- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka Aingam-panahy Tao Amin'ny Media Sosialy Ilay Renim-pianakaviana Nanala Fanadinana Niaraka Tamin'ny Zanany Roa Volana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Ady & Fifandirana, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tanora, Vehivavy sy Miralenta

Sary nozarain'ilay mpampianatra Yahya Erfan tao amin'ny Facebook, niparitaka be sady nampiasan'ny sampam-pampahalala vaovao manerantany.

Anisan'ny miresaka ny fitiavana sy fikirizana ny sary.

Tamin'ny tapaky ny volana marsa, mpianatra iray nanao sarondoha manga no nanao fanadinana teo amin'ny tany ivelan'ny efitrano fianarana tany amin'ny faritany iray tao Afganistana, ary mitrotro zazakely eo am-pofoany.

Naka sary ny zava-niseho i Yahya Erfan, profesora ao amin'ny oniversite nisy ny fanadinana, ary nandefa [1]izany tao amin'ny kaontiny Facebook.

Vetivety dia nalaza izany.

Vehivavy 25 taona antsoina hoe Jahantab Ahmadi ilay tao amin'ny sary, izay nivoretaka nipetraka manakombona tongotra, miondrika mifantoka ao amin'ny taratasim-panadinana ny tarehiny, no sady mikiakiaka noho ny areti-tsofina ny zanany roa volana.

Avy amin'ny faritra saro-dalana ao Hoshto, ao amin'ny faritany Daikundi ao amin'ny distrikan'i Miramar any Afghanistan i Jahantab, reny manan-janaka telo.

Mba hiatrehana ny fanadinana any amin'ny renivohitra Nilli, tsy maintsy nandeha an-tongotra adiny roa amin'ny tendrombohitra mideza i Jahantab, ary adiny sivy fanampiny mandeha fiara iombonana eny amin'ny arabe mikitoatoana.

Nanjary loharanon'aingam-panahy ho an'ireo mpiserasera media sosialy ao amin'ny firenena ilay sary, media sosialy izay matetika feno vaovao momba ny fanafihana mihoso-drà.

Sary manome aingam-panahy avy amin'ny media sosialy: manao fanadinana fidirana eny amin'ny anjerimanontolo no sady mikarakara ny zanany, ao Daikundi ity renim-pianakaviana ity. Tsy azo sakanana ny vehivavy Afghana.

Afaka roapolo taona, hahita ity sary ity ao Afghanistan tsara kokoa ity zaza ity (… izay ho lasa tantara ny ady, ny fangirifiriana, fampahatsiahivana ny tanjak'ireo nijoro mafy nanoloana izany rehetra izany ny sary tahaka itony)

Na  dia avy amin'ny fiarahamonina mpandala ny nentin-drazana aza, izay lehilahy maro no manohitra ny fampianarana ny vehivavy, tsara vintana i Jahantab mahazo ny fanohanana sy ny fankasitrahan'ny fianakaviany.

Nanjary andry lehibe mpanohana ny vadiny, Musa Mohammadi, avy amin'ny fianakaviana mahantra.

Fotoana fohy taorian'ny nivoahan'ny sary tao amin'ny media sosialy, nanana ny antony nankalazana izany ireo mitovy aminy — nahomby tamin'ny fanadinana nataony hidirana eny amin'ny oniversite, fantatra amin'ny hoe kankor i Jahantab, nahazo salan'isa 152 tamin'ny 360.

Fanentanana GoFundMe

Niteraka tolotra fanampiana ara-bola tao anatiny sy ivelan'ny firenena ny tantaran'i Jahantab

Nanao fanentanana antserasera GoFundMe [7] vao haingana ny fikambanana iray ao Angletera, ny Fikambanan'ny Tanora Afghana mba hanampy amin'ny fandoavana ny saram-pianarany eny amin'ny oniversite.

Nahangona maherin'ny 14.000 dolara ny fanentanana hatramin'izao – volabe izany ao amin'ny firenena izay miaina anaty fahantrana ny 39 isan-jaton'ny mponina.

Noho ny fanentanana sy ny famatsiam-bola hafa, nisoratra anarana tamin'ny anjerimanontolo tsy miankina iray any Kabul i Jahantab ary mitarika amin'ny taranja Toekarena.

Zahara Yagana, Afghàna mpikatroka ara-tsosialy no tena mpikarakara ny fanampiana ho an'i Jahantab ary mamoaka [8] vaovao farany momba ny  fivoaran'ity mpianatra tanora ity.

Manosika ny ‘tsy fahombiazana’ amin'ny fanabeazana ny vehivavy

Na dia eo aza ny vola amina miliara natolotr'ireo malala tanana iraisam-pirenena ho an'ny fanabeazana, mbola olana saro-bahana amin'ny vanim-potoana post-Taliban ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, indrindra fa ny vehivavy.

Milaza ny fitsapan-kevitra iray nivoaka tamin'ny taona 2017 nataon'ny Central Statistics Organization [9] (Fifandaminana Foiben'ny Antontanisa) fa 84 isan-jaton'ny vehivavy Afghana no tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary roa isan-jaton'ny vehivavy monja no tafiditra amin'ny fianarana ambony, tarehimarika izay lasa fotsy tanteraka ara-virtoaly raha toa ka esorina ny tanàndehibe ao amin'ny firenena.

Nilaza ny tatitry [10] ny Human Rights Watch tamin'ny taona 2017 momba ny fihenan'ny fanabeazana ny tovovavy ao amin'ny firenena fa “roa ampahatelon'ny tovovavy Afghan no tsy mandeha any an-tsekoly”.

Nahita ihany koa ny HRW fa “tsy nahomby velively” ny ezaka fampandrosoana ataon'ny governemantan'i Afganistana sy ireo mpiara-miombon'antoka iraisampirenena tato anatin'ny taona vitsy, satria mihena ny lanjan'ny paikady sy ny miaramila ao amin'ny firenena.