- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitsikilo izay Ataon'Olom-Pirenena Shinoa ny Smartfinday sy ny Fahitalavitra amin'ny Alalan'ny ‘Sharp Eyes’

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, GV Mpisolovava
[1]

Sary azon'ny rehetra ampiasaina hita ao amin'ny Pixabay

Miatrika andiana teknolojia fanarahamaso vaovao mifandray amin'ny asa sy ny mahaliana ny olompirenena andavanandro noho ny filendalendan'ny governemanta te-hampitombo hatrany ny fanarahamaso (fitsikilovana) ny mponiny ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra ao Shina.

Miankina amin'ny refy teknolojika ilay rafitra antsoina hoe “Sharp Eyes” — sy amin'ny fiheverana fa tokony hanaiky hanara-maso sy hitati-bolana izay ataon'ny mpifanolo-bodirindrina, namana eny fa na fianakaviana aza ny olona.

Voatra ambanivohitra ao Shina amin'ilay tetikasam-panaraha-maso Skynet malaza ratsy [2] ny Sharp Eyes izay nampiasaina voalohany tamin'ny taona 2011 tao anatin'ny ezaka hampivelarana ny rafi-panarahamason'i Shina amin'ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra ao Shina. Tsy tahaka ny Skynet anefa, fa mandrisika ireo tambanivohitra handray anjara amin'ny fanaraha-maso olona mihitsy hampihenana ny fandaniam-bola ara-pilaminana ny Sharp Eyes.

Vao haingana izay ny tetikasa Sharp Eyes no nosoratana ho dosie voalohany tamin'ny febroary 2018 tao amin'ny komity foiben'ny Antoko Komonista Shinoa, taorian'ny fanapahan-kevitry ry zareo hanaisotra ny fetra amin'ny fehim-potoana iasan'ny [3] Filoha sady mpitarika ny antoko.

Tatitra iray avy amin'ny Legal Daily [4] nivoaka tamin'ny 28 febroary no nilaza fa hanana tambajotra fanarahamaso mahasahana ny firenena manontolo i Shina alohan'ny taona 2020, fa avy amin'io no ahazoan'ny mpampihatra ny lalàna sy ireo manampahefanan'ny fiarovana ny lahatahiry (rakitra) no afa-miditra mora sy haingana amin'ireo lahatahiry nangonin'ny fakantsary fanarahamaso ao anatin'ny tambajotra.

Avy any amin'ny “Skynet” ka mankany amin'ny “Sharp Eyes”

Mampiasa haranitsa-tsaina voatr'olombelona sy teknolojiam-pamantarana endrik'olona hamantarana ny mari-panondroan'ireo olona izay azon'ny fakantsary fanarahamaso ankalamanjana ny Skynet, ilay mpialoha lalana ny Sharp Eyes.

Navoaka hampiasaina voalohany tamin'ny taona 2005 io rafitra io ary manatanteraka ny asany tsy misy andraso andraso, ary afa-mamantatra olona iray ao anatin'ny segondra vitsy monja. Talohan'ny Septambra 2017 ny Skynet dia nahavita nametraka fakantsary fanarahamaso mihoatra ny 20 tapitrisa [5] manerana ny firenena. Amin'izao fotoana izao, ankoatra ny fitadiavana jiolahy, dia ampiasaina indrindra amin'ny famantarana sy fampandoavana onitra ireo mpiampita arabe eny amin'ny toerana tsy tokony hanaovana izany any an-tanandehibe ny rafitra Skynet.

Te-hanitatra ity rafitra ity amin'ny endrika Sharp Eyes any amin'ny faritra ambanivohitra amin'izao fotoana izao ny manampahefana shinoa.

Tsy mitovy amin'ny Skynet, fa hiditra sy hiasa ao anatin'ny fahitalavitra sy ny smartfindain'olon-tsotra ny Sharp Eyes mba hanapariahana ny rafitra fanarahamaso. Manahy ny sasany fa ho alaina (an-tsokosoko) entina manaramaso toerana antakonan'olontsotra ity rafitra ity rahatrizay — fa raha vao mifandray amin'ny tambajotra ny finday sy ny fahitalavitra, dia mety ho azon'ny mpiasan'ny tambajotra avadika hanaraha-maso ny olom-pirenena ao an-tranony mihitsy ny fakantsary sy ny mikrô.

Nohamarinin'ny lahatsoratra ifandraisana amin'ny daholobe voasivana avy amin'ny orinasa iray nahazo ny asa hanao fiantoham-piantoka (sous-traitance) amin'ny tetikasa Sharp Eyes izany tahotra izany, Guangdong Aebell Technology Corporation no anaran'ilay orinasa miantoka ny famitana asa.

