Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Sarimbavy Voalohany Lasa Mpilalao ao Amin'ny Ligy Nasionalin'ny Baolina Lavalava ao Aostralia i Hannah Mouncey.

Hannah Mouncey - Transgender footballer

Hannah Moucney, Sary nalaina tamin'ny lahatsary YouTube “Aostralia 60 Minitra: Herim-behivavy (2017)”

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2018)

Nahazo fahafahana hifaninana amin'ny fifaninanana nasionaly ho an'ny vehivavy ihany no niafaran'ilay sarimbavy iray mpilalao lavalava aostralianina “Aussie Rules”. Tamin'ny taona 2017, nolavina ny hahafahan'i Hannah Mouncey niditra tao amin'ny Ligy Aostralianina Baolina Lavalava ho an'ny Vehivavy(AFLW) . Efa mandeha izao ny taom-pilalaovan'ny AFLW .

Ny “tanjany, angovony, na ny vatana” dia iray amin'ireo antony noraisina tanaty kajikajy. Mirefy 190 santimetatra i Hannah ary milanja 100 kilao. Nisolo tena ny fireneny tamin'ny Fiadiana ny Tompondaka Handball Iraisam-pirenena 2013 izy, tamin'ny anarana Callum Mouncey.

Taorian'ny fitsaboana hormonina, eo ambanin'ny tahana testosteronina izay napetrakin'ny komity Olaimpika i Hannah amin'izao fotoana izao. Azo antka fa nahabe resaka ilay fanilihana voalohany, miaraka aminà vondrona mpitabataba miray hevitra amin'ilay fanapahankevitra ao anatin'ny fahasamihafana, mianga amin'ny filazàna ny fandraisany anjara ho tsy rariny noho ny sokajy nametrahana azy tany am-pahaterahany, ary tonga hatrany amin'ny fandàvana ny fisiany na ny maha-izy ny sarimbavy mihitsy aza.

Tao amin'ny Twitter, nitondra valinteny mitovitovy amin'izany ilay fanapahankevitra farany. Ity dia avy amin'i  Bolar, manampahaizana manokana amin'ny bisikileta:

Tsy ho bitsika malaza ity, fa mampihomehy ny ho i Hannah Mouncey, lehilahy biolojika izay maherin'ny 100 kilao ary nanao fanovàna taovam-pananahana saingy nitazona fahaizany mamitaka dia afaka hilalao amin'ny ligin'ny vehivavy hifaninana amin'ny vehivavy vavy milanja 60 kilao. Mahatsiaro onena an'ireo zazavavy ho feno mangamangana tsy hita ho isaina.

Maha-te ho tia kokoa ireo hafa tahaka an'i Dreama40:

Ekeko fa tsy takatro ny zavatra rehetra momba izany nanova taovam-pananahana izany, SAINGY tena inoako fa tena ZAVAMISY io ho azy ireoa ry manaja ny herim-pon'izy ireo hiaina toy ny maha izy azy aho satria tsy maintsy mafy tokoa ny fanaovana izany.

Ny vondrona mpitantana ny fanatanjahatena, ny Ligin'ny Baolina Lavalava ao Aostralia, ary i Hannah dia tsy niraharaha izay fanehoankevitra tany amin'ny tambajotra sosialy taoriann'ny famelàna azy indray ho afaka mifaninana. Nandà ny tsy fitovian-kevitra i Catkin, mpampiasa twitter:

Tsy mitsahatra mahatsikaritra aho fa avy amin'ny lehilahy avokoa. ireo rehetra mpandranitra resaka hitako milaza zavatra tsara momba an'i Hannah Mouncey nilalao baolina dia  🤔 Na izany na tsy izany, faly aho fa navela hilalao izy, na efa ela be tany aloha aza izany no tokony ho voavaha izany.

I Daniel Carrol ihany koa:

Hannah, helo iray ho an'ny olombelona ianao, mihantòna ao; manana maro tena mpanohana ianao.

Nandefa lahatsary iray ho valin'ireo vaovao farany i Hannah:

Tsotra izy momba ilay fanapahankevitry ny AFL:

Tsy afaka misaotra ny AFL aho tamin'ny famelàna ahy hanao zavatra iray izay misokatra ho an'ny Aostralianina sasany ary izay efa notohanan'ny siansa sy ny fikarohana foana.

[…] maro ny olona hametraka fanontaniana momba ny antony ilazako hoe tsy manan-danja ny baolina lavalava rehefa maro ny olona tafiditra ho ampahany goavana amin'ny fiainana ary mazava ho azy fa ny ahy izany, kanefa raha te hahazo ny antony ahatsapako izany dia mila azonao aloha hoe inona ny zavatra nodiavin'ireo olona sarimbavy na sarindahy isanandro vaky ary tsy amin'ny fotoana niovàn'izy ireo fotsiny.

Niresaka ireo olana isanandro atrehan'ny olona nanova fananahana izy, toy ny fanavakavahana rehefa mitady trano sy asa, ary ny fanilihan'ireo namana akaiky sy ny fianakaviana.

Tsy naharesy lahatra ny olona rehetra izy, ny sasany niampanga azy ho “nahazo alalana” tamin'ny toerana iray tao amin'ny AFWL. Ny mpikirakira ny tranonkala sady mpihazakazaka, Mike Haydon, dia niezaka ny hitondra ny feon'ny fieritreretana:

 

Raha momba ny raharaha Hannah, tsy hiangarana amin'ireo fitsapana rehetra isika. Tsy tokony mihitsy koa. Rehefa miteny ny AFL fa afaka milalao ao amin'ny diviziona ho an'ny vehivavy izy ka ampy tsara ny hahafahany hanao izany, dia miteny aho hoe milalaova. Miankina amin'ny tranga tsirairay. Na izany aza dia toe-javatra tsy dia fahita.

Ny azontsika atao dia ny maniry ho maro ireo olona aty anaty serasera no  handray ilay resaka amin'ny saina misokatra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.