- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Goatemalà: Nahazo Loka Tamin'ny Fetiben'i Havana ny Filma ‘Puro Mula’

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

(Nivoaka tamin'ny desambra 2009 ny lahatsoratra teny anglisy)

Niroborobo ny famokarana filma Latino-Amerikana ary nampiforona ny “Taona Volamenan'ny” sinema amerikana latina amin'izao taonjato faha-21 izao. Nisy vondrona mpamokatra filma manerana ny faritra nanatontosa sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Puro Mula” (jereo eto [1] ny sombiny) tany amin'ny tanàna itatr'i Guatemala City. Na izany aza, tsy mbola vita izany sarimihetsika izany noho ny fahakelezan'ny tetibola [es] [2] hoy i Julio Flores.

Hacer Cine en Guatemala [es] [3] namintina ny fizotran'ny tantara, izany nitranga tao anatin'ny andro iray. Joel Fonseca, kamolahy 28 taona, mbola monina miaraka amin'ny ray aman-dreniny, no kintan'ny filma. Nomena andraikitra hanara-maso ny zanaky ny mpiray tampo amin'ny ray aman-dreniny iray izy, saingy nandao ny trano tsy nisy nahamarika io zazalahy tokony narahi-maso io, ka dia tsy maintsy nivoaka ny trano i Joel hitady azy.

Enrique Pérez avy ao amin'ny vondrona Best Picture System, izay mamariparitra azy ireo ho mihoatra noho ny vondrona tanora manatontosa sarimihetsika, araka izay nosoratan-dry zareo ao amin'ny pejiny MySpace [es] [4], no nanatontosa ny filma :

El Best Picture System (BPS) es un colectivo de formación y creación artística cinematográfica. Fue fundado en Marzo del 2006 por un grupo de estudiantes de la Escuela Internacional de Cine y Televisión, EICTV en san Antonio de los Baños, Cuba. El colectivo esta conformado por jóvenes de diversas culturas latinoamericanas, fomentando así, la integración de los pueblos latinoamericanos además del desarrollo de una cinematografía autóctona, innovadora y juvenil.

Vondron'artista mamokatra sy mampiofana filma ny Best Picture System. Natsangan'ny mpianatra avy amin'ny Sekoly Iraisampirenenan'ny Filma sy TV, EICTV tao San Antonio de los Baños, Kiobà tamin'ny marsa 2006 izany. Tanora avy amin'ny kolontsaina isankarazany, mampiroborobo ny fiarahan'ny firenena Amerikana Latina sy ny fampivelarana ny sinematôgrafian'ny tompotany, manavao ary vao haingana no mandrafitra ny vondrona.

Tamin'ny fiandohan'ny volana Desambra, notolorana ny “Lokan'ny Aorian'ny Famokarana Amerikana Latina [5]” tao amin'ny Fetiben'ny Film ao Havana ny “Puro Mula”, araka ny nambaran'ny bilaogera El Lugareño [6]. Niarahaba azy ireo [7] tamin'ny filma vao novokarin-dry zareo ny bilaogera Pro+.

Manana ny bilaoginy manokana ny Puro Mula [8], koa aza miala raha hijery ny famoahana azy voalohany amin'ny marsa 2010.