Tao amin'ny lahatsoratra ny orinasa no nanazava fa ny rafitra mampiasa ny Sharp Eyes-ndry zareo dia rafitra natsangana ho fanarahamaso voatsinjara, tsy miandry andraso andraso ary mifarimbona:

美電貝爾與時俱進,積極響應國家戰略「雪亮工程」建設的號召,根據多年的音視頻研發實驗,不斷創新,圍繞快速發現,快速報警,快速回應,快速處置的實際應用需求,研發了一套「電亮工程平台系統」。
該系統利用家庭電視和智能手機推動視頻監控入戶到人,打造立體化的社會治安防控體系,推進社會治安綜合治理信息化系統建設,實現人人可監控,處處可監看,時時時可響應。

Mivoatra ho amin'ny tombotsoam-pirenena ao amin'ny tetikasa Sharp Eyes ny Aebell. Mifototra amin'ny maha-za-draharaha anay eo amin'ny teknolojian'ny fandraketana feo sy sary, sy ireo fanavaozana hafa tontosanay, dia nahavita nanangana rafitra entin'ny tetikasa Sharp Eyes miasa izay afa-manatontosa eo noho eo ny filànay mamantatra asan-jiolahy, mitatitra fisiana famonoan'olona eo noho eo, valiny sy setriny eo noho eo izahay.

Miditra any amin'ny fahitalavitra sy ny finday any an-tranon'olona hanamafisana ny fivelaran'ny rafitra fanaraha-maso any amin'ny isan-tokantrano sy isambatan'olombelona ilay rafitra. Mandray anjara amin'ny fananganana rafitra fisorohana asan-jiolahy amin'ny ankapobeny sy iantohana ny filaminam-bahoaka ilay rafitra, rafitra fiarovam-bahoaka lasa mifarimbona, eo noho eo ary fanaraha-maso hita na aiza na aiza ho lasa zava-misy tokoa.

Rafi-panarahamaso itsinjaram-pahefana sy “mpitsikilo”

Ahoana tokoa moa izany ny tena fomba fiasan'ny rafitra fanaraha-maso itsinjaram-pahefana? Niantsafa tamin'ny mpanolo-tena amin'ny filaminam-bahoaka iray ao amin'ny tanànan'i Linyi, faritanin'i Shandong ny Legal Daily. Nahazo lohatenim-baovao iraisampirenena ny tanànan'i Linyi taorian'ny fisamborana tsy ara-dalàna [6] sy ny fandosiran'ilay mpikatroka mandala ny zon'olombelona iray antsoina hoe Chen Guangcheng, izay hita ho voa mafy ihany.

Nilaza ilay mpanolo-tena fa afa-manara-maso ny tanànakely mandritra ny fikarakarany ny zafikeliny ao an-trano izy amin'ny alalan'ny fampiasana rafitra iray entin'ny fiarahamonina miasa nampidirina tao amin'ny fahitalavitra ao an-tranony. Nanome alalana azy hijery ny fakantsary fanarahamaso miisa enina ao an-tanànakeliny ny sehatra, ary mamela azy hisahana “andiam-panara-maso virtoaly iray mivezivezy” ao an-tanàna amin'ny alalan'ny fanindriana bokotra vitsivitsy.

Nilaza ihany koa izy fa efa nanampy tamin'ny fisamborana mpamaky trano iray tamin'ny taona 2017 tamin'ny alalan'ny fanindriana bokotra fanairana polisy teo amin'ny fibaikolavitry ny fahitalavitra.

Araka ny tatitra navoakan'ny Legal Daily, mihoatra ny 360.000 ny isan'ny fakantsary fanarahamaso tafapetraka ao an-tanànan'i Linyi, izay ao anatin'ny fakantsary miisa 2,93 tapitrisa ao amin'ny faritanin'i Shandong iray manontolo. Nahatsangana foibem-panarahamaso miisa 2.491 mamelona ny tambajotra ny faritany.

Voasivana fatratra izay fanehoan-kevitra rehetra miresaka ity tetikasa ity. Saingy mbola misy ireo fanehoan-kevitra mananihany (sy tsy mivandravandra) mivezivezy amin'ny media sosialy shinoa :

我提议,每个人都应在微观层面上为国家“雪亮工程”添砖加瓦。勤翻男友手机;窥探邻居换衣;如厕不要关门。真正做到把“雪亮”牢记在心灵里,落实在行动上,雕刻在品质中。在细节处彰显中国特色社会主义的先进性是每一个公民义不容辞的关荣与责任。

Manolo-kevitra aho fa tokony handray anjara amin'ny tetikasam-pirenena Sharp Eyes avokoa ny tsirairay amin'ny alalan'ny fijerena tsindraindray ny findain'ny sipanao araka izay azo atao, amin'ny alalan'ny fitsikilovana ny mpifanolo-bodirindrina aminao rehefa misolo akanjo ry zareo, amin'ny alalan'ny fanokafana ny varavaran'ny efitra fidiovana rehefa manao ny ataonao ianao. Mila raisinao ao am-po ny “Sharp Eyes”, mampiasà azy ary ataovy hita mivaingana izy. isaky ny minitra, mila maneho ny fivoaran'ny sosialisma amin'ny endrika shinoa isika. Izany no voninahitra sy adidin'ny isam-batan'olona.

Tatitra iray avy amin'ny sehatry ny fihariana no naneho fa talohan'ny Desambra 2017, nandany RMB 3,1 miliara yuan [7] (tokotokony ho atsasaky ny miliara dôlara amerikana) tamin'ny tetikasa Sharp Eyes ny governemanta. Koa satria moa efa tafiditra ao amin'ny dôsien'ny planin'ny komity foiben'ny Antoko Komonista Shinoa ny tetikasa, dia hiditra ao amin'ny vanim-potoana vaovao lazaina ho “mifanara-maso” i Shina.