- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambôdza: Ny Aloky ny Lasa

Sokajy: Kambodza, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Tantara, Tsidika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2006)

Nisy zazalahy folo taona niaraka tamin'ny Khmer Rouge tamin'ny taona 1970, Nhem En no anarany. Nalefa nianatra momba ny saripika tao Shina izy, ary enin-taona taty aoriana dia lasa mpaka sary ny fahafatesana tao amin'ny tranombakoky ny fandripahana, Tuol-Sleng, ilay toerana nisy ny S-21. Tamin'ny 2001, nitantara momba ny asany teo aloha tamin'ireo mpanao gazety izy fa “nino foana izy ireo [ireo gadra] fa ho faty na hiatrika olana rehefa voasambotry ny Khmer Rouge. Koa lasa tarehy feno tebiteby sy maso feno alahelo ary tànana mifatotra rojo vy no azoko sary.” Mihevitra [1] i Macam-macam fa anisan'ny malaza indrindra nalainà Aziatika avy ao Atsimo Atsinanana anatin'izao vanimpotoan’ny loza maoderina misy antsika izao ireo sary ireo.

Photo of death
Sary an'i Colin Mutchler [2]

Manomboka mamiratra ny masoandro rehefa lasa ny orana mivatravatra
Vita ny ady. Niampy toko iray vaovao ny tantaran’i Kambôdza taorian'ny taona mangidy 1975-1979, ka niverina nipoitra anatin'ny boky torolàlana momba ny fitsidihan-tany indray ny sarintaniny ary nanjary iray amin'ireo toerana falehan'ny mpizahatany indrindra ao Azia atsimo atsinanana izy. Sarotra ny miala ilay toeram-pamonona mampisavorovoro ho an'ireo sisampaty sy ireo mpitsoaponenana ary ny zanak'izy ireo. Mbola baraingo hatramin’izao ny maha-izy azy an'ireo olom-pirenena kambôdziana tsirairay sy ny fitambaran'izy rehetra. Niteraka taranaka Kambôdziana vaovao mipetraka ivelan'ny tanindrazany ireo rivotry ny ady.

Ka nanao fiainam-baovao tany Amerika, Frantsa, Aostralia, Kanadà, ary tany amin'ireo firenena hafa manerana izao tontolo izao ny ampahany betsaka tamin'ireo mpifindramonina. Tsy maintsy miaina anatinà vondrompiarahamonina vaovao izy ireo ary mizatra miatrika ny lasa na eo amin'ny lafiny fisainana na eo amin'ny lafiny kolontsaina. I Puthearorth, Kambôdziana-Amerikana iray, izay nandao ny tanindrazany ho any Etazonia tamin'ny faha-14 taonany, dia nobeazina tamin'ny ankapobeny tanatin'ity tontolo vaovao ity, naharihary tamin'io kolontsaina vahiny io, ary tsy maintsy mizatra ny fomba fisainana sy ny fomba fiaina tsy amin'ny fomba tokana. Manasongadina [3] ny olana amin'ny maha-izy azy azy izy fa

“sarotra dia sarotra ny mitazona ny tena maha-izaho ahy amin’ny maha Khmer nobeazina tanatin'ny fiarahamonina manana kolontsaina Amerikana ahy; raha ny marina dia toy izany daholo ny ankamaroan’ny ankizy mpifindra monina eto amin'ity firenena ity. Resaka famelàna ny maha-izy azy teo aloha sy fandraisana ny vaovao, fihazonana ny taloha sy tsy fanekena ny vaovao, na famoizana kely sy fandraisana kely fotsiny io Disadisa eo amin'ny Maha-Izy azy io. “

Azo ampiasaina ho toy ny fitaovana ahafahan'ny olona mamoaka miadana ny tantarany [4], ny eritreriny, ary ny tsiaron’ny lasa ny bilaogy fifaneraserana roa-làlana. “Na dia Khmerikanina ihany aza no ahafahako mamaritra ny tenako, faran’izay sarotra ny mahatakatra ny tena dikan’izany “, hoy izy.

Roampolo taona mahery taty aorian'ny nionganan'ny fitondran'i Pol Pot, lasa fitaovana ho an'ireo sisampatin'i Kambôdza ravan'ny ady ny fanambarana an-gazety momba ireo olona tsy hita popoka. Mamaky gazety isan'andro isan'andro ilay bilaogera Mean Lux, manantena ny hahita ny anaran'ny dadatoany [5].

Ao Phnom Penh, misy mpizahatany vahiny iray manoritsoritra ny fiainana [6] anatin'ity renivohitra ity amin'ny fomba izay ahafahana manakatra ny fiainan’ny vahoaka Kambôdziana amin'ny ankapobeny. Nanatri-maso ankizy izay mila miasa noho ny fivelomana izy indray andro, ary nanoratra fa

“Raha mandeha eny an-dàlambe ianao, dia tsy mitsahatry ny mahazo fangatahana hividy boky na gazety avy ao an-toerana, miaraka amin'ireo harona misy ireo fitaovana fanaovana vakiteny mihantona eo amin'ny vozon'izy ireo. Saingy tsy olon-dehibe anefa ireto farany, na tanora akory aza. Saika ankizy kely manodidina ny 5 hatramin'ny 10 taona daholo. “

Manasongadina ny toedraharaha misy ny firenena [7] i Julie D, fa “mihoatra ny 40% ny Kambôdziana tsy nandalo fianarana. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny ampahefany mahery amin’ny olon-dehibe. Aman’arivony ny ankizy na any an-drenivohitra na any ambanivohitra no tratry ny tsy fanjariantsakafo, tsy mahazo ny fanabeazana sahaza azy ary tsy manana ny fahafahana fototra raisintsika rehetra ho efa an-tànana.”

Manazava ny ady an-trano naharitra an-taonany amin'ireo vahiny mpizahantany amin'ny alàlan'ny zavakanto ny fampiratiana ao amin'ny “Tranombakoky ny Tany misy Vanja Milevona [8]” ao Siem Reap. Natsanganà miaramila Khmer Rouge teo aloha io tranombakoka io.” Ipetrahanà zaza am-polony mahery niharan'ny vanja ihany koa [9]izy io.

Manana ny fanehoankeviny amin'ny fampitahàna an'i Kambôdza lehibe sy ilay nosy kely Hong Kong ity olom-pirenena Amerikanina iray, izay niasa tany Kambôdza talohan'ny nahatongavan’ny Khmer Rouge teo amin'ny fitondrana, ary niverina an-tanindrazany ankehitriny rehefa avy nitsidika ity firenena ity:

“Nitsidika firenena 60 teo eo aho nanomboka tamin'ny 1969, ary ny zavatra hitako tao Kambôdza dia ilay “tanàna mimanda” malaza any Hong Kong irery ihany angamba no afaka mifaninana aminy, Tanàna Ngazana mirefy 12 acre (148562 m²) izay rava tamin'ny taona 1999.”

Miteraka resabe ao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny lohatenim-baovao ao amin'ny New York Times hoe “Nahoana no mankany Kambôdza daholo ny olona”. Maneho ny heviny [10] i Keno, bilaogera Kambôdziana, “nahita lahatsoratra mahaliana aho raha nitety ny tranonkala androany, lahatsoratra vao nivoaka izay namaly ny mampiavaka an'i Kambôdza, sy ny antony mampitombo ny olona mitsidika eto”.