- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vondro-Nosy Virijiny Etazonia: Ny Fiantraikan'ny Rivodoza Earl

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Barbady, Jamaika, Nosy Virijiny Amerikana, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanao ny diany nanavatsava ny Nosy Virijiny Amerikana ny Rivo-doza Earl  [1]raha nanohy nizara ny eritreriny sy ny zava-niainany ireo bilaogera. Nanahy ny amin'ireo olom-pantany tany nandritra “ny fivezivezeny imbetsaka tamin'ireo vondro-nosy ireo” ilay Jamaikana bilaogera am-pielezana Labrish [2] :

My thoughts go out to everyone living on the islands with hopes that Earl spares you too much damage and that Fiona, fast following in Earl's tracks, will bypass you.

Miantefa mankany amin'ny olon-drehetra any amin'ny vondro-nosy ny eritreritro sady manam-panantenana fa tsy hiteraka fahasimbana be loatra i Earl ary hidify anareo i Fiona, izay manaraka ny lalan'i Earl.

Mety hanana antony hiahiahiana ny My Barbados Blog [3], nanamarika fa efa nahazo ny sokajy faha-4 sahady i Earl, nandrohy izany tamin'ny sary Twitpic [4] an'ny Earl navoakan'ilay Astrônôtin'ny NASA, Douglas H. Wheelock, naneho hevitra tamim-pahatsoram-po:

It's a Beast!

Biby izany!

Nanampy betsaka ny fanavaozam-baovaon’ [5]News of St. John (na dia nahatsapa aza ny bilaogera [6] fa tokony hanampy bebe kokoa ny Sampan-draharaha Fitantanana ny Vonjy Taitra Federaly), ary nanome fampahalalana torohay bebe kokoa ny StormCarib.com [7], raha namoaka “izay taterin'ny olona marobe avy amin'ny fonenany”. Ny fanavaozam-baovaon'ny tranonkala tamin'ny 3:30 folakandro niteny hoe:

 

Here is the latest from several people on the eastern side of St. John, USVI — there are a few branches down, but very little damage reported at this point during the passing of Hurricane Earl. There are wind gusts reported around 40 mphs, and that has been ongoing, but limited rain. Power has been off and on, mainly off right now. Internet is spotty if at all.

Given the strength of the storm and the forecast track, it will be interesting
to see what, if anything, the next few hours bring.

Ity ny (vaovao) farany avy amin'ny olona marobe any amin'ny ilany atsinanan'i St. John, USVI – misy ratsankazo vitsivitsy nianjera, saingy kely ny fahasimbana notaterina tamin'izany fotoana izany nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza Earl. Manodidina ny 40 mph ny herin'ny rivotra, ary mbola mitohy izany, fa kely kosa ny orana. Tapatapaka ny jiro, fa tena tapaka izy amin'izao fotoana izao. Mitsitapitapy ny aterineto.

Hahaliana ny hijery izay hitranga ao anatin'ny ora vitsy raha jerena amin'ny tanjaky ny tafiotra sy ny tombatomban'ny toetrandro.

Nitondra vaovao tsara noho izay efa nandrasana ireo ora vitsy manaraka; ankoatra ny fipoahan'ny mpanova herinaratra sy rivotra mahery izay tombanana ho eo ho eo amin'ny 110 mph, dia tsy nisy loatra ny fahasimbana lehibe. Tsy ela dia nanomboka nangina ny tanàna:

Everyone I've been in contact with still has hard-line phone service — and
that is great news. If I hear anything noteworthy, I will pass it along. We
are grateful that are friends have made it through.

Mbola matanjaka tsara avokoa ny telefonin'ny olona rehetra nifandraisako — ary vaovao tsara izany. HIlaza izany aho raha misy ny zava-dehibe mila marihana. Feno fankasitrahana izahay fa tafitan'ireo sakaiza ny andro.

Indrisy anefa, nahazo tatitra fahasimbana fanampiny ny bilaogy:

My sister and brother in law live on St John, (Contant area)…just spoke w/her by phone. She said things really picked up after nine last night. One house lost its roof, lots of rain. They lost power yesterday a.m. A tree took out the line to their house, WAPA said they would be up first thing this morning but the winds are still too strong.

Monina ao St John (faritr'i Contant) ny rahavaviko sy ny zaodahiko… vao avy nifampiresaka taminy tamin'ny telefonina. Nilaza izy fa efa tafajoro tsara ny zava-nitranga taorian'ny alina sivy alina. Trano iray no very ny tafontrano, ranonorana be. Very herinaratra ry zareo tamin'ny omaly maraina. Nisy hazo nanala ny tariby tamin'ny tranony, nilaza ny WAPA fa ho tonga haingana ry zareo saingy mbola mifofofofo loatra ny rivotra.

Live De Life [8] koa dia nanome kaonty mahaliana amin'ny  hoe tahaka ny ahoana ny tafiotra:

We're still here, haven't blown away…the eye wall went by around 3pm and the wind and rain just stopped. Jay ran down the road and picked up a boatie friend of ours so he could come stay with us. He said he saw some trees down and loose limbs, some water runoff but not too bad overall.

Around 6pm the winds and rain started coming down harder than it had all day. And it was coming from west and south west which was the wrap around bands. It was pretty bad. But now at 9 pm it's not too bad. It's still raining and you can hear the wind blowing but nothing too fierce.

Mbola eto izahay, tsy nirefotra … lasa tokony ho tamin'ny 3 ora hariva ny mason'ny tafiotra ary nijanona vao ny rivotra sy ny orana. Nihazakazaka nankeny amin'ny lalana i Jay ary naka namana mpiray sambo aminay ka ho afaka monina miaraka aminay izy. Nilaza izy fa nahita hazo sasantsasany nidaboka sy rantsankazo nianjera, misosososo ny rano fisotro madio saingy tsy dia ratsy loatra.

Namely mafy noho ny nandritra ny andro ny rivotra sy ny orana teo amin'ny 6 ora hariva teo. Ary avy tany andrefana sy atsimo andrefana izany izay nandrakotra ny manodidina. Ratsiratsy ihany izany. Saingy amin'izao fotoana izao amin'ny 9 hariva izao dia tsy ratsy loatra. Mbola mitoetra ny orana ary afaka mandre ny rivotra mitsoka ianao nefa tsy masiaka loatra.

 

Ao amin'ny lahatsoratra blaogy farany indrindra [9] (tamin'ity maraina ity), Deb sy Jay dia nanoratra hoe:

Well, we came through Earl pretty good…the seas have calmed down but the water is a strange aqua color. I guess from being churned up. Still have a little bit of wind but it's calmed down dramatically over the last hour. So overall, all is well 🙂

Eny, vita sedran'i Earl tsara izahay … nitony ny ranomasina saingy mbola miloko hafahafa ny rano. Mieritreritra aho fa tsy nisahotakotaka. Mbola mandrivotra ihany saingy efa nihatony dia tony tamin'ny ora farany. Noho izany, (niverina) tsara ny zava-drehetra 🙂

Mbola hojerena raha afaka toy izany koa i Pôrtô Rikô sy i Etazonia [10].