lalàm-pifamoivoizana vaovao manipy ireo vahiny manitsakitsaka ny lalàna ivelan'ny firenena, ary nampisahotaka an'i Koety. Raha nisy bilaogera iray nanontany hoe inona ny olona raha efa misy firenena hafa mampihatra lalàna mitovy amin'izany, ny hafa kosa nampandresy lahatra fa henjana loatra ilay fampanginana vaovao.

Forzaq8 milaza amin'ireo mitaraina amin'ny lalàna vaovao fa nahazo izay notadiaviny ry zareo – rehefa nangataka nandritra ny taona maro hoe fa maninona i Koety no tsy mety mitovy amin'i Emirà Arabo Mitambatra (UAE).

Manazava i Forzaq8:

Who hasn’t heard this or some of its variations ?
” We want to be like the UAE ”
I’m totally sick of it , i hear it a lot , why not the USA ? or Japan ?
Well now we do something like the UAE and people are complaining

Iza no tsy efa nandre izany na ny mitovitovy taminy?
“Te-hitovy amin'i UAE izahay”
Nahakrizy ahy mihitsy izany, imbetsaka no nahenoako izany, maninona raha i Etazonia? na i Japan?
Ankehitriny isika manao mitovy amin'ny any UAE dia mitaraina ny olona

Fonzy mieritreritra fa tsy rariny ilay lalàna – fa henjana loatra ny lalàna fandroahana ho fanasaziana. Nanamarika izy:

I have full respect and completely support how the ministry is doing its best to impose traffic laws in Kuwait. But at times, I think they are overdoing it with the penalties. Just read an article on Arab Times about expats who fail to respect the traffic rules. Apparently, now they can be deported if they jump a red light and have previous traffic violations… in other words, 2 strikes and you’re out! (…)

(P)ersonally, I think deportation is too extreme. Fining them or jailing them was too much already. How about by revoking his license as a start.

Feno fanajana sy manohana tanteraka ny fiezahan'ny Minisitera amin'ny fametrahana lalàm-pifamoivoizana eto Koety aho. Saingy indraindray aho mieritreritra fa be loatra ny ataon-dry zareo amin'ny fanasaziana. Vakio fotsiny anie ny lahatsoratra ao amin'ny Arab Times amin'ireo mpivahiny tsy manaja ny lalàm-pifamoivoizana. Tarataratra fa mety ho azy ampodiana ry zareo raha nitsambikina jiro mena ka efa nanao fahadisoana tany aloha… amin'ny teny hafa, fahadisoana roa dia voaroaka ianao!(…)
Mieritreritra izaho manokana fa tafahoatra ilay fampodiana. Efa betsaka na ny fampandoavana onitra na ny fanagadrana. Maninona raha esorina aminy ny fahazoan-dalana aloha ho fanombohana?

Mbola eo amin'ity resaka fifamoivoizana ity ihany, Buzberry namoaka andiam-pandikan-dalàm-pifamoivoizana sy ny onitra mifanaraka amin'izany, raha tezitra amin'ireo manampahefana manakatona lalambe maromaro hanomezan-dalana vahiny manampahefana manatrika fivoriana ao amin'ny firenena i Marzouq avy ao amin'ny Z District.

Manazava ilay Marzouq sempotra dia sempotra:

There was no notification what so ever of this traffic or that the police were going to be blocking off roads. I read the newspapers and there was no mention of this, there is a meeting in Bayan Palace with people coming from out of state. This caused havoc on the roads of Kuwait for several hours, I hated being outside due to this hellish traffic. The usually 20 minute trip took me an hour and 10 minutes, and a 15 minute trip took one hour in the car. I went nuts sitting in a car going 10 kph, and knowing the traffic is being cause by the idiots who didn’t plan this out. They should have a fleet of helicopters to transport these dignitaries instead of causing over 7 hours worth of traffic without any warning.

tsy misy ny fampilazana raha hanakaton-dalana ny polisy na hikatona ny fifamoivoizana. Mamaky gazety aho ary tsy misy ny fanamarihana momba izany, misy fivoriana ao amin'ny Lapa Bayan ary misy olona avy any ivelany hoavy. Niteraka fikorontanan-dalan'i Koety nandritra ny ora maromaro izany, halako ny tavela any ivelany noho io fitohanana mandreraka be io. Lasa natao adiny iray sy folo minitra ny lalana fanaoko ao anatin'ny roapolo minitra, ary lasa adiny iray ny atao 15 minitra mahazatra. Nandeha tao anaty fiara mandeha 10 km isan'ora aho, ary mieritreritra fa nisy izaho fitohanana izao satria nisy adala maromaro tsy nametraka planina hamahana mialoha ny olana. Tokony hanana angidimby maromaro ry zareo itondrana ireo manampahefana ireo fa tsy hampiteraka fitohanana mihoatra ny adiny fito tsy misy fampilazana mialoha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.