Azerbaijan: Tranonkalam-baovao Nakatona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Taorian'ny fandraràna vao haingana ny haino aman-jery vahiny ao amin'ny firenena, nofafàna ny votoatin'ny tranonkalam-baovao malaza heverina fa mahaleotena indrindra ao Azerbaijan tamin'ny Alakamisy ary nosoloina hafatra milaza amin'ny mpamaky hoe “mikatona ny tetikasa”.

Ny ampitso, nolavin'ny manampahefana ny fiampangana fa izy ireo no tao ambadiky ny fanjavonan'ny day.az, fa hafatra vaovao indray no nanazava fa nikatona ny tranonkala noho ny antony ara-teknika ary hiverina indray aorian'ny 25 Febroary.

Tsy resy lahatra, na dia izany aza, ireo blaogy avy amin'ireo manam-pahaizana momba ny media sy ireo mpandalina ao Azerbaijan. Tamin'ny lahatsoratra momba ny vaovao tao amin'ny bilaogy Frontline Club, ohatra, mpanoratra ato amin'ny Global Voices Ali S. Novruzov manazava ny fizotry ny zava-nitranga.

At first, day.az and its sister sites (e.g. dayaz.com and today.az) displayed a comment that the website is shut down for “unknown reasons”; then – “due to technical problems”; and then finally – “project is closed”. Now the comment reads: “Site is temporarily unavailable due to technical problems” and “will be back on 25th February.” Besides, as Osman Gunduz of Azerbaijan Internet Forum reported, details about day.az was surprisingly deleted from the National Domain Database [UPDATE: Now, they have reappeared. For more, visit whois.az ].

Tamin'ny andro voalohany, nampiseho fanehoan-kevitra ny day.az sy ny tranonkala hafa namany (izany hoe ny dayaz.com sy today.az) fa nakatona noho ny “antony tsy fantatra” ny tranonkala; Avy eo – “noho ny olana ara-teknika”; ary farany – “nikatona ny tetikasa”. Izao no vakin'ny fanehoan-kevitra ankehitriny: “Tsy hita mandritra ny fotoany fohy ny tranonkala noho ny olana ara-teknika” ary “hiverina indray amin'ny 25 febroary.” Ankoatra izay, araka ny nitateran'i Osman Gunduz avy ao amin'ny Azerbaijan Internet Forum, mahagaga fa nofafàna tao amin'ny Sehatra Fitoeran-Dahatahirim-Pirenena ny antsipiriany momba ny day.az [Vaovao farany: Ankehitriny, nipoitra indray izy ireo. Raha te hahafantatra bebe kokoa, tsidiho ny whois.az].

Manohy milaza ny bilaogy fa maro no mihevitra fa misy ambadika politika ny fanjavonan'ity tranonkala ity. Manoratra ao amin'ny Flying Carpets and Broken Pipelinesmitatitra toy izany koa i Arzu Geybullayeva.

Today, Azerbaijan saw yet again, how far the government can go in its quest for achieving full power over freedom of speech in this country.

[…]

Some argue that it is the interview the website published with Berezovski who criticized the [former] President of Russian Federation- Vladimir Putin of corruption and having accumulated 40 billion dollars in foreign accounts.

Whatever the argument maybe, the picture is quite clear in Azerbaijan- the more you show you are different from the flock of sheep in this country the more punishment you get. Some get arrested, some get banned, some get silenced forever.

Androany, nahita indray i Azerbaijan hoe hatraiza no ahafahan'ny governemanta mandeha amin'ny fitakiany fahefana feno amin'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ity firenena ity.

[…]

Nilaza ny sasany fa ny resadresaka navoakan'ny tranonkala, ahitana an'i Berezovski izay nanakiana ny Filohan'ny Federasiona Rosiana teo aloha Vladimir Putin tamin'ny kolikoly sy nahangona vola 40 miliara dolara tamin'ny kaonty vahiny no anton'izany.

Na inona na inona tohan-kevitra, mazava tsara ny sary ao Azerbaijan- arakaraka ny hanehoanao fa tsy mitovy amin'ny andian'ondry ao amin'ity firenena ity ianao no hahazoanao sazy bebe kokoa. Ny sasany voasambotra, ny sasany voaràra, ny sasany nampanginina mandrakizay.

