- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiovan'ny Fitantanana ny Lingua Paortiogey!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Arahaba daholo! Tsy ela akory izay, nanapaka hevitra i Ricardo Ilton [1] ny hijanona tsy ho Toniandahatsorary ny Lingua Paortiogey [2] intsony noho ny tsy fahampian'ny fotoany.

Ricardo, izay nanjohy ny tarik'ireo toniantsika [3] tamin'ny taona lasa, dia tena nanampy betsaka tokoa tamin'ny fitantanana ny Lingua Paortiogey, ary ho zavadehibe ho antsika ny hanana azy ho mpandray anjara handika lahatsoratra! Misaotra betsaka anao ry Ricardo! Manomboka izao, eo ambany fitantanan'i Melina Coelho [4] sy Esther Dodo [5] ny tarika Lingua Paortiogey!