20 Taona Aty Aorian'ny Tsy Fanamelohana ny Fanambadian'ny Mitovy Fananahana Ao Ekoatora, Mbola Voasazy Foana Ny Vondrom-piarahamonina LGBTI

Angatahan'ny fianakavian'ireo voatazona sy voageja tany amin'ireo klinika “fanalàna ny fitiavana olona mitovy fananahana” ny hisian'ny “tolotra” avy amin'ireny ivontoerana ireny sy handoavana vola hitohizan'ny fitazonana ny fianakaviany any anatiny any. Sary fananingoana nataon'i Monica Rodriguez. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.
Ity manaraka ity dia famerenana tatitra iray nosoratan'i Carlos Flores, izay nivoaka voalohany tao amin'ny Connectas ary naverina nosoratana niaraka tamin'ny fanampian'ny mpanoratra azy ho ampahany amin'ny andian-dahatsoratra telo izay ho avoaka sy ho adikan'ny Global Voices. Mirakitra fijoroana vavolombelona hafa amin'ny antsipirihany sy fanadihadiana momba ny tsy fanarahan-dalàna izay manamora ny herisetra sy ny fanavakavahana miantefa any amin'ireo olona pelaka sy sarin-dahy / sarim-bavy ao Ekoatora ilay tatitra feno.
Maneho ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo niharam-boina noho ireo ivontoerana milaza fa afaka “manasitrana” ny pelaka ny ampahany voalohany eto ambany eto; handinika ny tsy fahombiazan'ny rafi-pitsarana ny ampahany hafa, eo ihany koa ireo sakana ara-tsosialy izay manelingelina ny fiarovana ny zon'ireo olona pelaka, sarindahy sy sarimbavy ary ireo manana taovam-pananahana roa (LGBTI).
Roapolo taona taty aorian'ny tsy fanamelohana ny fanambadian'ny mitovy fananahana ao Ekoatora, mbola voasazin'ny fiarahamonina foana ny vondrom-piarahamonina LGBTI sady zara raha arovan'ny lalàna. Maka endrika maro ny fanararaotana sy ny fanavaakavahana, ataon'ireo fikambanana izay tsy tratry ny fanarahamason'ny fanjakana. Tazonin'ny sasany amin'ireo fikambanana ireo ny filazana azy ho klinika fanalàna amin'ny zava-mahadomelina; raha ny marina anefa, manao “fitsaboana” ho an'ny fanambadian'ny mitovy fananahana izy ireo, maro ary amin'ny endriny samihafa ireo fanararaotana mitranga any anatin'ireny klinika ireny.
Efa ela no anisan'ilay voalaza fa “fitsaboana hialana amin'ny fanambadian'ny mitovy fananahana” any Ekoatora, araka ny hevitra mihanaka be, ny fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina, isan'izany ny fanevatevana, ny fanalam-baraka, ireo sakafo tsy mahasalama, ireo daroka, ny fandorana amin'ny herinaratra, eny fa na ireo “fanolanana ho hanitsiana aza”.
Nahatonga fijoroana amin'ny alalan'ireo asa toy ity an'i Paola Paredes ity ireo fijoroana vavolombelona sasany avy amin'ny niharam-boina, izay namboraka ireo fampijaliana samihafa nihatra tamin'ireo vehivavy tany amin'ireny klinika ireny. Asehon'ireo fijoroana vavolombelona sasany ny fomba fandraisana andraikitra nataon'ireo fianakavian'ny niharam-boina miaraka amin'ireo klinika, sy ny hamaroan'ireo vehivavy entin'ireo fikambanana ara-pivavahana ho ampidirina any.
Mivandravandra toy ny tamin'ny tranga nahazo an'i Jonathan Vásconez, sarimbavy iray izay voatana nandritra ny iray taona sy tapany ary nanandrana nitsaoka ny El Centro La Estancia (The Ranch) ao Patate (Tungurahua) any avaratra andrefan'i Ekoatora, ny tsy fahampian'ny fanarahamaso sy fiarovana avy amin'ny governemanta.
Tamin'izy 23 taona no nanombohan'izany. Efa nanana zanaka vavy izy tamin'izany, ary mbola nampiasa ilay anarana vehivavy izay nomena azy tamin'ny fahaterahany: María de los Ángeles. Nosamborin'ny olona tsy fantatra izy raha iny handeha haka ilay olona niaraka taminy tamin'izany fotoana izany, nodarohana ary nofatorana, niteny taminy izy ireo fa polisy. Niteny i Jonathan fa ny fianakaviany no nanome ny baiko ny hakàna azy tsy araka ny sitrapony, teo ambanin'ny fanamelohana diso hoe mpidoroka zava-mahadomelina izy. Maro ireo fanararaotana sy fampijaliana ao amin'ilay ivontoerana:
Pidieron a tres compañeros que se levantaran y trajeran un tanque café, que me llegaba a la cintura, lleno de agua. Entre los tres me metieron al tanque, de cabeza, unas ocho veces. Puedo decir que ahí vi la muerte. El director de la clínica me grababa con un celular y me pedía que dijera que había ido a robar a mi hija, cosa que no era cierta. Cuando vieron que me moría, me dejaron […] Estuve un mes y una semana, esposado a la cama, y me hacían comer en el piso…
Nangataka namana telo izy ireo mba hitsangana sy hitondra barika volontany feno rano, tonga hatreny amin'ny andilako. Teo anelanelan'izy ireo aho, nataon'izy ireo tao anatin'ilay barikan-drano, ny lohako no voalohany, im-balo teo ho eo angamba. Azoko lazaina fa nahita ny fahafatesana aho tamin'izany. Nalain'ny talen'ilay klinika sary tamin'ny finday aho ka notereny hiteny fa naka an-keriny ny zanako vavy, tsy marina izany. Navelan'izy ireo aho rehefa hitany fa ho faty […] Tany aho nandritra ny iray volana sy herinandro, voafatotra teo am-pandriana, ary teny amin'ny tany aho no nasain'izy ireo nisakafo…
Tsy ela dia tafatsoaka i Jonathan, kanefa voasambotra indray noho ny baikon'ny anabaviny.