Mandritra izany, manoratra ao amin'ny Thoughts on the Road, Amerikana mpanao gazety iray monina ao Azerbaijan nanome antsipiriany momba ny fiampangàna fa tao ambadiky ny hetsika i Rosia.

[…] My information – from a source who works with journalists -is that the news portal was closed after it published an interview with former Russian oligarch Boris Berezovsky. In the interview, Berezovsky charged that Putin was siphoning off Russian cash for his own account.

Putin reportedly called the Azerbaijan president personally and demanded the closure of the site.

Of course, I can't verify this account and I can't read the interview. […] The Day.Az site is shut.

[…]

[…] The political implications of this are yet unclear. While Day.Az was widely read, my impression is that it was not a mass-market source of information. Nonetheless, one has to wonder how the president's decision will resonate. […] How does it look for the former Russian president to be dictating media policy to the Azerbaijan president? […]

[…] Ny vaovao azoko – avy amin'ny loharanom-baovao miasa miaraka amin'ireo mpanao gazety – dia hoe: nakatona ny vavahadim-baovao taorian'ny famoahany ny resadresaka nifanaovana tamin'ny mpanefoefo Rosiana teo aloha, Boris Berezovsky. Ao amin'ny tafatafa, niampanga an'i Putin ho namindra vola Rosiana ho an'ny kaontiny manokana i Berezovsky .

Voalaza fa niantso ny filohan'i Azerbaijan manokana i Putin ary nangataka ny fanakatonana ny tranonkala.

Mazava ho azy, tsy azoko atao ny manamarina ity filazana ity ary tsy afaka mamaky ilay tafatafa aho. […] Nakatona ny tranonkala Day.Az.

[…]

[…] Mbola tsy mazava tsara ny fitsabahana ara-politika amin'izany. Raha be mpamaky ny Day.Az, ny eritreritro dia tsy loharanom-baovao eo amin'ny tsena lehibe izy io. Na izany aza, tokony hanontany tena hoe ahoana ny ho akon'ny fanapahan-kevitry ny filoha. […] Ahoana no fijerin'ny filoha Rosiana taloha ny fanomezam-baiko ho an'ny filohan'i Azerbaijan momba ny politikan'ny media ? […]

Nanomboka teo, tamin'ny vaovao farany tao amin'ny lahatsoratr'i Frontline Club, nilaza i Novruzov fa masoivohom-baovao iray no nampahafantarin'ny manam-pahefana tsy nitonona anarana fa anisan'ny ao ambadiky ny hetsika tokoa ny ahiahy momba ny fifandraisana amin'i Rosia.

Na dia hiverina aza ny tranonkala, mbola tsy resy lahatra tamin'ny fanazavana ofisialy ny Flying Carpets and Broken Pipelines. Ankoatra izay, feno fisalasalana ity bilaogy ity fa tsy hiova ny day.az.

Apparently the website was only closed for internal reconstruction work and no political intentions or factors were at stake when the portal got shut down yesterday. […]

Then why the website didn't notify its readers in advance (which it usually does whenever there is any kind of work on the portal) and why the statements explaining the reason for closure only appeared several hours later?

Thus, for the reasons unknown or known but untrue the future of day.az remains unclear. It is likely that the website will resume its work, but what is not known is whether it will resume its work as day.az before shutting down- objective, precise and trustworthy online news portal…

Angamba  nakatona fotsiny noho ny asa fanatsarana anatiny ny tranonkala ary tsy nisy ny fikasana na antony ara-politika nanakatonana ny tranonkala omaly. […]

Koa nahoana ny tranonkala no tsy nampilaza ny mpamaky mialoha (izay matetika ataony rehefa misy karazana asa tahaka izany ao aminy) ary nahoana no nitranga ora maro taty aoriana ireo fanambarana manazava ny anton'ny fanakatonana?

Noho izany, noho ny antony tsy fantatra na fantatra saingy diso, mbola tsy mazava ny hoavin'ny day.az. Azo inoana fa hanohy ny asany ny tranonkala, saingy tsy fantatra raha hanohy ny asany amin'ny maha day.az azy talohan'ny fanakatonana izy – izay vavahadim-baovao antserasera tsy mitanila, mazava sy azo itokisana  …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.