04 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 04 Avrily 2018

Japana : Fanehoankevitra Manoloana Ilay Lazaina Fa Fanolanàna Tao Okinawa

  04 Avrily 2018

Nahatonga fiampangàna maro avy amin'ny mponina tao an-toerana, avy amin'ny politisiana, ary amin'ny governemanta sy ireo blaogera [ja] ilay vaovao tamin'ny herinandro farany teo izay nanambara fa nanolana mpianatra iray vao 14 taona monja tao Okinawa ilay "sergent" Tyrone Hadnott avy amin'ny "Marine" Amerikàna, nandrehitra ny hatezerana koa ny mbola fisian'ny toby miaramila Amerikana ao amin'ny Prefektiora farany atsimo ao Japana...Tetsy ankilany, tanaty bilaogy sy ny resaka tanaty aterineto, maro ireo Japoney no nanakiana ilay niharam-boina noho ny tsy fitandremana sy ny "famelàna" ilay fanolanana hitranga.

Teny 2.500 Manerantany Tandindonin-doza

  04 Avrily 2018

Navoakan'ny Fikambana Ara-panabeazana, ara-tsiantifika sy Ara-kolontsaina ao amin'ny Firenena Mikambana (UNESCO) ny Sarintany ifarimbonana misy ireo fiteny tandindonin-doza, izay mampiseho ireo tenin-drazana 2.500 amin'ireo 6000 atahorana. Mangataka amin'ny mpiserasera  ny fikambanana iraisam-pirenena mba handray anjara amin'ny fanehoan-kevitra amin'ny tetikasa izay mampanahy ireo bilaogera maro ny fiarovana ny kolontsaina.