- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona Ny Novakian'ny Mpamakin'ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 26 Marsa-1 Avrily?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azia Atsimo, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Karaiba, Oseania, Mediam-bahoaka
[1]

Sary avy amin'i Jeff Boyd tao amin'ny Flickr. CC BY-NC-ND 2.0

Mikaroka, manoratra, manitsy, ary mandika tantara ao anatin'ny iraka hanohana ny zon'olombelona sy hananganana tetezam-pifankahazoana mihoatra firenena, kolontsaina ary fiteny ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices.

Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay hanangonana ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa miezaka kosa izahay hitsongo dia ijerenay ny fiantraikan'ny asa mafy ataonay manerana izao tontolo izao.

Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 26 marsa ka hatramin'ny 1 avrily 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 215 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices :

1. Etazonia
2. Brezila
3. Però
4. Frantsa
5. Japana
6. Fanjakana Mitambatra (UK)
7. Espaina
8. Meksika
9. Canada
10. Italia
11. Alemaina
12. Colombia
13. Taiwan
14. India
15. Rosia
16. Bangladesh
17. Arzantina
18. Indonezia
19. Madagasikara
20. Tanzania

Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator [2] avy ao amin'ny Random.org ary hitopi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:

162. Goiana Frantsay
44. Korea Atsimo
68. El Salvador
114. Zeorzia
36. Hong Kong

Global Voices teny anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

1. A Romanian in the UK: On the Thin Line Between ‘Undesirable Migrant’ and ‘Welcomed Contributor’ [3]
2. Netizen Report: Ethiopia Arrests Leading Journalists and Activists in ‘State of Emergency’ [4]
3. A Muslim Scholar Seeks to Link Israel and Indonesia Through the Hebrew Language [5]
4. ‘They Beat Me Everyday With an Electric Cable…They Smashed My Head Into the Walls’ [6]
5. Highly Trained and Educated, Some Foreign-Born Doctors Still Can’t Practice Medicine in the US [7]

Global Voices Lingua

Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.

Arabo

Aymara

Bangla

Boligara

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nentim-paharazana)

Tsheky

Holandey

Esperanto

Farsi

Frantsay

Alemà

Grika

Hindi

Hongroà

Italiana

Japoney

Koreana

Kiorda

Makedoniana

Malagasy

Nepaley

Poloney

Portiogey

Punjabi

Romaniana

Rosiana

Serba

Espaniola

Tiorka

Urdu