- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoelà: Mpanao Rap Iray Mihaika ny Fandraràna Sary Maherisetra

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Lalàna, Mediam-bahoaka, Mozika, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

(Nivoaka tamin'ny 20 aogositra 2010 ny lahatsoratra teny anglisy)

[1]

Horirantavan'i OneChot

Andro vitsivitsy nanambaràn'ny filoha venezoelana ny fandraràna fampiasana sary mahery setra mandritra ny iray volana ao amin'ny media sosialy, dia nampiasa ny media sosialy ny Venezoelana mpanao rap antsoina hoe OneChot [2] hampielezany ny lahatsariny mitsikera ny herisetra ao Venezoelà, izay niteraka famotorana [3] momba ny famoahany izany lahatsary izany.

https://youtube.com/watch?v=5YJQuIxijl4%3Ffs%3D1

Niely tamin'ny tranonkala tamin'ny alalan'ny tambajotra an-tserasera toy ny Facebook sy ny twitter [4] ny lahatsarin'i OneChot mitondra ny lohateny hoe Rotten Town [5], notontosain'i Hernan Jabes. Manohana ilay artista ny ankamaroan'ireo fanohoan-kevitra ary mandrisika ny hafa hijry ihany koa ilay lahatsary, milaza fa endrika vokatra nasionaly tsara izy io, na izany aza dia misy ireo mpisera twitter sasantsasany no tsy maintsy nanampy zavatra hafa ho ao amin'ilay fangaro:

Koa satria moa efa mandeha ny famotorana hamelezana an'i OneChot, dia manan-javatra holazaina momba azy io i Camilo Maldonado ao ain'ny twitter [6] :

En este país nadie ve los videoclips de las bandas, a excepción de unos pocos. Abrirle una investigación a Rotten Town es tan estéril.

Olona vitsy monja no mahita ilay tarika ao amin'ny lahatsary ato amin'ity firenena ity. Tsy misy dikany mihitsy ny fanokafana famotorana momba ny Rotten Town.

Tere de Souza [7] nitsikera ny safidim-piteny noho ny nanaovana ny hira ho amin'ny teny anglisy:

me gusta el video de rotten town! lo que me ladilla es que sea en ingles la letra… que maña tan estupida la del Vzolano… todo en ingles

Tiako ny lahatsary Rotten Town! Fa ny nanaovana ny tononkira ho amin'ny teny anglisy no mahasosotra ahy… fahazarana adalan'ny Venezoelàna… manao ny zava-drehetra amin'ny teny anglisy.

Antonio Jordana [8]manoratra ny fiantraikan'ilay lahatsary ho tsy voarain'ny olona loatra:

En reunión. En el break vimos el video de la canción Rotten Town. Ahora están todos depre.

Tao amin'ny fihaonana iray. Nandritra ny fotoana fakan-drivotra no nahitanay ny lahatsarin'ny hira Rotten Town. Ankehitriny kivy daholo ny rehetra.

Inty misy tsonga fohy avy amin'ny tononkira [9] :

Let me introduce you to Caracas, embassy of hell, land of murderers and shattas
Undred people die every week, we nuh live in war, country is full of freaks
We have more death than pakistan, Libano, Kosovo , Vietnam and Afganistan
We have planty mafia, we have planty Don, and we have some crazys killars with the fast machine guns [sic]

Aleo ampahafantariko anao i Caracas, masoivohon'ny afobe, tanin'ny mpamono olona sy shattas
Olona anjatony no maty isan-kerinandro, miaina ao anatin'ny ady izahay, feno haitraitra ny firenena
Betsaka kokoa ny maty aty aminay noho ny any Pakistan, Libano, Kosovo, Vietnam ary Afganistan
Feno mafia aty aminay, feno Don, ary misy ireo mpamono olona adala manana basy haingam-pamahanana aty aminay

Tamin'ny alina namoahana ny lahatsary, niresaka momba ilay lahatsary sy ny nanaovana azy hiteraka fampieritreretana hampitsaharan'ny rehetra ny herisetra i Juan David Chacón (OneChot) sy i Hernán Jabes, tale nanatontosa ny lahatsary.

https://youtube.com/watch?v=BKItNZxm31Q%3Ffs%3D1

Araka an'i Jabes [10]:

El video tiene un mensaje muy fuerte que nos compete. El concepto radica en la responsabilidad que tenemos todos, no sólo el Gobierno, sino también de cómo educamos, cómo somos como amigos, como seres humanos (…) El video apoya la letra de Onechot… es un grito de protesta

Manana hafatra mahery vaika momba antsika ny lahatsary. Ny fotokevitra dia mifototra amin'ny anjara andraikitsika rehetra, tsy an'ny governemanta ihany, fa amin'ny fomba anabeazana antsika, amin'ny hoe ahoana isika amin'ny maha-namana, ahoana isika amin'ny maha-olombelona (…) Manohana ny tononkiran'i Onechot ny lahatsary… kiakam-panoherana io.