Eo anelanelan'ny fampiasana ny fivavahana sy ny fandosirana fitsaràna.
Tsy dia miatrika fitsarana matetika ireo klinika sy ireo mpitarika azy, kanefa manjavona sy manova anarana izy ireo rehefa miatrika izany. Maro amin'ireo ivontoerana no mampiasa ny lalàna sy ny fitsipikin'ny fivavahana mba hanomezany rafitra sy tanjona ny asany. Amin'ny tranga rehetra, tsy dia mazava raha mbola manohy miasa ao ambanin'ny anarana hafa na any amin'ny toerana hafa ilay klinika, aorian'ny fitoriana na fidirana an-tsehatry ny fanjakana.
Mandritra izany fotoana izany, maro ireo niharam-boina no tsy mitory noho ny tahotra ny fampijaliana mafimafy kokoa avy any amin'ireo olona nanao tsinontsinona azy ireo tany amin'ny ivontoerana.
Izany no nahazo an'i Luisa (anarana novaina), izay nentina tany amin'iray amin'ireo ivontoerana ireo noho ny fangatahan'ny ray aman-dreniny, izay tsy nety nanaiky mihitsy fa tia vehivavy i Luisa ary indrindra fa hoe tia rahavavy havan-tetezina izy, izay iarahany monina ankehitriny. Tadidiny tsara ny “fitsaboana” azony: misasa vao maraina be ao anatin'ny dimy minitra, mivavaka, ny fampiharana ny fandaharana misy dingana 12 ho an'ireo mpidoroka, ny sakafo tsy zarizary, ary ireo fehezanteny averin'izy ireo aminy isanandro, sady eo amin'ny lohany ihany ny tanan'izy ireo: “Tsy vehivavy tia vehivavy ianao, hotsaboinay ianao ato, tena very hevitra momba ny fiainanao ianao, ho hitanao fa ho tia lehilahy ianao”.
Tamin'izy 24 taona no niaina izany, tamin'ny taona 2012, nandany volana efatra nifampizara tontolo niaraka tamin'ireo vehivavy hafa tia vehivavy. Ny sasany mpidoroka, ny sasany toa azy, tsy mpidoroka. Nody izy rehefa avy nandao ilay ivontoerana, kanefa miaraka amin'ny sainy izay niova tanteraka. Roa herinandro taty aoriana, namerina ny fihetsiny mahery setra tamin'i Luisa ny rainy, ka natahotra izy sao dia ho voampanga indray. Izany no nanapahany hevitra handeha.
Momba ny Hogar Renacer (Espagnol Reborn Home, ilay “klinika” nitazonana azy), tsy te-hanana fifandraisana na kely akory amin'izany intsony i Luisa: “Tsy nitory mihitsy aho, tsy te-hanana olana aho. Karazan'ireo atahorana ireo mpiasa ao.”
Tsy manome ny antsipirihan'ireo tranga voavaha olana na ireo fanamelohana ireo izay fantatra amin'ny anarana hoe “tranga nanamarika” ny biraon'ny mpampanoa lalànan'ny distrika, noho ny haavon'ny tsindry alok'izy ireo amin'ny vahoaka. Na izany aza, nahatoky izy ireo fa nihena ny vokatr'ireo tranga ireo, eny fa na mety tsy mitovy hevitra aza ireo fikambanana sy ireo vondrona ara-tsosialy.
Manamarina ny Fundación Causana (ny Fikambanana Causana), “fikambanana vehivavy tia vehivavy sy miaro ny vehivavy”, izay miady ho fiarovana ireo olona LGBTI, fa teo anelanelan'ny taona 2016 sy 2017 fotsiny, efa niasa taminà tranga 8 momba ny fisorohana ny fanokana-monina izy. Tsy dia niova firy ny toe-piainana ara-tsosialy miantraika amin'ireo olona izay matetika iharan'ny tranga toy izany na teo aza ny fivoaran'ny lalàna. Ka noho izany, mbola lavitra ny fanakatonana ny boky mandrakitra io olana io i Ekoatora, na voatonona aza fa manokatra ny varavarana ho an'ny fanajana sy ny fitovian'ny rehetra ny lalàna amin'izao.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...